Nataon'ny artista ho lasitra hisiam-piovana nandritra ity 2015 ity izao tontolo izao

Photo by Tobias Abel. CC BY-ND 2.0

Sary avy amin'i Tobias Abel. CC BY-ND 2.0

Fiteny afa-miako manerana ny firenena sy kolontsaina maro ny zavakanto, ary avy amin'izany, nandray ny borosy fandokoana sy ny fakantsariny hiasa firaisankiana, hanohitra ary hampieritreritra ry zareo artista nandritra ny taona 2015.

Nitondra anao nitety izao tontolo izao ny mpanoratra tato amin'ny Global Voices tamin'ity taona ity nitatitra ireo tantara manome aingam-panahy hamoron-javatra. Koa satria efa mihamanatona ny taona vaovao, dia andao hitamberina amin'ny 16 amin'izy ireny isika.

1. Però

Peròviana tanora iray nahazo ny fon'ny olona tato amin'ny aterineto [mg] tamin'ireo fampisehoana hira fanta-daza nadika ho amin'ny tenin-teratany Quechua.

2. Ejipta

Tamim-pientanentanam-pifaliana [mg] no nanamboaran'ny Ejipsiana indray ny “hiram-pirenena” ISIS ho lasa fandihizana hanesoesoana ilay vondrona mitam-piadiana maherisetra.

3. Kroasia

Tao Kroasia, “nomen'ny” [mg] mpikaroka anaram-behivavy nanana anjara toerana teo amin'ny tantara ny lalana miisa 150 eo ho eo tamin'ny alalan'ny fampiasana taratasy mirefy A4 na A5 ho fampahatsiarovana na dia nifidy ny filohany vehivavy voalohany aza ny firenena, mbola maro no tokony hovitaina eo amin'ny resaka zon'ny vehivavy.

Photo: a street sign renamed after Vesna Parun, a Croatian poet Credits: Marinella Matejcic

Anaran-dalana vaovao nomena an'i Vesna Parun, poeta Kroaty.
Loharano: Marinella Matejcic

4. Hong Kong

Lasa lasitra fanaovana fitakiana ara-tsosialy sy politika ny valopy fanao isaky ny Taombaovao manara-bolana ao Hong Kong. Misy andiam-balopy manasongadina sarina avana [mg] ho fanohanana ny fankatoavana ny LGBT, raha misy indray ny andiany hafa nampidirana elo mavo [mg] ho fanomezam-boninahitra ilay lazaina ho “Revolisionan'ny elo” nanaovana fihetsiketsehana nitakiana tamin'ny governemantan'i Beijing sy Hong Kong am-bolana maro ny fahafahan'ny olom-pirenena manendry kandidà hofidiana ho filoha faratampon'ny tanàna.

A set of yellow umbrella red envelopes distributed by Um dot dot dot.

Andiam-balopy mena nahitana elo mavo nozarain'i Um dot dot dot.

5. Brezila

Lasa fitaovana ny amboradara ho an'ny vehivavy ao Brezila hanehoany ny loniloniny amin'ny herisetra ataon'ny orinasan'angovo mitady hanambaka ireo fiarahamonina (fokonolona) ao an-toerana amin'ny harena voajanahary ananan'izy ireo.

Art made by Brazilian cartoonist Vitor for the arpilleras project. Image: Arpilleras: Bordando a resistência/Facebook.

Zavakanto nataon'ilay Breziliana mpanao sariitatra Vitor ho an'ny tetikasa arpilleras. Sary: Arpilleras: Bordando a resistência/Facebook.

6. Yemen

Tavela teo amin'ny fampahafatarana fotsiny ny voina nateraky ny ady ao Yemen ary mihamitombo ny lonilony eo amin'ny mpiray tanindrazana. Nampiasa ny talentany [mg] hamoron-javatra mampiroborobo ny hafa-piraisankina ao anatin'izany fotoana mamaivay izany ny Yemenita artista.

https://www.facebook.com/photo.php?fbid=10153594935751509&set=a.10151232797531509.488025.667161508&type=1&theater

Kanto an-drindrina ao Sana'a ahitana ny sainam-pirenen'i Yemen avy amin'ny vakim-pitaratry ny trano nodarohan'ny vondrona tarihin'i Arabia Saodita an'habakabaka.

