Arzatina : Raikitra indray ny fitakiana hanaovana ny fanalànjaza ho ara-dalàna, miaraka amin'ny fanantenana vao
(Fanamarihana:Lahatsoratra espaniôla nivoaka tamin'ny 08 Martsa 2020)

Fijery avy eny ambony ny hetsipanoherana #19F teo anoloan'ny Kaongresy arzantina. Sary ho an'ny daholobe an'ny Dronera.
[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mitondra ho any amin'ny lahatsoratra amin'ny fiteny espaniôla ny rohy rehetra ato]
An'aliny maro ireo olona nanao fihetsiketsehana fanohanana ny hanaovana ny fanalànjaza ho ara-dalàna, teo anoloan'ny Kaongresy nasiônalin'ny Arzantina ao Buenos Aires, renivohitra, ny 19 Febroary 2020 lasa teo.
Tsy ara-dalàna ao Arzantina ny fanalànjaza, ary mety hidirana am-ponja, raha tsy vokatry ny fanolànana na hoe tandindonin-doza ny ain'ilay vehivavy.
Fihetsiketsehana iray nokarakarain'ny Fanentanana nasiônaly ho amin'ny zo hanao fanalànjaza araka ny lalàna, azo antoka ary maimaimpoana, nafantoka tamin'ny fandaniana volavolan-dalàna iray efa fanintsiviny izao no natolotra tao amin'ny parlemanta. Tanjon'io volavolan-dalàna io ny hamadihana ho ara-dalàna ny fampitsaharana an-tsitrapo ny fitondrana vohoka sy hanafoanana izay rehetra sakantsakana tsy ahafahana manao fanalànjaza izay efa ny lalàna no miantoka azy.
Efa azo ambara ho nekena ilay lalàna [fr] tamin'ny 2018 — neken'ny tao amin'ny Antenimieran'ireo solombavambahoaka ilay izy, saingy nolavin'ireo Loholona tamina vato 7 nanohitra, nataon'ireo loholona mpifikitra amin'ny nentindrazana, avy amina antoko politika marolafy. Noravàn'ny olan'ny fanalànjaza ireo efitrefitra rehetra nentim-paharazana nisy teo amin'ireo antoko pôlitika misy ao amin'ny firenena.
Ny 2019, naverina natolotra indray [fr] ilay volavolan-dalàna, saingy tsy nodinihana tamin'izany fotoana izany satria nisy ihany koa ireo fifidianana voalahatra hatao tamin'io taona io, ary safidy noraisin'ireo kandidà ny tsy hiresaka lohahevitra maha-be adihevitra.
Tamin'ny 2020, niverina nidina an'arabe indray ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy ary nanoloana ny parlemanta, niaraka tamina fanantenana vaovao sy ny teny faneva hoe « midina an-dalambe ilay volavolan-dalàna » (« El proyecto está en las calles »).
¡Buen díaaaaaaaaa! 😍
¿Cómo estamos de manija? 🤭📅 #19F: https://t.co/BM7UmReEjx
🌎 EN EL PAÍS Y EL MUNDOPor nuestro derecho hoy salimos a las calles, donde está nuestro Proyecto 💪💚🔥 #AbortoLegal2020 💚💚💚 pic.twitter.com/ipw6nhvuYS
— Ley 27.610 💚 (@CampAbortoLegal) February 19, 2020
Arahaaaaaba !
Ahoana no hitondrantsika azy?
#19F: http://bit.ly/36TqEAW
ETO AMIN'NY FIRENENA SY ERAN'IZAO TONTOLO IZAOMba hiarovana ny zontsika, ety an-dalamba isika androany, ety no misy ny volavolan-dalànantsika #FanalànjazaAraDalàna2020
Nandritra ity hetsika ity, nomena anarana hoe #19F tao amin'ny aterineto, afaka re tao ireo fangatahana mba hametrahana fepetra mahakasika ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy, ny herisetra, ny famonoana vehivavy, ny fankahalàna ireo olona mitovy nefa mifanambady, ny fankahalàna ireo nanova fananahana ary ny fandaharanasa fanabeazana feno momba ny fananahana (amin'ny fiteny espaniôla). Tsy maintsy arahana any amin'ireo sekoly ao Arzantina, maro ny fahasarotana nosedrain'io fandaharanasa io tamin'ny fampiharana azy noho ny fanoheran'ireo hetsika mpifikitra amin'ny nentindrazana sy ireo mpitondra fivavahana mpanao hiringiriny.
