Ry zareo Rosiàna miha-manakaiky, milefa an'i Okraina kosa ry zareo Nepaley

Quatre photos de personnes tentant de fuir l'Ukraine.

Ireo Nepaley ao Okraina. Pikantsary natambatambatra, nosintonina avy tamin'ireo lahatsary an'i Ishwor Devkota. Sary nalaina tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.

Tao amin'ny Nepali Times no nivoaka voalohany ity lahatsoratra ity. Dika nasiam-panovàna sy nokiraina no naverina navoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana mifampizara votoaty amin'ny Global Voices. Novainay ny anarana mba hitazonana ny tsy fitononana anarana. 

Mankany amina pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato raha tsy asiana fanamarihana manokana.

Rehefa nahavita ny asany ny androtr'iny i Lorsque Govinda amin'ny maha-mpanatitra entana azy ka niverina tany amin'ny fonenany ao Kiev ny 24 Febroary 2022, feno antso tsy voarainy teo amin'ny findainy, ary hafatra avy amin'ny fianakaviany sy ireo nàmany mipetraka any Nepal. Fantany fa niharatsy ny toedraharaha; satria efa i Rosia no nameno ireo faritra sasany tao Okraina, nefa izy mbola sahirana be ka tsy nahatsapa akory hoe ady tena ady ilay nipoaka.

« Ireo fianakaviako mipetraka any Nepal indray no mahafantatra alohako izay mitranga,» hoy izy namaly anay tao amin'ny antso an-telefaona.

Toy ny maro amin'ireo Nepaley 4.000 mipetraka ao Okraina, tany am-boalohany i Govinda sy ireo namany dia nisafidy ny hiandry ny raharaha ho tonitony. Indrisy anefa, fantany fa tonga ny fotoana tsy maintsy hialàna rehefa nanomboka naneno ireo anjomara teny akaikin'ny fonenany, tsy lavitry ny seranam-piaramanidina iraisampirenena ao Kiev (Jouliany).

« Renay fa misokatra ny sisintany, araka izany, dia nanavo-tena izahay», hoy i Govinda; nefa lavitra azy ny hahazo sary an-tsaina izay miandry azy ireo any amin'ny sisintany.

Fiaran-dalamby iray feno hipoka no nandaozan'izy ireo an'i Kiev tamin'ny 7 ora hariva, tonga tao Lviv dia nandray fiarabe fitaterana, avy eo taxi iray no nanatitra azy ireo tany amin'ny 25 km miala ny sisintany, satria nisy fitohanana. Nandeha an-tongotra nandritra ny ora fito ry zareo, tanaty hatsiaka namanàla ary tamin'ny 6 ora hariva no tonga tao amin'ny sisintany. Tsy afaka nitondra ny kitapony hiaraka taminy ry zareo, ka dia navelany teny amoron'ny arabe ireny.

Tanatina zavatra niainana izay niverimberina im-betsaka tao anatin'izao fotoanan'ny krizy izao, tsy maintsy niandry 24 ora fanampiny ry Govinda sy ireo Nepaley hafa, niaritra hatsiaka tsy hay nozakaina, mba ho afaka miampita ny sisintany.

Rafitra manome tombony ny vehivavy sy ny ankizy ary ny zokiolona mba handeha mialoha ny rehetra no arahan-dry zareo Okrainiàna. Avy eo dia anjaran'ireo teratany vahiny avy amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna na ireo vahiny hafa, ary farany vao anjaran'ireo mpianatra na mpiasa afrikàna sy aziatika.

« Niaina fanavakavahana betsaka tokoa izahay,» hoy i Govinda manazava. « Reraka daholo ny olona, noana ary tsy tohinina. Samy niandry tamim-pahakiviana ny handositra. Saingy azo lazaina ho nanana vintana ihany, satria ny olona sasany mbola niaina zavatra ratsy lavitra noho ny anay. Tena niraiki-po fatratra tamin'i Okraina aho, ary tena nahavaky fo ahy ny nahita ny zavatra nodiavin'ny olona tany.»

Teny amin'ireo toerana fisavàna an-tsisintany tao Przemyśl [fr] amin'ny lafy pôlôney, nolavin'ireo sampan-draharaha misahana ny fifindramonina ny fidirana ao Pôlônina ho an'ireo olona tsy nianana ‘visa’. Saingy arakaraky ny nahabetsaka ny olona, nilefitra ry zareo ary nanome ‘visa’ fidirana manana faharetana iray volana.

« Firenena iray mahay mandray olona sy tsara fanahy i Pôlônina, nanome sakafo ho anay ny mponina ary nitarika any hatrany amin'ny renivohitra,» hoy i Govinda.

Tamin'ny fotoana naha-tafahitsoka an'i Govinda sy ireo Nepaley sasany tao amin'ny sisintany, naharay antso avy amin'ireo Nepaley tafahitsoka tany amin'ny sisintany i Ishwor Devkota, mpikambana ao amin'ny NRNA (Fikambanan'ireo Nepaley tsy mponina maharitra), ary nandray fiara nandeha nandritra ny ora fito ho any amin'ilay toerana fisavàna ao Przemyśl. Ambony ambany tanteraka ny tao, ary tsy nahitam-bokany izay rehetra ezaka natao handresena lahatra ireo Pôlôney mpiambina mba hamela ireo Nepaley hivoaka.

