Tantara mikasika ny Repoblika Dominikana

Repoblika Dominikana: Natao veloma farany i Luis “Rahorohoro” Dias

  21 Desambra 2009

Nanao veloma an'ilay mpitendry sy mpamoron-kira Luis “Rahorohoro” Días [es] ny Repoblika Dominikana, maty vokatry ny areti-po sy olana teo amin'ny voa tany Santo Domingo ny 08 desambra lasa teo izy, araka ny Agencia Efe [es]. Ho an'ny taranaka taty aoriana dia azo antoka fa tsy mahazatra azy ireo loatra...

Horonantsary: Atsaharo ny herisetra atao amin'ireo vehivavy maneran-tany

  01 Desambra 2009

Anio, faha-25 Novambra no andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no anehoan'ny olona maro sy fikambanana maneran-tany ny fanirian'izy ireo hampiato ny herisetra ary koa ny ezaka entin'izy ireo hanamafisana fa manana tontolo afaka iainana am-piadanana ny vehivavy.

Repoblika Dominikana: Mitohy ny olana herinaratra

  21 Novambra 2009

Vao tsy ampy 3 volana no nandraisany ny asa amin'ny maha filoha lefitry ny CDEEE (Dominican Corporation of State Electric Companies [es]) dia tsy maintsy mitady fanampiana any ivelan'ny fireneny i Celso Marranzini hamahana ny olana herinaratra any an-toerana, izay mihasarotra hatrany. Nisy delegasiona notarihan'i Marranzini nankany Korea Atsimo hitady...

Repoblika Dominikana: Hetsika fampahalalana ny homamiadana

  28 Oktobra 2009

Volan'ny fisorohana ny homamiadan'ny nono any amin'ny firenena maro ny volana oktobra, fotoana ankalazain'ny vohikala manandaza, fandaharana manokana amin'ny fahitalavitra, famakian-teny, valandresaka ara-medikaly ary ny fizarana boky kely sy trakitra misy izay tsara ho fantatra. Ireny rehetra ireny dia manindry manokana ny amin'ny fizahana ataon'ny tsirairay sy ny mampiahiahy tokony...

Repoblika Dominikana : Halatra tariby sy vy

  07 Septambra 2009

Tariby sy vy maro no misy mangalatra eny an-dàlambe, amin'ireo vakoka sasantsasany, sy ireo tranobe manerana ny Repoblika Dominikana mba hamidy sy haondrana ka mahasanganehana ny maro.

Repoblika Dominikana: Ho voavaha ve ny olan'ny delestazy?

  20 Aogositra 2009

Isaky ny faha-16 Aogositra any amin'ny Repoblika Dominikana, dia fahazaran'ny governemanta amin'io daty io satria feno indray ny taona niasany, ny fanoloan'ny filoha Leonel Fernández ny mpikambana sasantsasany ao amin'ny governemantany. Tsy dia nisy loatra ny fanovana lehibe, fa nisy kosa ny iray izay niteraka adihevitra. Ny filoha lefitry ny...