Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Marsa, 2022
Iza avy ireo atleta afrikàna mifaninana amin'ny Lalao Olaimpikan'ny Andro Ririnina ao Pékin 2022 ?
Na ohatra aza ka zara fa manana ranomandry, na tsy manana mihitsy, ny ankamaroan'ireo firenena ao amin'ny tanibe afrikàna, mametraka tontolo iray manasarotra ny fanomanana ireo Lalao Olampikan'ny Andro Ririnina, natrehan'ireo atleta afrikàna ny fanamby
Rakipeo: Ahoana no fomba fijerin'ny ilabolantany atsimo ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina
Inona no eritrerin’ny olona any amin'ireo faritra ireo momba ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina? Manantena ny governemantany hihetsika ve izy ireo sa tsia? Inona avy ireo fiantraikany maharitra?
Nahazo tsiny avy amin'ny olom-pirenena Shinoa i Hong Kong noho ny valan'aretina Omicron ao Shina
Satria mihamaro ny tanàn-dehibe Shinoa mametraka fepetra fanakatonana tsy misy COVID, mamely an'i Hong Kong, miampanga ny tanàna manontolo ho manaparitaka ny viriosy mankany Shina ny mpiserasera sasany.
Nahoana no mitsiriritra ny Okrainiana ny Uyghur
Tian'ny Uyghurs raha milaza amin'ny Okrainaina ny hoe: "Aza kivy miady, raha tsy izany, samy hiatrika fahafatesana mitovy aminay ianareo rehetra."
Ry zareo Rosiàna miha-manakaiky, milefa an'i Okraina kosa ry zareo Nepaley
Raha i Rosia manahi-bohitra ao Okraina, ireo Nepaley mpila ravinahitra kosa mandositra; ny sasany tsy naninona, saingy ankamantatra ny hoavin-dry zareo
Rahonan'ny masoivoho Rosiana ao Skopje horaiketina ireo tsy mitovy hevitra amin'ny fironana ofisialy an'i Kremlin, lazaina ho ‘Russophobes (mankahala Rosia)’
Ny masoivoho Rosiana any Makedonia Avaratra no hany tany Balkana namoaka indray ny fampitandremana avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana fa "voarakitra tsara an-tsoratra" ny tranga “Russophobia (fankahalana Rosiana)”.
#AfricansInUkraine (AfrikànaAoOkraina): Mpianatra izahay, tsy manana fitaovam-piadiana
Olona an'aliny maro no nifindra toerana noho ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia ao Okraina. Isan'ireny koa ireo Afrikàna am-pielezana izay tsy maintsy nihetsika nampiasa ny fomba tsy mahazatra no sady miatrika ny fanavakavahana ara-poko eny an-kianja
Miatrika hoavy manjavozavo ny Koala rehefa nampidirina tao anatin'ny lisitry ny biby tandindonin-doza
"Ny tena mahatonga ny fihenan'ny isan'ny koala dia ny fanesorana ny toeram-ponenany. Tsy misy vola afaka mamonjy koala raha tsy mamaha izany isika".
Nahoana no tsy nahomby ny fanondroana ny laingan'ady Rosiana ao amin'ny Weibo?
Miantehitra amin'ny fampielezan-kevitra Rosiana ho loharanom-baovao lehibe amin'ny vaovao momba ny krizy Okraina i Shina. Mandràra ny mpifanohitra Sino-Rosiana sy ny fanambarana manohitra ny ady ny torolalana momba ny sivana. Nalaza be ny fanoharana fitiavana telozoro.
Mitondra taratry ny fanantenana ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny ny boky fitsipi-pitenenan'ny teny Mro voalohany
Tamin'ity taona ity, zava-nisongadina tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny ao Bangladesh ny famoahana ny boky fitsipi-pitenenana voalohany nosoratana tamin'ny teny Mro, fiteny indizeny iray tandindonin-doza.