Nahazo tsiny avy amin'ny olom-pirenena Shinoa i Hong Kong noho ny valan'aretina Omicron ao Shina

Nilahatra hanao fitiliana PCR ny mponina ao Shanghai. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube an'ny SCMP.

Satria mihamaro ny tanàna Sinoa mametraka fepetra fihiboana araka ny politika aotra-COVID, misy ireo mpiserasera sasany manome tsiny an'i Hong Kong, miampanga ny tanàna manontolo ho nanaparitaka ny viriosy tany Shina.

Nisy fiantraikany tamin'ny tanàna roapolo mahery ny onjan'ny areti-mifindra ankehitriny, ary avy amin'ny faritany avaratra atsinanana Jilin ny ankamaroan'ny tranga. Tanàna maromaro no nihiboka, anisan'izany i Shenzhen sy Shanghai, milina roa lehibe amin'ny fitomboana ara-toekarena ao amin'ny firenena.

Nanidy distrika maro be i Shanghai, foibe ara-bola any Shina ary koa nanidy ny sekoly rehetra taorian'ny tranga fifindrana 169 tao an-toerana fantatra tamin'ny 13 martsa.

Nametraka fihiboana manerana ny tanàna nandritra ny fihodinana telo amin'ny fitiliana tsy maintsy atao eo anelanelan'ny 14-20 martsa taorian'ny tatitra momba ireo tranga 86 i Shenzhen, tanàna seranan-tsambo sy foibe teknolojia mifanila amin'i Hong Kong, izay misy mponina 17 tapitrisa.

Manerana ny sisin-tanin'i Shenzhen, miatrika ny fara tampon'ny fihanaky ny Omicron i Hong Kong, izay tranga an'aliny maro no fantatra isan'andro, saingy tsy mbola nampihatra ny fihibohana fomban'ny Shinoa tanibe na fitiliana tsy maintsy atao ny tanàna. Tamin'ny 13 martsa 2022, tranga vaovao 32.000 mahery isan'andro no fantatra ary nahatratra 10 isan-jaton'ny mponina ao an-tanàna ny fitambaran'ny tranga.

Na dia saro-pady ara-politika aza ny mitsikera ny fihibohana sy ny politika aotra-COVID hafa ao Shina, namoaka ny fahatezerany tamin'i Hong Kong ny sasany tamin'ireo mpiserasera Shinoa.

Niparitaka tao amin'ny Weibo sy WeChat ny andiana sary tora-pasika feno olona tsy misaron-tava rehefa nanambara ny fihibohana mandritra ny herinandro i Shenzhen. James Griffiths, Mpampita-vaovao Azia ao amin'ny fampahalalam-baovao Kanada, Globe and Mail, nizara tao amin'ny Twitter ny fahitany ny adihevitra Shinoa tanibe momba ny sary tora-pasika tao amin'ny Weibo:

“Ny tora-pasika ao Hong Kong androany, mandritra izany fotoana izany dia vao avy nandràra ny fisakafoana anaty trano (fisakafoana) i Shenzhen.”

Mitombo ny fanoherana an'i Hong Kong rehefa mihamaro ny tanàna sinoa miditra amin'ny fihibohana na manomboka fitiliana faobe mandritra ny fihanaky ny Covid.

Avy amin'ny tati-baovaon'ny fampahalalam-baovao an-jotra HK01 an'i Hong Kong mpomba an'i Beijing  momba ireo mponin'i Hong Kong sasany manararaotra ny andro mafana mitanin'andro eny amin'ny tora-pasika mihidy mandritra ny faran'ny herinandro ireo sary tora-pasika ireo. Niteraka hatezerana tao amin'ny Weibo ireo endrika falifaly tao amin'ny sary, toy ny:

既然命都不要要他们媚西方,还养不大的逆子,还有要养的必要?还要以牺牲深圳的代价养逆子真的没必要,就当自己逆子自己死去吧,再养没有意义,只会反咬当西方的🐶

Misafidy ny hidera ny tandrefana amin'ny fiainany ireo [mponin'i Hong Kong] , nahoana isika no mbola mitaiza zanaka tsy manaja toy izany? Nahoana isika no manao sorona an'i Shenzhen mba hitaizana ny zanaka tsy manaja? Avelao ho faty izy sao ho lasa alika mihazakazaka any Andrefana.

能不能先把香港封了?尼玛一堆人偷渡,我们深圳封城了,他们还在出去游玩,去沙滩?我真的越来越不喜欢香港,凭什么大陆要为你们无知买单???哪里来的优越感? ​

Nahoana no tsy afaka manidy an'i Hong Kong fotsiny isika? Ho any amin'ny helo ireo mpanondrana an-tsokosokon'izy ireo. Mihidy i Shenzhen ankehitriny ary afaka mivoaka sy milalao eny amoron-dranomasina izy ireo. Tena tsy tiako i Hong Kong, nahoana i Shina Tanibe no tsy maintsy manefa ny fahadisoanao? Avy aiza ny fiamboniana toy izany?

Tao anatin'ny tapa-bolana lasa izay, niely tao amin'ny media sosialy Shinoa ny teorian'ny tsikombakomba milaza fa ninia nanaparitaka ny Omicron tany Shina i Hong Kong. Mifototra amin'ny tatitra ilay teoria fa nisy ireo olona sasany niampita tsy ara-dalàna avy any Hong Kong nankany amin'ny tanibe Shina tamin'ny volana febroary, nandritra ny fiandohan'ny firongatry ny Omicron tany Hong Kong.

Olom-pirenena Shinoa amin'ny tanibe ireo olona ireo izay niditra an'i Hong Kong tamin'ny alàlan'ny fantsona tsy ara-dalàna ary voatery niverina an-tsokosoko tany amin'ny tanibe Shina.

Nanapa-kevitra i Hong Kong tamin'ny voalohany fa hanao fitiliana faobe tsy maintsy atao miaraka amin'ny fepetra fanakatonana henjana amin'ny tapaky ny volana martsa. Na izany aza, miato ny drafitra ankehitriny satria tsy manana fahafahana hanao fihibohana ireo olona tratry ny aretina ny tanàna taorian'ny firongatry ny tranga tamin'ny fiandohan'ny volana martsa.

Nilaza ny Lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong, Carrie Lam fa “mbola malaza” ny fitiliana manerantany tsy maintsy atao. Na izany aza, tsy miankina amin'ireo mponin'i Hongkong tsotra ny fampiharana ny drafitra, araka ny nampahatsiahivin'i Johnson Yeung ireo Shinoa mpiserasera ao amin'ny Twitter:

Manome tsiny an'i #HongKong ho nanaparitaka ny COVID ny mpiserasera Shinoa sasany ary niteraka fanakatonana manerana ny tanàna sy fitiliana faobe ho an'ny vahoaka 17 tapitrisa izany. Eny, afaka maneho ny fankahalana izy ireo saingy tiako ny mampahafantatra ny zava-misy marina: Mitranga izany taorian'ny “Tia Tanindrazana nitantana an'i Hong Kong”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.