Tantara mikasika ny Malawi
Diaspora Afrikana: Fotoan-tsarotra ho an'ireo Afrikana any Frantsa sy Belzika
"I Frantsa, Atoa Sarkozy, dia sady tsy makorelina voatery manainga ny feny amin'ny andro mosary, na fiangonana hanaikena ny fahotana rehetra rehefa miteny 'amen' na koa firenena fehezin'ny fitsipika miafina sy mampiahiahy"
Manoratra Bilaogy momba ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA
Nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA tamin'ny fitenenana ampahibemaso sy mafy mikasika ny VIH SIDA ireo bilaogera manerana izao tontolo izao ny voalohan’ny volana Desambra. Fanomezam-boninahitra ny ady amin'ilay valanaretina, izay mihamatanjaka noho ny fahanginana sy ny fampahalalàna diso, ny lahatsoratra rehetra navoaka tamin’izany.
Manapariaka Ny Bilaogy Aty Afrika Amin'ny Alàlan'ny Onjampeo
Mety miahiahy angamba ny mpihaino sasany - "be pitsony loatra ny famahanana bilaogy ... aiza ny fahafahana hifandraisana, mbola lafo vidy ny aterineto, " izany no fanehoan-kevitry ny mpihaino iray - kanefa mampiseho ny fandaharan'ny Onjampeo BBC World Tambajotra Afrika fa zava-misy ary anisan'ny miroborobo ny famahanana bilaogy eto Afrika .
Feo Avy Amin'ny Zimbabwe Plus
Nomen'ny vahoakan'i Zimbaboe ny fahafaham-baràka mavesatra indrindra avy aminy ny ZANU-PF eo amin'ny fitondràna, ary indrindra indrindra fa ireo endrika politika tsy misy tanjona rehetra nanafintohina azy ireo hatreto [...]
Tafandositra Tamin'ny Fampanambadiana Ankizy ao Malawi i Memory Banda, fa Tsy Afa-Bela kosa ny Rahavaviny Fony 11 Taona
Niezaka ny nandositra ilay rafitra mampiditra ny atsasaky ny zazavavy ao amin'ny firenena atsimon'i Afrika misy azy hanambady aloha, sy lasa reny alohan'ny fotoana, ity zazavavy 18 taona antsoina hoe Memory Banda ity.
Tondra-dranon'ny Tapa-Taonjato — Nefa Mety Mbola Tsy Henonao Mihitsy
Efa namindra olona manakaiky 200.000 ao Malawi ny tondra-drano, namotika ny vokatra ary nitondra ahiahy amin'ny mety isian'ny aretina. Ao amin'ny faritra mora tratran'ny tondra-drano, mbola mety ho ratsy kokoa ny hoavy.
Podcast Manokan'ny Global Voices: Habemus Podcast!
Niaraka taminà kardilay Afrikana roa noheverina ho isan'ny manana vintana hisolo ny Papa Benoit XVI, dia niresaka tamin'i Steve Sharra sy Abdoulaye Bah avy amin'ny ekipa Afrika ato aminay izahay mikasika ny mety hisian'ny Papa Afrikana
Ny Filohan'i Malawi Banda Sy Ny ‘Fitiavan-Tenan'ny’ Mpikambana Parlemantera
Niteraka korontana tao amin'ny parlemanta ny filohan'i Malawi, Joyce Banda, tamin'ny fikirizany fa tsy hahazo vatsin-tsolika goavana [tadiaviny] ny mpikambana ao amin'ny parlemanta, tamin'ny filazany fa tsy manam-bola handoavana izany governemanta.
Toekaren'i Malaoi: Tondrombohitra Avo Sarotra Anihana Ve?
Nanomboka ny Aprily 2012, rehefa nandray ny fitantanana ny governemanta teo ambany fitarihan'i Bingu wa Mutharika i Joyce Banda, niaina fifangaroam-panantenana sy hadisoam-panantenana ny vahoaka ao Malaoi - jereo ato ny sasany amin'ireo antony mahatonga izany.
Malawi: Mpanao Gazety Amin'ny Aterineto Nosamborina Fa Hoe Nanompa Ny Filoha
Nosamborina tany Blantyre ny marainan'ny Alatsinainy 15 Oktobra, 2012 ny mpanao gazety Malaoita Justice Mponda nampangaina ho niteny ratsy ny Filoha, nanaparitaka vaovao tsy marina ary fanalam-baraka. Miasa ao amin'ny malawivoice.com Mponda. Taorian'ny nivoahan'ny E-bill vaovao, izay natao hifehezana sy hanaraha-maso ny serasera amin'ny aterineto any Malawi ny fisamborana azy.