Hatezerana Mifanohitra Teo Amin'ireo Maraokana Sy Sahraouis Taorian'Ireo Fanamarihan'i Ban Ki-Moon Momba Ny “Fibodoana”

Screenshot of an Al Arabyia video report on the protests in Morocco.

Pikantsary mikasika ny tatitra an-dahatsarin'i Al Arabiya momba ireo fihetsiketsehana tao Maraoka

Efa ho efapolo taona izao ny fihenjanan'ny fifandraisana misy eo amin'ny fanjakana Maraokana sy ireo mponina ao Sahara Andrefana no mivohy fifandirana mangatsiaka momba ny fitantanana io faritany io. Ny fiandohan'ny volana martsa teo, nofohazin'ny fitsidihana nataon'ny Sekretera Jeneralin'ny ONU Ban Ki-Moon indray ireo fihenjanana ireo tao amin'ny toby iray fialokalofan'ireo sahraouis ao atsimon'i alzeria.

Ny Alahady 13 martsa, an'aliny ireo Maraokana nidina andalam-be ho fanehoana hatezeram-bahoaka tsy fahita firy, mba hanoherana ireo fanamarihan'i Ban Ki-Moon momba io tany ifandirana io. Nampangain‘ny governemanta ho mandika ny tsy fiandaniana napetraky ny firenena mikambana i M. Ban amin'ny filazàna an'i Sahara ho tany “voabodo”. Mpitondra tenin'ny minisitera maraokana misahana ny raharaham-bahiny no nanambara tamin'ny fampahalalam-baovao fa “nanao herisetra tamin'ny fihesehampon”-n'ny firenena ilay solontenan'ny ONU.

Manambara i Maraoka fa i Sahara Andrefana, zanatany espanola taloha, dia anisany taniny, raha ireo Sahraouis eo ambany fitantanan'ny Front Polisario kosa te-hahazo fahaleovantena ho an'ireo izay antsoin'izy ireo ho Repoblika Arabo sahraouie demokratika. Teo anelanelan'ny taona 1975 hatramin'ny taona 1991, ady tany feno rà mandriaka no nifanaovan'ny andaniny sy ny ankilany, mandrapahavitàn'ny fanelanelanana nataon'ny ONU ho amin'ny fifanarahana hampitsahatra ny ady.

Vokatry ny ady, an'arivony ireo Sahraouis nalefa tany Alzeria, izay mbola monina foana ao amin'ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana manodidina an'i Tindouf mandraka ankehitriny. Vinanian'ny UNHCR ho 165.000 no isan'ireo sahraouis mpitsoa-ponenana mipetraka ao amin'ireo toby ireo. Zara raha misy ny fahafahana mamelon-tena, ary ny ankamaroany dia miankina amin'ny fanampiana noho ny maha-olona.

Ny vahoaka ao Sahara andrefana, izay misy mponina tombanana ho 570.866, dia te-hanao fitsapankevibahoaka mikasika ny fahaleovantenany, araka ny fampanantenana nomen'ny fifanarahana fampitsaharana ny ady, hevitra izay nolavin'i Maraoka.

Resy lahatra i Maraoka fa lalaovina ny maha-iray tsy mivaky ny firenena ; Sahara Andrefana, izay manan-jo hahaleo tena. Tsy mahagaga, matetika no mirona manodidina io lohahevitra io ireo fietanam-po.

‘Tsy omenay na dia ny voam-pasika bitika indrindra aza’

Noho ny hatezerana amin'ny sekretera jeneralin'ny ONU, niantso ireo mpiray firenena aminy mba handray anjara amin'ireo fihetsiketsehana manerana ny firenena i Idriss Lashkar, solombavambahoaka iray mpitarika ao amin'ny parlemantan'i Maroaka.

Mpitondra maro no nankatò ireo diabe izay ny voalohany dia natao tao Bab Chala, ao afovoan-tanànan'i Rabat, ary namporisika ireo tanora mba handray anjara tamin'io. Tany amin'ireo arabe manavatsava ny renivohitra, nantsoin'ireo mpanao fihetsiketsehana hoe “Milyoneya” ireo diabe – teny arabo iray ilazàna ny fivorian'olona an'arivony. Nihiaka teny filamatra sy nilanja sora-baventy mba hanetsehana ny hambom-pom-pirenena ireo Maraokanina. Nitsikera ankatezerana an'i Ban Ki-Moon ihany koa ireo mpitondra, ary nanamafy ny firaisankinan'ny vahoaka sy ny fiandrianampirenena Maraokana

Tao amin'ireo media sosialy, namely mivantana an'i Alzeria ireo Maraokana, manohana ny Front Polisario, sy ny ambiny amin'izao tontolo izao heverina ho toy ny miandany amin'i Sahara Andrefana.

Tao anaty lahatsoratra iray tamin'ny Facebook, nandefa sary iray misy vondrona Maraokana mirakotra sainam-pirenena i Hajar Maky. Manitrikitrika ny maha-zavadehibe ny maha-iray tsy mivaky izy:

“نحن لسنا أفضل شعوب العالم من ناحية التسامح و احترام و تقبل الآخر. نحن أصلًا لا نملك مواقف نحو قضايا شعوب العالم و لا نعلم عنها الكثير إن لم نستثني القضية الفلسطينية.. كذلك أغلب شعوب العالم لا تعلم شئ عن قضيتنا. و تأخد مواقف نتيجة جهلها بالواقع. والشقيقة الجزائر حفظ الله شعبها من كل شر مهمتها الديبلوماسية الاولى توفير الامكانيات اللوجيستكية بشكل مستمر لقيادات البوليساريو لنشر اكذوبتهم التاريخية …
لا تنتظروا من شعوب العالم ان تبرمج في مقررات مادة التاريخ لتلامذتها تاريخ تحرير المغاربة لارضهم من يد المستعمر الاسباني
.

Tsy izahay no firenena tsara indrindra amin'ny resaka fandeferana, ny fanajana sy ny fanekena ny hafa, sns… Tsy manana akory izahay na dia hevitra aza mikasika ireo olana misy any amin'ireo firenena maro eran'izao tontolo izao, ary tsy manana hevitra mihintsy, afa-tsy i Palestina. Toy izany koa, ny ankamaroan'ireo firenena eran'izao tontolo izao tsy te-hahalala ny zava-misy eto aminay, ary mitsara azy miainga avy amin'izay tsy fahalalan'izy ireo ny tranga sy ny tena zava-misy marina. Ny firenena mifanila aminay, Alzeria – Hiaro ny vahoakany amin'ny ratsy rehetra anie Andriamanitra – miezaka ny hitàna ireo ezaka diplomatikany amin'ny fanomezana fitaovana ho an'ireo mpitarika ny Front Polisario, ny hetsika mitam-piadiana sahraoui, mba hampiroboroboana ny lainga ara-tantara.

Nanoratra tao amin'ny Twitter i Azhar fa:

@France24_fr Na tianareo io na tsia, na tian'i Alzeria sy ireo mpiara-dia aminy io na tsia, an'i Maorakana i Sahara…pic.twitter.com/Ky653UtxQm

Namoaka sary iray izay nahitàna soratra hoe “i Sahara dia maraokana” teo amin'ny pejy Facebook-ny ilay maraokana mpihira malaza, Saad Imjarrad, ary notohanany tamin'ireto teny ireto ireo fihetsiketsehana ireo:

المغرب في صحراءه و الصحراء في مغربها ، قسما بالله ايمانا و احتسابا، لن نتنازل عن ذرة رمل من ارض وطننا.
نسأل الله العظيم ان يحفظ بلادنا من الفتن ، وأن يعم الأمن والسكينة ربوع وطننا العزيز من طنجة الى الكويرة.

