Horonantsary: Atsaharo ny herisetra atao amin'ireo vehivavy maneran-tany

Anio, faha-25 Novambra no andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no anehoan'ny olona maro  sy fikambanana maneran-tany ny fanirian'izy ireo hampiatoana ny herisetra ary koa ny ezaka entin'izy ireo hanamafisana fa manana tontolo afaka iainana am-piadanana ny vehivavy.

words as violence must break SILENCE by circo de invierno

Sary avy amin'i  circo_de_invierno, tao amin'ny  Flickr mampiasa ny  CC BY 2.0.

ny teny momba ny herisetra dia tsy maintsy hanafoana ny FAHANGINANA

UNIFEM, ao amin'ny Manaova Tsia amin'ny Herisetra ao amin'ny Youtube dia efa nanao fanadihadiana ny sasany amin'ireo fanapahan-kevitra raisina maneran-tany mba hampiatoana ny fanaovana herisetra noho ny tsy fitoviana. Ny horonantsary voalohany dia mampiseho ny Lisean-jazavavy Ngara ao Nairobi, Kenya, izay andrisihana ireo tovovavy hanao Tsia amin'ny Herisetra, hijoro hitaky  ny zon'izy ireo ary koa ny fomba hiadiana amin'ny fanolanana, fanafihana, fandrahonana ary ireo endrika hafa hisehoan'ny herisetra noho ny tsy fitoviana:

Any Kenya koa, manana Toeram-Panarenana ireo niharan'ny Herisetra ny tobim-pitsaboana nasionalin'ny Kenyatta, izay azon'ireo vehivavy sy ny zanany andehanana ary hikarakarana azy ireo noho ny herisetra nahazo azy ireo. Ato amin'ity horonantsary manaraka ity, mitantara ny fiainana ao amin'ilay toeram-pitsaboana izy ireo, ny tontolo iainana misy azy ireo, ary maneho hevitra koa ireo vehivavy niharan'ny herisetra:

Any Peru, eo am-pikarakarana fihetsiketsehana sy fanangonam-bahoaka ny fikambanana Flora Tristan ho ana endrika hafa inoany fa mety hiteraka herisetra: ny fandàvana ny fahazoana maimaim-poana ireo fomba fanabeazana aizana sy ny lalàna vaovao nanapaka fa ny pilin'ny ampitso (fanabeazana aizana vonjimaika) dia tsy tokony hozaraina maimaim-poana. Hanao fanentanana ho fanabeazana izy ireo any amina toeram-pitsangatsanganana any Lima ka hanome fanampim-panazavàna momba ny fanabeazana aizana, ary koa hizara pilin'ny ampitso sy fitaovana fanabeazana aizana ho mariky ny fanoherana:

Raha ny momba ny Amerika Latina sy ny Karaiba indray, nandefa ity horonantsary ity ny UN-INSTRAW ho ampahany amin'ny fanentanana fisarihan-tsaina :

Latinoamérica y el Caribe es un lugar peligroso para las mujeres. Más de 50 por ciento de las mujeres de la región han sido objetos de agresiones. En la República Dominicana, por ejemplo, 1,453 mujeres fueron asesinadas entre los años 2000 y 2008. En el marco del Día Internacional para la Eliminación de la Violencia Contra la Mujer, UN-INSTRAW lanza un nuevo video sobre la seguridad de las mujeres latinas y caribeñas.

Toerana mampidi-doza ho an'ny vehivavy i Amerika Latina sy  Karaiba. Maherin'ny 50 isan-jaton'ny vehivavy any an-toerana no iharan'ny herisetra. Any amin'ny Repoblika Dominikana ohatra, vehivavy 1 453 no novonoina teo anelanelan'ny taona 2000 sy ny taona 2008. Ho an'ny Andro Iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy dia nandefa horonantsary momba ny fandriampahaleman'ireo vehivavy Latina sy Karibeana ny UN-INSTRAW .

Any Espana, nandray anjara tamin'ny seminera faha-dimy momba ny Fiarovan-tena amin'ny herisetra ireo vehivavy, ka tamin'izay no nanoroana azy ireo ny fomba hiarovany tena raha miatrika toe-javatra mampidi-doza ry zareo. Ny kendrena amin'io fanofanana io dia ny hahafahan'izy ireo mampalemy mandritra ny fotoana fohy ilay mpanao herisetra mba hahafahan'izy ireo mandositra ny loza.

Ary avy any Chile, ilay mpanao Hip Hop COFLA dia namoaka hira mitondra ny lohateny hoe Femicide. Raha eritreretina hampirisika ny herisetra atao amin'ny vehivavy ny tononkira hip hop matetika, ity mpanakanto ity kosa namoaka hira manameloka ny fomban'ireo lehilahy manomboka amin'ny  fanomezana tokim-pitiavana sy fiarovana ary tonga amin'ny herisetra, daroka na famonoana mihitsy aza:

Nisy ezaka toy izany ve tany amin'ny faritra na firenena misy anao? Mba ampafantaro anay amina fandefasan-kevitra ny fihetsiketsehana ataon'ny fiaraha-moninao mba hanakanana ny herisetra atao amin'ny vehivavy!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.