« Tamin'izany fotoana izany, tsy nisy na inona na inona azo natao, dia niverina tamin'ny tànam-polo izahay,» hoy i Ishwor Devkota, talen'ny trano fisakafoanana Nepaley Namaste ao Wrocław.

Ny dimy andro nanaraka an'io, nihoatra ny 200 ireo Nepaley nahavita nandositra an'i Okraina ary tonga tao Varsôvia, izay toerana ikarakaran'i NRNA azy ireo. Vehivavy ny marobe tamin'izy ireo.

« Nanofa trano iray fatoriana izahay ary nampiasa ireo fanomezana azo mba hikarakaràna ireo Nepaley mpiray tanindrazana, saingy mety hitarazoka ity ady ity, ary tsy maintsy mitady tetika ho an'ny fotoana maharitra izahay,»hoy i  Ishwor Devkota tamin'ny telefaona, niangavy ny governemanta ao Katmandou hirotsaka an-tsehatra faran'izay haingana.

Toa hoe efa an-dàlana any i Ram Kaji Khadka, masoivohon'i Nepal ao Alemaina, ho any amin'ireo sisintany okrainiàna mba hitondra ny fanohanany ho an'ireo Nepaley mbola tafahitsoka foana any ambadika. Raha efa tsy ampy sakafo sy vola ireo mpialokaloka tafahitsoka ireo, dia niantso ireo Nepaley sasany mbola mihitsoka ao Okraina hilazàn-dry zareo fa matahotra ny hiharan'ny fandrobàna ry zareo.

Manodidina ny ampolony ireo Nepaley no nahavita ihany koa nankao Slôvakia. Nakaton'i   Jaya Prasad Siwakoti, mpikambana ao amin'ny kaomity eorôpeàna misahana ny famonjena ao amin'ny NRNA, ny trano fisakafoanany ao Bratislava mba hanomezana sakafo sy hampiantranoana azy ireo. Mihoatra ny 70 ihany koa ireo Nepaley niampita ny sisintany mba ho any Romania.

Ao Okraina, milaza ireo Nepaley mbola tavela ao an-toerana hoe matahotra hahita ny tanàna hiharan'ny fananihan'ny Rosiàna ry zareo. Mpianatra ny maro amin-dry zareo, raha ny hafa kosa indray mpiasa, toa an'i Govinda.

« Nahavita nandositra tsy nisy nanohintohina aho, saingy ankamantatra ny hoaviko,» hoy i Govinda niresaka an-telefaona tamin'ny Nepali Times. « Toa tsy safidy ho ahy ny hiverina any Nepal avy hatrany. Ankoatra izay, nangatahan'ny masoivoho izahay hividy amin'ny herin'ny tenanay ny tapakila hodiana. Hanandrana ny hiasa aloha mandra-piandry an'izany.»

Namoaka NPR 800 000 (eo amin'ny 5.900 euros) i Govinda ho karaman'ny olona iray hitarika azy ho any Eorôpa, ary izany dia mba handehanana ho any Okraina. « Tsy mbola nandre velively momba an'i Okraina aho talohan'izay, ary tena hitako hoe tsy ratsy rehefa nojereko tao amin'ny Google. Eorôpa dia hijanona ho Eorôpa hatrany, ary izay no zavadehibe ho ahy,» hoy izy mahatsiahy.

‘Visa’ maha-mpianatra no nidirany ho ao Okraina, hianatra tenim-pirenena, nefa fialàna olana fotsiny izany mba hahafahany miditra ao amin'ilay firenena. Avy eo natsahany ny fianarany tenim-pirenena, ary nanomboka niasa izy tao amina toerana iray fisakafoanana ao Shawarma, ary nony farany niova asa ho mpanatitra entana izy, izay nandraisany 500 dôlara (eo amin'ny 450 euros) isambolana.

Prakash dia Nepaley iray hafa nahavita ihany koa nankao Varsôvia. Nomarihany taminay fa, hatreto, dia faly fotsiny izy afaka nandositra ny faritra misy ady ao Okraina. « Amin'izao ora izao, miaina araka izay mitranga eo fotsiny, ary manandrana mitsapa ny toedraharaha sy miasa rehefa afaka manao izany izahay.»

Niasa tao Malezia aloha i Prakash, avy eo rehefa nanana tahiry, dia nandoa NPR 1.4 tapitrisa (eo amin'ny 10.400 euros) ho an'olona iray mpampita hitondra azy ho any Eorôpa. Kanefa, vantany vao tonga tao Okraina, tonga saina izy fa tsy ho azony hidirana ny ao Eorôpa Atsinanana. Nandray 800 dolara (eo amin'ny 730 euros) isambolana izy no sady manonitra ny trosany.

Nampiany hoe « na hiverina any Nepal aza izy, tsy maintsy hifindra monina indray mba hahafahana manefa ny trosany.»

Mba hahafantarana  misimisy kokoa momba ity lohahevitra ity, tsidiho ny fandrakofanay manokana ny fananihambohitra rosiàna ao Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.