Ao anaty taningazany no misy an'i Maraoka ary ny taningazana dia ao anatin'ny Maraokany. Anaovanay voady eo anatrehan'Andriamanitra, tsy homenay na dia voam-pasika iray aza amin'ny tanindrazanay. Mivavaka amin'ny Andriamanitra lehibenay izahay mba hiaro ny firenenay amin'ny fifandirana, ary hanome filaminana sy fitoniana ho an'ny firenena malàlanay, manomboka anyTanger hatrany Queira

Fatma Ezzahraa, vehivavy  maraokana iray mavitrika amin'ny fibitsihana, nandefa bitsika sy sary fanehoana firaisankina amin'ireo mpanao fihetsiketsehana:

Ry fireneko, Ry mpiray tanindrazana. Ireo diabe anio ao Rabat. #MaraokanaAryMirehareha

Mamaly Bontana ireo Sahraouis

Voalaza fa toa hoe nahatezitra an'i Ban Ki-Moon, hono, ireo fihetsiketsehana. Maraoka, etsy ankilany, nilaza fa hampiato ny fandraisany anjara amin'ny asa fiahiana ny fandriampahalemana ataon'ny ONU ho an'i Sahara Andrefana.

Tsy nanakana ny fitsidihan'ny sekretera jeneralin'ny ONU tao amin'ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana izany mba hitsofana fanantenana kely ho an'ny adin'ireo sahraouis momba ny fiandrianam-pireneny. Tamin'ny fanehoankevitra momba ireo fihetsiketsehana tao Maraoka, nilaza ho tezitra tamin'ny antsoin'izy ireo hoe “fibodoana maraokana” ireo sahraouis. Nibitsika i Malainin Lakhal fa:

Hery mpanjanaka i Maraoka. Aoka ho ampahatsiahivintsika ny governemanta maraokana sy izao tontolo izao fa i Maraoka dia hery mpanjanaka ara-miaramila ao Sahara Andrefana.

Mahery fo mpiaro zon'olombelona i Lakhal izay nilaza ho niharan'ny fanjavonana noterena tany amin'ireo fonjan'i Maraoka. Mihevi-tena ho mpiady ho an'ny fahaleovantenan'i Sahara Andrefana izy.

Nalefan'i Abdullah Saleh tao amin'ny Twitter ny sarin'ny famoriambahoaka nanoloana ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Espanola ao Madrid. Nitazona ireo sainan'ny Repoblika Arabo sahraoui demokratika ireo mpandray anjara, mitaky ny fanafahana an'i Sahara Andrefana:

Ny fanentanana iraisam-pirenena manoloana ny minisiteran'ny  Raharam-bahiny espanola ho fanehoana firaisankina ho an'ireo sahraouis gadra politika

Emhammad ALghazi, solontena diplomatika fahiny ho an'i Front Plisario, no namporisika ireo mponina ao Sahara Andrefana mba hitambatra hanohitra ny Maraokana, nilaza fa:

RASD Atambaro ny hery mba hiadiana amin'ny mpananibohitra

Nandefa sary iray misy ireo mpikatroky ny Afrika Kontakt i Mille Neumann, hetsika iray firaisankina ao Danemark izay miara-miasa amin'ireo hetsika afrikana, mba hanehoana ny fanohanana ireo sahraouis sy hiantsoana ny hanaovana fitsapankevibahoaka fisintahana:

@Afrikakontakt Fanohanana ny #FitsapanevitraAvyHatrany #AfahoSaharaAndrefana

Navoitran'i Ghaly Ahmed ny fireneny tamin'ny famaritana ny fibodoana ho toy ny olona iray mandeha rà. Manoratra izy fa:

Rahoviana ianao no ho sitrana amin'ny fanaintainana lava reny? Ô, ry fireneko ô. Ho tonga aminao anie ny fandriampahalemana.

Etsy andaniny, nanomana hetsika am-pilaminana iray ireo sahraouis ny 19 martsa hitakiana ny fanafahana ireo voafonjany ara-politika any amin'ireo fonja maraokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.