Tantara mikasika ny Sahara Andrefana
Sahara Andrefana: Fanomezam-boninahitra Ho An'ny Maherifo
Andrefana- Namoaka tononkalo mitondra ny lohateny hoe "Tononkalo iray hafa avy amin'ny Faritra Nobodoina: Ilay Maherifoko!" i Occidental - Sada Assahra al -Gharbiya [ar] .
Sahara Andrefana: Dite Telo Kaopy
Tahaka ny kolontsaina maro, namorona fomba amam-panao sy fombafomba ara-tsosialy manodidina ny dite ireo mponina any Sahara Andrefana ary azontsika sary an-tsaina ny tany efitra, ny lanitra tsy misy rahona amin'ny alina, ny volana fenomanana ary ny dite (roa na telo kaopy)!
Sahara Andrefana: Fahitalavitra Sahrawi Vaovao Mandeha amin'ny Zanabolana
Ity no andrana voalohany itaterana ny tontolon'ny bilaogy Sahrawi. Iray amin'ireo tantara tena sarotra ny momba an'i Sahara Andrefana ary matetika lasa aloha ny fihetseham-po isaky ny misy ny fifanakalozan-kevitra momba izany. Hanandrana ny fitantarana araka ny fijery Sahrawi araka izay azo atao ho fanajana ny mahaolombelona izahay...
Fantaro Ireo Sahrawis Roa Mpamokatra Lahatsary Sady Mpikatroka Sahy Nandrakitra An-tsary Ny Fanitsakitsahana Zon'Olombelona
“Tandindonin-doza mandrakariva aho, eny fa na tsy mandrakitra lahatsary akory aza.,” hoy i Mariem Zafri, mpikatroka mafàna fo amin'ny media raha niresaka ny loza mitatao aminy rehefa manao ny asa fandraketany lahatsary ho fisoloana vava.
Ny Firenena Mikambana Miresaka Ny Hoavin'Ireo Mpampandry Tany Any Andrefan'i Sahara, Ny Sahrawis Kosa Mamoaka An-gazety Ny Resaka Zon'Olombelona
Raha nihaona tamin'iny herinandron'ny 25 Aprily iny ireo diplaomaty iraisampirenena mba hamaritra izay hoavin'ny Iraka Mpampandry Tany Avy amin'ny Firenena Mikambana any Sahara Andrefana, nanao hetsi-panoherana kosa ireo mpanao fihetsiketsehana nanerana ilay faritra voabodo nitakiany ny fizakantenany sy ny fanajàna ny zon'olombelona.
Hatezerana Mifanohitra Teo Amin'ireo Maraokana Sy Sahraouis Taorian'Ireo Fanamarihan'i Ban Ki-Moon Momba Ny “Fibodoana”
"Rahoviana ianao no ho sitrana amin'ny fanaintainana lava reny? Ô, ry fireneko ô. Ho tonga aminao anie ny fandriampahalemana"
Sahara Andrefana: Mitarika resabe ny ampamoaka nataon'ny Wikileaks
Mitohy mameno ny tontolon'ny fitorahana bilaogy ny fanehoan-kevitra nateraky ny telegrama diplaomatika naparitaky ny tranonkala Wikileaks. Niteraka fanamarihana vitsivitsy ny ampamoaka manodidina ny fifandirana ao Sahara Andrefana.
Sahara Andrefana: Voaroaka i Aminatou Haidar
Aminatou Haidar dia mafana fo lohalaharana amin'ny fitakiana ny fahaleovantenan'i Sahara Andrefana (avy any Maraoka). Ny Zoma 13 Novambra, raha niverina ho any Laayoune (tanàna iray any amin'ny faritr'i Sahara Andrefana), nosamborina izy ary noroahana noho izany. Manangona ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy rehetra i Jillian C..
Bubisher: Boky maro eran'ny bus iray ho an'ireo ankizy any andrefan'i Sahara Andrefana
Bubisher..boky ho an’ireo ankizy any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Sahara Andrefana Midika hoe “vorona milaza soa’ ny Bubisher .” Araka ny filazan'i Roge Blog, lohatenim- boky firaketana tononkalo sahraouie ihany koa izy io. Saingy ho an'ireo ankizy anjatony maro mipetraka ao amina toby natao ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Sahara Andrefana,...
Maghreb: Nifampiresaka tamin’I Polisario ny solotenan’ny firenena mikambana mpiandraikitra an’i Sahara andrefana.
Tonga tao Alzeria I Christopher Ross omaly, solotena manokana avy amin’ny firenena mikambana misahana ny raharaha Sahara andrefana, mba hifampireska amin’ny fiadidian’ny Polisario, araky AFP. Mamehy ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy manoloana ny faritry Maghreb momba ny fandrosoana faranay i Jillliana York.