· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Sahara Andrefana tamin'ny Novambra, 2018

Sahara Andrefana: Fampisehoana Ny Tontolombolongana Sahraouie

Ny 5 Jolay 2008, nanomboka nandrakotra ny tontolombolongana tao Sahara ny Global Voices niaraka tamin'ny lahatsoratra iray momba ny fahitalavitra vaovao alefa amin'ny zanabolana [teny anglisy] ao amin'ny faritra. Io lahatsoratra io, an'i Yazan Badran, dia mifantoka amin'ny ampahany miteny arabo ao amin'ny tontolombolongan'i Sahara. Tsy ela dia narahina iray hafa izy io, an'i Renata Avila, mikasika ny poezia sy ny teny espaniola [teny frantsay], mampiseho an'ireo Sahraouis izay manao blaogy amin'ny teny espaniola. Samy nampisy fanehoankevitra marobe avokoa izy roa ireo, na tsara na ratsy.

Sahara Andrefana: Adihevitra mikasika ny sarintanin'i McDonald

  26 Novambra 2018

Niatrika adihevitra ny sampan'ny McDonald Maraokana tamin'ny herinandro lasa taorian'ny namoahany kilalaon'ankizy "Happy Meal" izay ahitana sarintanin'i Maraoka. Ny sisintany eo amin'ny sarintany dia manasaraka an'i Sahara Andrefana amin'i Maraoka; Faritany ifandiran'i Maraoka sy ny Front Polisario tohanan'ny Alzeriana i Sahara Andrefana.

Sahara Andrefana: Tapitra ny fahavaratra ho an'ny ankizy Sahrawi

  22 Novambra 2018

Fotoana hanararaotan'ny olona maro hijery toerana vaovao, samihafa ny fahavaratra. Mandeha any ivelan'ny sisintan'ny firenena izy ireo, ary mitrandraka fiteny, tontolo sy rafitrano samihafa. Mety hiova ny fiainana mandritra ny fialan-tsasatra fahavaratra, satria tsy azo antoka izao tontolo izao ary maro ireo fanamby ivelan'ny tanindrazana sy ny asa mahazatra.