7. Gaza

Mbola teo am-pitsimponana ny sombim-piainany ny Gazaita taorian'ny fanafihana nandritra ny asara [andro mafana] 2014 nataon'i Isiraely izay nahafatesana Palesitinianina mihoatra ny 2000. Ny artista avy amin'ny Fanjakana Mitambatra UK Kerry Beall no nanapa-kevitra handoko ny sarintavan'ireo namoy ny ainy.

Portraits of Gaza's victims by Kerry Beall

Sarintavan'ireo lasibatra tao Gaza nolokoin'i Kerry Beall

8. Meksika

Sary an-drindrina goavana dia goavana nolokoina tamin'ny lasitra fandokoana [mg] ahitana trano 200 tao Pachuca, Hidalgo, Meksika, no nahafahana namoronana asa, nampihenana ny herisetran-jatovo ary nampidirana ny fanahy iraisan'ny fiarahamonina ao an-tanàna mitolona isan'andro.

Las Palmitas and the “macro mural” in its final stage. Photo taken with permission from the Germen Crew collective's Facebook page.

Las Palmitas sy ny “kanto an-drindrina goavana dia goavana” eo amin'ny dingana famaranana. Sary nalaina nahazoana alalana avy amin'ny pejy Facebook fiarahana Germen Crew.

9. Amerika Latinina sy Italia

Na dia misy ranomasimbe aza manasaraka an'i Amerika Latinina amin'i Eoropa, toerana andosiran'ireo andiam-pitsoa-ponenana maro dia maro, dia nisy fampirantiana iray tao Italia [mg] nanasongadina ny sangan'asan'ireo artista Amerikana Latinina mampiroborobo ny fangorahana ho an'ireo mpialokaloka sy mpifindramonina.

Exposition of migrant art on immigration. Photo used with permission. Photo courtesy Progetto 7LUNE.

Fampirantiana ireo kanto miresaka mpifindramonina. Sary nahazoana alalana. Sary nampindramin'i Progetto 7LUNE.

10. Madagasikara

Ny sarimihetsika “Ady Gasy” nandrakitra ny karataky ny vahoakan'i Madagasikara [mg] hiadiana amin'ny fahantrana, hanoanana ary tondra-drano amin'ny alalan'ny famadihana ny kodiarana tonta ho lasa kapakapa sy ny kapoaka foana ho lasa kilalao.

11. Singapaoro

Edwin Koo, mpakasary no nanapika sary ny sehatra mpitranga isan'andro amin'ny fitaingenana [mg] fitateram-bahoaka hipoka dia hipoka ao Singapaoro:

…the photos of Transit are not acts of self-gratification, not weapons of malice, and definitely not tools of instantaneous incrimination. They are a collective portrait of the society that we live in today.

…Sarim-pifindrana tsy natao ho fankaherezan-tena, tsy fiadian'ny fanaovan-dratsy, ary tsy fitaovana fimenomenonana eo noho eo. Sarintava iraisan'ny fiaraha-monina iainantsika ankehitriny ireo.

Photo by Edwin Koo. Used with permission

Sary avy amin'i Edwin Koo. Nahazoana alalana

12. Bangladesh

Tao Bangladesh, nandrehitra fankahalana tonga hatramin'ny fahafatesan'ireo lazaina ho tsy mpino an'Andriamanitra ireo eksitiremista ara-pivavahana. Blaogera lahika sy mpanatanteraky ny trano famoahana (pirinty) efatra no maty nisy namono tamin'ny taona 2015 fotsiny. Na dia lalaina ao amin'ny lalampanorenana aza ny fahalalahana haneho hevitra ary fanjakana lahika i Bangladesh, dia kely ny hetsika ataon'ny governemanta hanakiviana [mg] ireny fanafihana ireny na itondrana ny mpamono olona eny amin'ny fitsarana.

Eo anatrehan'izany fivoaran-draharaha manafintohina izany, dia nataon'ny Bengalis ao Bangladesh ho fotoana manokana hiadiana amin'ny tsindrim-piarahamonina sy ny fandraisana an-tendrony ara-pivavahana manana ny lohahevitra manao hoe  “Onek Alo Jaalte Hobe Moner Ondhokare” (mandrehitra hazavana maro anatin'ny haizin'ny fo) ny fankalazan'izy ireo ny Taombaovao marevaky ny loko isankarazany [mg].

