Hay Tena Kely Tokoa Ity Izao Tontolo Izao Ity : Fandraisampeo Mankany Amin'ny Lalina

Raha sambany ianao mihaona amin'ny olona avy any amin'ny firenen-kafa na miteny amin'ny fiteny izay tsy anao manokana izy ireo, dia mety mieritreritra ianao fa lehibe tokoa ny fahasamihafana noho ny zavatra itovizanareo. Kanefa raha miaraka ao anatin'ny fotoana fohy ianareo, dia ho hitanao fa maro kokoa noho izay noeritreretinao tamin'ny voalohany ny zavatra itovizanareo.

Zava-dehibe ity fifandraisana manerantany ity satria mifanamby amin'ny finoantsika, mampisokatra bebe kokoa ny fomba fijerintsika, ary mampahatsiahy antsika fa hay tsy kely fotsiny tokoa ity izao tontolo izao ity.

Amin'ity fizaran-tantara Mankany Amin'ny Lalina ity, hojerenay akaiky ato amin'ny fandraisampeo Global Voices ny mikasika ny lohahevitra iray izay tsy hita amin'ny fampitam-baovao mendrika azy, mandalina any amin'ny fifandraisana manerantany.

Mifampiresaka amin'ny mpandray anjara miisa dimy ato amin'ny Global Voices izahay izay mampahatsiahy ny fotoana fohy nahatsapan'izy ireo ny fifandraisana tamin'ny olona mihoatra ny sisintany sy amin'ny fiteny samihafa. Miresaka ny fitoviana misy eo amin'ny Grika sy ny Tiorka i Veroniki Krikoni; manazava i Tori Egherman fa ny fandehanany an-tongotra no nanamafy fitiavany ny kolontsaina iraniana; mahatsiaro ny nandresen'ny fitiavana mozika ny tsy fisian'ny fifanakalozan-dresaka nandritra ny diany tany ambanivohitr'i Shina i Violeta Camarasa; miresaka ny fotoana niasany niaraka tamin'ny olona manerana izao tontolo izao tao Londres i Adriana Macias; ary manao jery todika ny zavatra niainany tao amin'ny tanànakely iray teto Madagasikara i Joey Ayoub .

Fisaorana manokana ho an'i Kat Batuigas, izay nanampy anay tamin'ny famokarana ity fizaràna ity.

Amin'ity fizaran-tantara ity, asongadinay ireo hira manana lisansa Creative Commons avy ao amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaimpoana [malalaka], ka anisan'izany Bir Demet Yasemen avy amin'i Turku, Nomads of the Silk Road (CC BY 4.0); ny hira Ray Gun – FasterFasterBrighter (CC BY-NC 4.0) sy Discovery Harbor avy amin'i Blue Dot Sessions (CC BY-NC 4.0); Rite of Passage avy amin'i Kevin MacLeod (CC BY 3.0); Make a Life (Instrumental) avy amin'i Nick Jaina (CC BY-NC 3.0); Terminal Two avy amin'i Cory Gray (CC BY-NC 3.0); ary Pieces of the Present avy amin'i Scott Gratton (CC BY-NC 4.0).

Avy amin'ny mpisera Flickr Jonas Bengtsson ny hajiantsary Soundcloud, CC BY 2.0 .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.