· Septambra, 2012

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Septambra, 2012

Mujeres Mundi, Tafatafa Amin'ny Vehivavy Tsy Fahita Mahazatra

  07 Septambra 2012

Ny bilaogera Peroviana Xaviera Medina de Albrand no atidoha sy nandany ron-doha tmin'ny bilaogy Mujeres Mundi, tahaka iray amoahany ny tafatafa ifanaovana amin'ny vehivavy avy amin'izao tontolo izao. Miresaka momba ny fiainany sy ny bilaoginy i Xaviera amin'ny fizarana voalohany amin'ity tafatafa ity.

Mujeres Mundi, “Ahoana Ny Anjara Toeran'ny Vehivavy Eo Amin'ny Fiarahamonina Misy Anao?”

  07 Septambra 2012

Tamin'ny fizarana voalohany no niresahan'i Xaviera Medina de Albrand ny bilaoginy, Mujeres Mundi [Tontolon'ny Vehivavy], izay amoahany ny tafatafa nifanaovany tamin'ny vehivavy manerana izao tontolo izao. Amin'ny fizarana faharoa no iresahan'i Xaviera ny lanjan'ny fampielezana ny tafatafa nifanaovany tamin'ireo olona zatra fiteny hafa. Resahiny eo ihany koa ny tetikasa manokana nampitondrainy ny lohateny hoe "Ahoana ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina misy anao?"

Bolivia: Oraniôma Radioaktifa Notazonina tao La Paz?

  07 Septambra 2012

Tamin'ny 28 Aogositra 2012, noraofin'ny fitondram-panjakana boliviana ny vainga, voalaza fa uranium na singa radioaktifa milanja roa taonina izay niainga avy tamina tranon'olona manokana ao amin’ny  distrika afovoan'i La Paz, manakaiky ny birao diplaomatika maro, [nefa] tsy nahitana fepetram-piarovana na fiambenana natao taminy. Ny Governemanta Carlos Romero no nitarika ny hetsika,...

Bolivia: Tsy Laharam-pahamehan’ Ireo Atleta Amin'ny Lalao Olaimpika Tao Londona

  06 Septambra 2012

Atleta 5 monja no nentin'i Bolivia niatrika ny Lalao Olaimpika faha- XXX atany Londona. Nisy tantara ratsy mifandray amin'ny fandaniana ataon'ireo mpitarika Olaimpika nipoaka teny anaty tambajotra sosialy ary tonga hatrany amin'ireo mpampahalala vaovao. Miompana amin'ny toerana ambany dia ambany misy ny fanatanjahantena ao amin'ny firenena ihany koa ny fifanakalozan-dresaka, izay tsy mbola nahazo medaly Olaimpika mihitsy hatrizay.

Arzantina: “Mpanome Taova Aho Ary Ambarako Amin'izao Tontolo Izao Izany”

  02 Septambra 2012

Talanjona ny Arzantiniana tamin'ilay vaovao milaza fa nanome taova “voa” ho an'ilay zanany vavy amin'ny batisa, Sonsoles Rey Obligado,  izay zanaky ny sipany [vavy] antsoina hoe Maria Paz Novarro ilay mpihira Arzantiniana malaza Sandra Mihanovich [vavy], ary niteraka fanairana amin'ny maha-zavadehibe ny famonjena aina ihany koa izany. Niteraka laza amin'ny fanentanana an-tserasera mikasika ny...

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es