People celebrating Pahela Baishakh at Mangal Shobhajatra (Rally), a procession organised by Dhaka University’s Faculty of Fine Arts to welcome the Bengali new year. Image by  Sourav Lasker. Copyright Demotix (14/4/2015)

Olona nankalaza ny andron'ny Pahela Baishakh tao Mangal shobhajatra (Famoriam-bahoaka), hetsika nokarakarain'ny Departemantan'ny Zavakanto ao amin'ny Oniversiten'i Dhaka handraisana ny Taombaovaon'ny Bengali. Sary avy amin'i Sourav Lasker. Fizakàmanana Demotix (14/4/2015)

13. Orogoay

Mpakasary iray ao Orogoay no nampifantoka ny asany amin'izay tian'ny sasany ao amin'ny firenena hohadinoina aza — dia ireo nanjavona nandritra ny didijadona. “Zavatra iray mety ilain'ny sasany ny fahatsiarovana, saingy mety ho zavatra tian'ny hafa hotsipahana ihany koa,” hoy izy.

One of Miradas Ausentes pictures in Montevideo | Photo: Juan Urruzola/Reproduced with permission

Iray amin'ny sarin'i Miradas Ausentes tao Montevideo. Saripika: Juan Urruzola. Nahazoana alalana

14. Filipina

Artista Filipino Federico Boyd Sulapas Dominguez no nandoko ny tolona [mg] ataon'ny vahoaka teratany ao Filipina hanoherana ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany mitondra faharavàna, ny hetraketraky ny fampandrosoana ary ny fanerana hamenoana miaramila ny tanàna

Aside from exposing the negative impact of militarization, the painting also shows how government laws unfairly discriminate against the Philippines' ethnic communities. Painting by Federico Boyd Sulapas Dominguez, reposted with permission

Ankilan'ny fanehoana ny vokadratsin'ny fametrahana miaramila, dia asehon'ny sary koa ny fomba tsy an-drariny fanavakavahan'ny lalàna napetraky ny governemanta an'ireo vondrom-piarahamonina ara-poko ao Filipina. Hosodokon'i Federico Boyd Sulapas Dominguez. Naverina navoaka rehefa nahazoana alàlana

15. Malayzia

Miatrika fiampangana maro ho mpampisara-bazana ilay mpanao sariitatra politika Zulkiflee Sm Anwar Ulhaque, fanta-daza kokoa ho Zunar ao Malayzia. Na dia miatrika vesa-piampangana maro aza ilay Malayziana mpanao sariitatra dia nampanantena [mg] ny hampiasa hatrany ny peniny hitsikerana ny kolikolin'ny governemanta, ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ary ny fihoaram-pahefana.:

Talent is not a gift, but a responsibility. So I will use it as a tool to convey people’s voice through art and to push for total reform for a better Malaysia. I will not keep quiet. How can I be neutral, even my pen has a stand!

Tsy fanomezana ny talenta fa andraikitra. Ka ho ampiasaiko izany itoindrana ny feon'ny vahoaka amin'ny alalan'ny zavakanto sy hanosika mankany amin'ny fanitsiana manontolo hanatsarana an'i Malayzia. Tsy hangina aho. Ahoana no tsy hananako loko raha ny peniko aza manana ijoroana!

From the Facebook page of Zunar Kartunis

Avy amin'ny pejy Facebook an'i Zunar Kartunis

16. Hongria

Namorona takelaka fakana tahaka maneso [mg] ireo hafatra fankahalana vahiny ny Hongroà amin'ny fampiasana loko sy Photoshop.

"If you come to bat country you have to abide by our laws!" - homage to Hunter S. Thompson and his novel Fear and Loathing in Las Vegas

“Afisy Orizinaly: “Raha mankaty Hongria ianao, tsy maintsy mankatò ny lalànanay!”
Niova ho: “Raha mankaty amin'ny firenen'ny fanihy ianao, tsy maintsy mankatò ny lalànanay!” (ho fahatsiarovana an'i Hunter S. Thompson “Fear and Loathing in Las Vegas”[tahotra sy rikoriko tany Las Vegas])

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.