(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Janoary 2015)

Victoria Tinta, mpandika teny sy toniandahatsoratra ho an'ny GV ao Aymara
Mendri-piderana ary mendrika ny fanohanana rehetra azony ny fanoloran-tena feno hafanam-po avy amin'i Victoria Tinta avy any Bolivia amin'ny vanim-potoana iray izay ahitana ny fitenin'ny indizeny Latino-Amerikana maro tandindonin-doza sy miha-manjavona.
Alefa Victoria! Manao asa mahatalanjona ianao!