Teo ambony sehatra iray nanoloana ny Kianjan'ny Kaongresy tao Buenos Aires, nisy ireo mpandray fitenenana naneho hevitra momba ilay fanentanana, ary tonga teo ihany koa ny mpikambana telo avy amin'ny fiarahamientana shiliàna Las Tesis. Nohirain'izy ireo ny dika nasiana fanamboarana avy amin'ilay hira malaza hoe «Misy mpanolana eo amin'ny làlanao » [fr] nentina nanao resaka tsy loabody momba ireo fanalànjaza an-tsokosoko sy ireo tanora vehivavy voatery ho lasa reny tsy satry :
Nandritra ny herinandro, ireo media sôsialy dia tondraky ny tenifototra #19F, #Pañuelazo (anondroana ireo mosoara nasandratra nandritra ireo fihetsiketsehana) sy ny #AbortoLegal2020 (#FanalànjazaAraDalàna2020).
Porque son nuestros cuerpos.
Porque es nuestro derecho.
Porque es legal o clandestino.
Porque más pronto que tarde: será ley 💚#AbortoLegal2020 #19F pic.twitter.com/a5ZjOf4Aao— Luli Trujillo (@lulitru) February 19, 2020
Satria anay ny vatana.
Satria zonay izany.
Satria tsy ara-dalàna izy ireny, dia ho an-tsokosoko.
Satria na ho ela na ho haingana : izany no ho lalàna💚 #FanalànjazaAraDalàna #19F
Apoyando a las compañeras argentinas #panuelazo por el Aborto Libre! 💚💚💚 pic.twitter.com/yU01v2WZvn
— Red Actrices Chilenas (@actriceschile) February 19, 2020
Fanohanana ho an'ireo arzantina rahavavinay, #panuelazo manohana ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanalànjaza! 💚💚💚
HOY HOY HOY HOY HOY HOY HOY #panuelazo Educación sexual para decidir – Anticonceptivos para no abortar y #AbortoLegalSeguroYGratuito para no morir. #AbortoLegal2020 💚 pic.twitter.com/1q7MOkpsNu
— 💚 Raquel Vivanco 💚 (@raquelvivanco) February 19, 2020
ANDROANY ANDROANY ANDROANY ANDROANY ANDROANY ANDROANY ANDROANY #panuelazo Fanabeazana ara-pananahana mba handraisana fanapahankevitra – fihinanana fanafody mba tsy hidirana amin'ny fanalànjaza ary #FanalànjazaAraDalànaAzoAntokaSyMaimaimpoana mba tsy hamoizana aina. #FanalànjazaAraDalàna2020 💚
No queremos leer más estas noticias. No queremos que ninguna mujer tenga que morir en el terror de la clandestinidad.
No sigamos siendo indiferentes. El derecho al #AbortoLegalSeguroYGratuito es una cuestión de salud pública.Más temprano que tarde, #SeráLey 💚 #AbortoLegal2020 pic.twitter.com/NTJ0SBz1Sb
— Camila Miele (@CamuMiele) February 19, 2020
Tsy te-hamaky vaovao tahaka izao intsony izahay. Tsy misy intsony vehivavy tokony hamoy ny ainy ao anatin'ny tahotra ny tsiambaratelo. Aoka tsy hody fanina isika. Resaka fahasalam-bahoaka ny #FanalànjazaAraDalànaAzoAntokaSyMaimaimpoana
Na ho ela na ho haingana, #HoLalànaIzany 💚 #FanalànjazaAraDalàna2020
Firaisankina Erantany
Ilay mosoara (pañuelazo) maitso, famantarana ny hetsika #19F, no nasandratra nandritra ilay fihetsiketsehana ho fanohanana tao Arzantina ary tany amin'ireo tanàndehibe maro nanerana izao tontolo izao :
Toda mi fuerza para las hermanas argentinas. Siempre lo digo: cuánto aprendo, aprendemos, de vosotras.
Lo vais a conseguir.
🇦🇷 💚 #AbortoLegal2020— elvira sastre sanz (@elvirasastre) February 19, 2020
Ny heriko rehetra no alefako ho an'ireo anabavy / rahavavy ao Arzantina. Averiko matetika: mianatra zavatra betsaka avy aminareo izahay. Ho vitanareo io.
