· Febroary, 2010

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Febroary, 2010

Tonizia: Sivana lava izao!

  09 Febroary 2010

Mafy lavitra noho ny tany aloha, toa lasa fitsipi-dalao mihitsy ao Tonizia ny sivana. Vavolombelon'ny ady napoakan'i Ammar (solonanarana nomena ny sivana Toniziana), izay nanivanivam-poana blaogy maro tapa-bolana lasa izao ny tontolon'ny fitorahana bolongana Toniziana. Miray feo manohana ireo namany 'voasivana' ny mpitoraka blaogy maro.

Hanolotra tokim-pitiavana vaovao ny filohan'i Malawi amin'ny ‘Andron'ny mpifankatia’

  04 Febroary 2010

Nandre ireo Malawians fa hanambady ilay Minisitry ny fizahantany taloha, Callister Chimombo ny filoham-pirenen'izy ireo Dr Bingu wa Mutharika amin'ny 1 May ho avy izao. Ialohavana fifamofoana araka ny fanao izany amin'ny andron'ny St Valentin , amin'ny 14 Febroary. Nirary soa ny filoha ireo mpitoraka blaogy sasany tamin'ity tantaram-pitiavana vaovao ity taorian'ny nahalasan'ny vadiny Ethel telo taona lasa izay.

Iran: Feon-kira Maitso hanohanana ny Hetsika Fanoherana

  03 Febroary 2010

Feon-kira iray ho an'ny finday izay mampirisika ireo tanora Iraniana handeha any amin'ny vava ady sy hitolona nandritra ny ady teo amin'ny Iran sy Iraka tamin'ny 1980 dia miverina indray ankehitriny ho firaisan-kina amin'ny fanoherana. Mitantara ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy momba io hira 'Ey Iran' io i Hamid Tehrani.

Haiti: Fomba fahitan'ireo tanora momba ilay horohorontany

  02 Febroary 2010

Na dia betsaka aza ny tatitra natao taorian'ilay horohorontany mirefy 7,3 nanimba ampahany betsaka tamin'ny renivohitr'i Haiti, nisy vondrona mpitoraka blaogy haitiana iray adinodino - ireo tanora. Ity misy topimaso kely amin'izay lazain'ireo tanora momba ity loza ity, izay nanokatra vanim-potoana iray vaovao teo amin'ny fiainan'izy ireo.

Iran: Mpitoraka blaogy roa ahiana hovonoina ho faty

  02 Febroary 2010

Any ambadiky ny "barreaux" noho ny fanamelohana mavesatra ireo mpitoraka blaogy Iraniana roa, izay mpiaro koa ny zon'olombelona. Mehrdad Rahimi sy Kouhyar Goudarzi dia voaheloka ho niantsy “ady tamin'Andriamanitra,” ary voatondro ho “Mohareb” (fahavalon'Andriamanitra). Mitovy ny nanamelohana ireo lehilahy roa novonoina tany Tehran tamin'ity herinandro ity ny nanamelohana azy ireo.

Global Voices any Haiti: Ny Ekipanay any an-Toerana

  02 Febroary 2010

Taorian'ny horohorontany tamin'ny 12 Janoary tany Haiti, nandefa ekipan'olon-droa any Port-au-Prince ny Global Voices mba hanampiana ny fitateranay vaovao momba ireo ezaka fanarenana, sy hanairana ny fandraisana anjaran'ireo any an-toerana amin'ny haino aman-jerin'ny olom-pirenena. Ireto ny antsipirian'ny tanjona iasan'i Georgia Popplewell sy Alice Backer.

Maraoka: Mitoraka blaogy momba ny fitorahana blaogy

  02 Febroary 2010

Ireo Maraokana, toy ny mahazatra, dia mitoraka blaogy, fa amin'ity indray mitoraka ity kosa dia momba ny…fitorahana blaogy! Amin'ity taona ity, loka roa no hatolotra ao amin'ny tontolon'ny blaogy: ny andiany fahatelo amin'ny Fifaninana isan-tanona Blaogin'i Maraoka [Maroc Blog Awards], izay nisarika ny mason'ireo media tato anatin'ny taoana vitsy, ary ny fifaninanana vaovao Loka ho an'ny Blaogy Maraokana Tsara indrindra [Best of Morocco Blog Awards] (na BOMBies).

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg