Nahoana no tsy nahomby ny fanondroana ny laingan'ady Rosiana ao amin'ny Weibo?

Nanaraka ny mpiara-dia aminy Rosiana ny fampahalalam-baovao Global Times tohanan'ny fanjakana Shina tamin'ny fizarana ny tatitra namboamboarina momba ny fandosiran'ny filoha Okraina Zelensky. Sary nalaina avy amin'ny pikantsarin'ny siokan'i Austin Ramzy.

Nivadika tanteraka ho raharaha iraisam-pirenena ny dinika tao amin'ny sehatra media sosialy Shinoa, Weibo, taorian'ny nanasoniavan'ny filoha Rosiana Vladimir Potinina ny didim-panjakana roa manamafy ny fahaleovantenan'ny faritany roa ao Okraina tamin'ny 21 Febroary. Nanomboka nampiasa ny sehatra ireo solontenam-panjakana vahiny maromaro mba hanambara ny fijeriny sy haneho ny ahiahiny.

Tamin'ny fikasana hanondro ireo propagandy Rosiana liana ady nivezivezy tao amin'ny media sosialy Shinoa, nanomboka nanondro ireo vaovao sandoka tao amin'ny Weibo ny biraon'ny Vaomiera Eoropeana Shina (EU Shina) tamin'ny 4 Marsa. Na izany aza, tsy dia nisy vokany firy ilay ezaka.

Nanambara ny fandraràna ny fampahalalam-baovao tohanan'ny fanjakana Rosiana, Russian Today (RT) sy Sputnik tamin'ny 2 marsa 2022 ny Vondrona Eoropeana, ho setrin'ny “lainga manapoizina manamarina ny adin'i Potinina“, araka ny nofaritan'ny filohan'ny Vondrona Eoropeana von der Leyen.

Raha efa fantatry ny tontolo tandrefana ny fampielezan-kevitra Rosiana momba ny ady, ny vaovao sandoka mampiseho ny governemanta Okrainiana ho mpampihorohoro sy mpanohana Nazi kosa nitohy nivezivezy tany amin'ny tontolo miteny shinoa amin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovaon'i Shina tanibe izay miantehitra mafy amin'ny RT sy Sputnik ho loharanom-baovao lehibe amin'ny vaovao momba ny krizin'i Okraina.

Nahasanganehana ny maro tao amin'ny Twitter ny fomba nanarahan'ny haino aman-jerim-panjakana Shina ny mpiara-dia aminy Rosiana amin'ny fanaparitahana vaovao sandoka. Naneso ny fakàn'ny Global Times ny tatitry ny Sputnik momba ny fandosiran'ny filoha Okrainiana Volodymyr Zelensky i Austin Ramzy, mpanao gazety ao amin'ny New York Times:

Ataovy adala indray mandeha aho, ataovy adala fanindroany, endrika fanontana fifandraisana amin'ny haino aman-jerim-panjakana Rosia/Shina

Li Yuan, mpanao gazety iray hafa ao amin'ny New York Times, nanasongadina ihany koa ny fomba nandraisan'ny besinimaro an'i Shina nandray ny fitantarana Rosiana fa natao iadiana ilay antsoina hoe “fasisma Okrainiana” ny ady:

Raha ny momba ny fampahalalam-baovao, mpifehy tena ny governemanta Shinoa. Saingy taorian'ny nanafihan'i Rosia an'i Okraina, navelan'i Shina ny milina fampielezan-kevitr'i Kremlin hanampy amin'ny famolavolana ny fomba fijerin'ny vahoaka ny ady. Ny vaovao farany avy aty amiko momba ny RT sy Sputnik any Shina

Raha nanara-dia akaiky ny krizy any Okraina tao amin'ny Weibo ny mpiserasera Shinoa, dia nanararaotra nanomboka nandefa tatitra Shinoa FactCheck (Fanamarinana ny Zava-misy) momba ny krizy any Okraina ny EU China tamin'ny fampiasana ny tenirohy #resakamanerantany (#共話全球), vaovaodiso (#虛假訊息), fanamarinanazavamisy (#事實核查) ary manohanaaniOkraina (#支持烏克蘭).

Hatreto dia misy filazana diso enina noresahin'ny EU China tamin'ny alàlan'ny kaontiny Weibo:

  1. Mikasa hanao fanafihana fampihorohoroana maromaro any Donbas sy Rosia i Okraina (izay hamono sy handratra sivily marobe). 
  2. Manao fandripahana ny mponina miteny Rosiana any amin'ny faritra atsinanana i Okraina.
  3. Manao habibiana ao Donbas ny miaramila Okrainiana.
  4. Vokatry ny firaisankina tandrefana ao Okraina izay manohana ny hetsika ara-tafika mahery vaika ataony ny krizy. Miaro ny tombontsoany ara-dalàna i Rosia ary tsy tompon'andraikitra amin'ny ady.
  5. Ny OTAN sy ny Tandrefana no nahatonga ny krizy, raha mampanantena izy ireo fa tsy hanitatra ny heriny, dia tsy hahatsiaro ho voarahona i Rosia.
  6. Vokatry ny fanitarana ny OTAN, voahodidin'ny fahavalo i Rosia ary noho izany dia mila miaro tena.

Na izany aza, nahasarika fanafihana marobe ihany ny tatitra FactCheck . Nanakiana ny famaritana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Xinjiang ho fandripahana ny Uyghur nataon'ireo firenena tandrefana ny fanehoan-kevitra malaza indrindra tao amin'ny taria [randram-baovao]. Ohatra, nahazo tiako maherin'ny 10.000 ity fanehoan-kevitra manaraka ity:

你们在中国新疆制造假新闻,还在中国社交媒体散布不实信息竟然为纳粹政权辩护,我替你们设计了一面新旗帜

Namorona vaovao momba an'i Xinjiang ianareo vahoaka ary ankehitriny manaparitaka vaovao diso amin'ny media sosialy Shinoa mba hiarovana ny governemanta Nazi, nanamboatra saina vaovao ho anareo aho.

Nametraka ny kisary Nazi eo afovoan'ny sainam-pirenena misy kintana Eoropeana ity Shinoa mpiserasera ity.

Marihina fa tamin'ny 3 Marsa, namoaka toromarika ny manampahefana Shinoa misahana ny fampielezan-kevitra mba “hampihena ny maripana amin'ny fihetseham-pon'ny vahoaka manoloana ny ady Rosia-Okraina” (tamin'ny alàlan'ny China Digital Times). Indrindra indrindra fa nasaina nanala votoaty manohitra ny fanambarana ofisialin'ny governemanta Shinoa sy ny politikan'ny raharaham-bahiny ny sehatra an-jotra, manoloana ny fifanoherana Sino-Rosiana amin'ireo votoaty manimba hafa toy ny fanambarana ampahibemaso manohitra ny ady.

Miharihary fa mifanaraka amin'ny fironana ofisialin'ny governemanta Shinoa ny fihetsiky ny mpiserasera Shinoa tamin'ny tatitra FactCheck an'ny EU China, izay nilaza tamin'ny 4 Marsa fa i Etazonia no loharanon'ny fandisoam-baovao momba ny krizy any Okraina:

Tsy afaka manafina ny andraikitry ny #US (Etazonia) manokana ny fanaparitahana vaovao diso.

Raha ny marina, hatramin'ny niandohan'ny ady, ireo fampahalalam-baovao Shinoa tohanan'ny fanjakana no nanome tsiny ny OTAN noho ny hetsika mahery setran'ny Rosiana, araka ny nasongadin'ny Kaonsilà Jeneralin'i Shina tao Belfast, Zhang Maifang tao amin'ny Twitter:

Manoso-potaka an'i #China tamin'ny resaka #Ukraine ny firenena sasany . Fihatsarambelatsihy tanteraka ny famoronana tsaho mba hialana amin'ny andraikitry ny tena manokana. Mampiharihary ny tena anton'ny fanararaotana ny krizy ho an'ny tombotsoany ny fanaparitahana vaovao hosoka.

Ankoatra ny fitantarana ofisialy, niparitaka tao amin'ny media sosialy Shinoa ny fanazavana malaza kokoa momba ny krizy any Okraina, toy ity tetika telozorom-pitiavana miely patrana manaraka ity:

二十年前乌克兰与前夫(俄罗斯)离婚,几个孩子归乌克兰,前夫对她也很够意思,给了不少钱和不少地盘。之后前夫俄罗斯还替她还清了两千多亿的债务。摆脱了前夫她开始与恶棍(漂亮国)以及一些西方国家眉来眼去!这倒也罢,她居然联合漂亮国以及一些西方国家对前夫展开围攻。前夫肯定非常生气,于是硬抢回一个孩子~克罗米亚!于是她开始怀恨,想嫁给北约家族,仗势打压前夫。然而恶棍漂亮国并不想娶她,只是玩弄她感情,只想利用她来欺负她前夫。她还经常对另外两个孩子(卢干斯克和顿涅茨克)动不动就拳脚相加,逼得这两个孩子天天哭着找爹诉苦。…前夫忍无可忍,终于忍不住了带着武器装备找上门去…

Roapolo taona lasa izay, nisaraka tamin'ny vadiny taloha (Rosia) i Okraine teo aloha. Teo ambany fiahian'i Okraina ny zanak'izy ireo. Nomen’ilay vadiny teo aloha vola be sy tany ary nandoa ny trosany an-davitrisany izy. Na izany aza, nanomboka nihantona sy nisangisangy tamin'ny jiolahim-boto (ilay firenena mahafinaritra [ny Etazonia]) sy ireo firenena tandrefana hafa i Okraina. Ny tena ratsy dia niara-niasa tamin’izy ireo izy mba hanafika ny vadiny taloha. Tezitra mafy ilay vadiny taloha ka naka indray ny iray tamin'ireo zanany – Crimea! Tezitra izy ka te hanambady an'ny OTAN mba hampijaly ny vadiny taloha. Saingy tsy te hanambady azy anefa ilay jiolahy tsara tarehy fa te hampiasa azy hanaratsiana ny vadiny taloha. Niady tamin'ireo zanany roa hafa (Luhansk sy Donbas) koa izy, nitomany teo anatrehan'ny dadany izy ireo… tsy nahazaka intsony ilay vadiny taloha ary nandondòna teo am-baravaran'ny ramatoa vadiny taloha niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana teny an-tanany…

Tena manintona tokoa ireo tsy manao politika sy manana toe-tsaina mpandala ny nentin-drazana ity fanoharana fitiavana telozoro ity, izay tsy azo tsinontsinoavina amin’ny alalan’ny fizahana ny zava-misy. Niteraka savorovoro an-jotra ihany ny fampitahana, izay manamarina ny fanafihan'ny Rosiana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy, taorian'ny nanondranan’ny sasany tamin'ireo mpitarika hevitra mpomba an'i Beijing izany tany Hong Kong .

Ao anatin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao voahodinkodina toy izany, mbola nofinofy tsy azo ihodivirana ny fandraisana andraikitra hanokafana fifanakalozan-dresaka manerantany tena izy ao amin'ny Weibo.

Raha hijery fampahalalam-baovao bebe kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny fitantarana manokana ataonay momba ny Rosia manafika an'i Okraina.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.