🇦🇷 💚 #FanalànjazaAraDalàna2020
Las mujeres en Colombia abortan, es una realidad, sin importar que sea o no legal.
Buscamos que lo hagan de manera segura, sin que pongan en riesgo su vida.
Educación sexual para decidir, anticonceptivos para no abortar y aborto legal para no morir! #AbortoLegal2020
— Katherine Miranda (@MirandaBogota) February 19, 2020
Manàla zaza ireo vehivavy Kôlômbiàna. Zavamisy izany, na ara-dalàna na tsia.
Tianay mba ho anaty fahatoniana, tsy manohintohina ny ain-dry zareo, no anaovany izany.
Fanabeazana ara-pananahana mba handraisana fanapahankevitra – fihinanana fanafody mba tsy hidirana amin'ny fanalànjaza ary #FanalànjazaAraDalànaAzoAntokaSyMaimaimpoana mba tsy hamoizana aina. #FanalànjazaAraDalàna2020 💚
Hace dos años surgió el #pañuelazo que dio inicio al debate legislativo en 2018 del aborto legal en Argentina.#19F por el Derecho al Aborto Legal, Seguro y Gratuito en toda América Latina.
"Aborto sí, aborto no, eso lo decido yo". 💚 pic.twitter.com/sFqulb8gZE
— Luchadoras (@LuchadorasMX) February 19, 2020
Taona roa lasa izay no teraka ny #pañuelazo ary nanomboka ny adihevitra araka ny lalàna tamin'ny 2018 momba ny fanaovana ho ara-dalàna ny IVG ao Arzantina. #19F ho an'ny zo ho afaka hanàla zaza ara-dalàna, azo antoka sy maimampoana manerana an'i Amerika Latina.
« Na hanàla zaza aho natsia, safidiko izany. » 💚
Nuestras hermanas argentimas necesitan hoy sentir nuestro apoyo en el hastag #AbortoLegal2020 Sabemos que será ley, sigan luchando que no están solas https://t.co/NMGHBwHrGM
— Daria 🔻 (@Daria_Mo) February 19, 2020
Mila mahatsapa ny fanohanantsika ireo rahavavy / anabavy ao Arzantina, amin'ny fampiasàna ny tenifototra #FanalànjazaAraDalàna2020. Resy lahatra izahay fa ho ara-dalàna io, tohizo ny tolona, tsy irery ianareo.
Ankasitrahan'ny filoha vaovao ny hanao izany tsy ho heloka
Ny Desambra 2019, rehefa nandray ny asany ny governemanta vaovaon'ny filoha Alberto Fernández [fr] sy ny filoha lefitra Cristina Fernández de Kirchner [fr] avy amin'ny vovonana Frente de Todos, nohamafisin'ny tao amin'ny fitondràna fa hodinihana amin'ny 2020 ilay volavolan-dalàna.
Ny tenan'ny filoha Fernández mihitsy no nilaza imasom-bahoaka fa mankasitraka ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanalàna zaza, ary nanambara fa ny mpanatanteraka dia hanolotra volavolan-dalàna iray amin'ity volana ity hanovàna izany ho tsy heloka intsony. Fanapahana tadimpoitra amin'ilay governemantan'i Mauricio Macri [fr] (2015-2019) teo aloha izany, izay voalohany niresaka momba ny IVG tamin'ny 2018, saingy somary nitongilana nankany amin'ny mpifikitra amin'ny nentindrazana kokoa tamin'ny sehatra pôlitika.
Mitovy amin'ny tamin'ny roa taona lasa hany ny firafitry ny parlemanta arzantina, saingy betsaka ireo miaraka manantena ny hisian'ny fiovàna fomba fijery ao anatin'ny tontolo pôlitika vaovao 2020. Araka ny fitsapankevitra, ny ankamaroan'ireo ao Arzantina dia mankasitraka avokoa ny famadihana ho ara-dalàna ny fanalàna zaza.
Hatreto, tsy mbola nampahafantarina ny rehetra ny pitsopitsony amin'ireo volavolan-dalàna tsirairay sy ireo dingana natao tamin'ny fandrafetana azy ireny. Na inona na inona zavatra hiseho, hotohizan'ireo feminista arzantina ny tolony mandra-panoratra ao anatin'ny lalàna ny zo ho afaka manàla zaza.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...