Taridia fibilaogina tsy mitonona anarana efa misy amin'ny teny Arabo

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2008)

Trohy ny endrika PDF

guide_ar_badge1

Efa misy amin'ny teny Arabo ankehitriny ny The Anonymous Blogging with WordPress and Tor (Fibilaogina tsy mitonona anarana miaraka amin'ny WordPress sy Tor) noho ny dikan-teny avy amin'i Yazan Badran  sy Mohammad Al abdallah.

Manasongadina fomba maromaro hiarovana ny mari-panondroana ny torolalana mba hisorohana ny valifaty ary afaka mampihena betsaka ny mety hahazoana ny mari-panondroana ilay bilaogera na ny asa sorany antserasera amin'ny alalan'ny paika ara-teknika.

Ny “التدوين باسم مجهول مع ووردبرس و تور” dia efa azo trohana amin'ny endrika PDF. Mety mila mametraka Adobe Acrobat Reader maimaim-poana ianao raha hijery izany. Raha sendra manana olana amin'ny fijerena ny endrika PDF amin'ny aterineto ianao, dia andramo ity endrika HTML  azo atao rohy sy mety tsara amin'ny bilaogy ity.

Trohy azafady ny toro-lalana ary ampio izahay hanaparitaka ity vaovao lehibe ity. Aza misalasala manampy anay amin'ny fandikana ny toro-lalana amin'ny fiteninanao.

Raha mila vaovao fanampiny, dia mifandraisa aminay ao amin'ny advocacy [ ao amin'ny ] globalvoicesonline [ teboka ] org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.