Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Hafanam-po

13 Jona 2019

“Tsy efa fotoana ve tokony hihaonantsika anaty fitoviana ?”

Blaogim-Piarahamonina GV

Matetika isika no manoratra momba ireo olona izay atao an-jorombala, saingy diso ny finoantsika hoe afaka miteny amin'ny toeran'izy ireny isika, hoy ny soratan-i Anne Hemeda.

07 Jona 2019

Alemaina: Trangana fanakanana kaonty Twitter voalohany tao an-toerana

GV Mpisolovava

Tamin'ny volana Ôktôbra 2012, nanambara ny Twitter fa hanakana ny kaontin'ny vondrona neo-Nazi any Alemaina izy, izay vondrona nosakanan'ny governemanta alemà ny asany. Nampiseho ny nampiasan'ny Twitter voalohany ny politika fanaovan-dalàna izay miaro ny fanehoan-kevitra an-tserasera amin'ny ankapobeny, ankoatra ny tranga izay hidiran'ny governemanta ilay tranga.

24 Mey 2019

Ahoana no hanalefahana ireo mpisompatra anaty aterineto: Torohevitra avy eny an-kianja

GV Mpisolovava

Mizara ny heviny momba izay fomba hamerana ny fisomparana anaty aterineto ireo liana amin'ny zo nomerika - nefa tsy mikitikitika ny fahalalahana maneho hevitra. Fiarahanay miasa voalohany amin'ny ONG pakistaney Bolo Bhi izy ity.

21 Mey 2019

Azerbaijan: Mpikatroky ny N!DA miatrika famonjàna 6-8 taona

GV Mpisolovava

Araka ny ilazàn'ny mpanao gazety iray azy, "notsaraina ho meloka noho ny faharanitantsaina, ny fahaizana, ny fahasahiana ary ny fahamendrehany," ireo mpikambana avy ao anatin'ilay vondrona mpikatroka sangany ety anaty tambajotra

20 Mey 2019

Mamoaka lahatsoratra ho fanandrata-teny

GV Mpisolovava

Faly izahay mamoaka ny Advocacy 2.0 Guide: Cross-posting ho an'ny Advocacy, Fampahafantarana ny Fampidirana Mahomby ny Media Sosialy. Manolotra fampidiran-dresaka fohy mikasika ny fomba fampiasana ny famoahana iarahana ho an'ny fanentanana antserasera momba ny fiarovana ity torolàlana ity.

13 Mey 2019

Taridia fibilaogina tsy mitonona anarana efa misy amin'ny teny Arabo

GV Mpisolovava

Efa misy amin'ny teny Arabo ankehitriny ny The Anonymous Blogging with Wordpress and Tor (Fibilaogina tsy mitonona anarana miaraka amin'ny Wordpress sy Tor) noho ny dikan-teny avy amin'i Yazan Badran  sy Mohammad Al abdallah.

03 Mey 2019

Tanànan'i Mexico : Midina An-dalambe Manohitra ny #LeyTelecom Ireo Olom-pirenena

GV Mpisolovava

Tany Meksika, nanao fihetsiketsehana ho an'ny Aterineto ho an'ny daholobe izay manaja ny tsy fitanilàn'ny Aterineto sy ny fahalalahana maneho hevitra ireo mpanao fihetsiketsehana.

29 Avrily 2019

Ao amin'ny Saikinosin'i Sinai ao Ejipta, Tsy Mitsahatra Ireo Fahatapahan'ny Aterineto

GV Mpisolovava

Satria nahatonga ireo mponina maro ho tsy tafiditra amin'ny Aterineto sy ny tolotra an-tariby intsony ny fampidirana ny Avaratr'i Sinai ambany fitantanan'ny tafika, miara-miasa ny mponina sasany mba hanenjehana eny amin'ny fitsaràna ireo mpamatsy tolotra an-tariby ary mangataka fiantohana tolotra.

Iran: 20 taona an-tranomaizina, sazy tsy mbola fahita hatrizay ho an'ny bilaogera

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Manolotra fotoana fohy ho fakana aina ny fanoratana momba ireo bilaogera Iraniana. Tsy misy fiafaràny ny tantara mampalahelo ary toa tsy mihena ny fandrahonana. Toy ny hoe tsy ampy ny famoretana sy ny sivana, fa toa miseho ihany koa ny...

24 Avrily 2019

Kolombia: Nolavin'ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana ny lalàna mifehy ny zon'ny mpamorona

GV Mpisolovava

Ny Alarobia alina 23 Janoary 2013, nanambara ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Kolombiana fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny andininy faha-13 sy faha-14 ao amin'ny Lalàna 1520, izay fantatra kokoa amin'ny hoe "Lalàna Lleras 2.0", milaza ny fitsarana fa "mandika ny zo fototry ny fanehoan-kevitra sy ny fifandraisana" ny lalàna.