Vao namoaka takelaby goavana manerana ny firenena handefasana hafatra ho an'ireo mpifindramonina sy ireo mieritreritra ny hifindra monina ny governemanta hongroà: “Raha mankaty Hongria ianao dia tsy mahazo maka ny asan'ny Hongroà”, “Raha mankaty Hongria ianao dia tsy maintsy manaja ny kolontsainay” ary “Tsy maintsy mankato ny lalànanay ianareo”.
Ity fanentanana amin'ny takelaby ity dia tohin'ny fitsapan-kevitra nasionaly momba ny fifindramonina sy ny fampihorohoroana, izay nampiasan'ny Praiminisitra Viktor Orban sy ny antoko mitondra ny volan'ny mpandoa hetra hampiroboroboana fijoroana vinitra manoloana ireo tsy Hongroà.
Saingy raha vitsy ny mpifindramonina mahay teny hongroà, dia nasongadin'ny mpitsikera fa natao hampiakatra ny tahotra sy hahazoana fanohanana avy amin'ny olom-pirenena amin'ny fikasana hametraka lalàna sy fepetra miady amin'ny fifindramonina ireny fampitandremana ireny.
Tsy niraviravy tanana ireo Hongroà manohitra io fomba fijerin'ny governemanta amin'ny elatra havanana io. Nisy nanimba endrika, nandrovitra sy nandoko ambonin'ireo afisy, ary mifaninana ireo mpikatroka hanao izay fihetsika izany voalohany. Nisy fanangonam-bola iray nahomby tamin'ny fahazoana vola mihoatra ny 100.000 dolara amerikana tao anatin'ny andro vitsy monja mba hananganana afisy hifaninana amin'ilay fanentanana, ary amin'ny teny anglisy kosa amin'ity indray mitoraka ity. Feno ireo teny mananihany maka tahaka ireo afisy ireo ihany koa ny media sosialy. Ireto voaangona eto ambany ireto ny sasantsasany amin'ireo ankafizina.
‘Asa Inona?’
‘Atikena’
‘Ianao Mpamosavy!’
‘Raha mankany amin'ny firenen'ny fanihy ianao…’
‘Mila kolontsaina i Hongria’
…'Tsy mety mahita ny tranony ao an-tanindrazany izy.’
‘Tonga Soa’
‘Ampio ET!’
‘Mahafinaritra’
‘Mankanesa aty Hongria, efa miasa any Londra izahay!’
Niditra an-tsehatra ihany koa ireo mpifehy ny Photoshop vitsivitsy, namorona lahatsoratra vaovao mihitsy ho an'ireo takelaby fanentanan'ny governemanta. Eto ambany ny sasany amin'ireo sangan'asa nisy aingam-panahy.
‘Nankany Shily aho, naka ny asan-dry zareo…’
Ary tsy diso anjara tamin'ny fanaovana fanandrinam-panentanana ihany koa ireo vondrom-piarahamonina Hongroà monina any ivelany ka “naka” ny asan'ireo olona monina ao amin'ny firenena itoerany:
Efa nimenomenona tamin'ny fitombon'ny fepetra noraisina tao Hongria ny Vondrona Eoropeana sy ny Fianakaviambe Iraisampirenena. Ny mpandala ny nentin-drazana Antokom-Bahoaka Eoropeana EPP avy ao amin'ny elatra afovoany ankavanana no antoko lehibe indrindra ao amin'ny Parlemanta Eoropeana ka tafiditra ao anatin'izany koa ny Fidesz. Tamin'ny 10 Jona, nandray ny fanapahan-kevitra notohanan'ny EPP ny Parlemanta Eoropeana, mitsikera ny hetsika ataon'ny governemanta Hongroa amin'ny fifindramonina. Nanamarika ny fanapahan-kevitra :
[…] that these recent developments have led to concerns regarding the principles of the rule of law, democracy and fundamental rights in Hungary over the past year, which, taken together, could represent an emerging systemic threat to the rule of law in this Member State […]
[…] fa ny fivoaran-draharaha vao haingana tao anatin'ny herintaona no mitarika fanahiana eo amin'ny fampanajana ny fanjakana tan-dalàna, ny demaokrasia ary ny zo fototra ao Hongria, izay, raha raisina miaraka dia mety mampipongatra fandrahonan-drafitra amin'ny fampanjakana ny tany tan-dalàna aoamin'io Fanjakana Mpikambana io […]
Nifanandrify tamin'ny Andro Manerantany ho an'ny Mpifindramonina tamin'ny 20 jona ihany koa ny fanentanana tamin'ny takelaby nataon'ny governemanta, daty natokana hanairana ny manjò ireo mpifindramonina manerantany. Ho fanamarihana ny andro dia nampiseho mpifindramonina, tafiditra soa amantsara tao amin'ny fiarahamonina hongroà, ny birao rezionalin'ny Vaomiera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpifindramonina (UNHCR) ao Budapest. Nifangarika tamin'ny sary mampatahotra avy amin'ny governemanta ireo sary ireo.
“Ny olako dia manembona ny fianakaviako aho ary maharary izany indraindray. Malahelo ny ray amandreniko aho; ny zandriko lahy sy vavy” hoy ilay 19 taona Zeeshant, izay milalao ao amin'ny ekipam-pirenena hongroà amin'ny cricket tsy dia fantatra, tao amin'ny fanentanan'ny UNHCR. Noterena handao an'i Pakistan izy noho ny tahotra Taliban ary nandeha sivy volana tanaty konteneran'ny kamiao lehibe vao tonga tao Hongria.
Sophie, izay avy any Togo, Afrika Andrefana, dia miasa amin'ny akanin-jaza miankina amin'ny fanjakana. Nandositra didim-poitra atao amin'ny vehivavy izy ary te-ho olom-pirenena Hongroà, araka ny fanentanan'ny UNHCR, saingy efa indroa nolavina ny fangatahany. “Manana fandraisana anjara amin'ny Hongria aho satria miasa sy mandoa hetra. Manampy ny ankizy hianatra sy hisokatra amin'ny vahiiny ary amin'ny olona izay samy hafa,” hoy izy.
Na dia eo aza ny fanamelohana iraisampirenena sy ny fihetsika feno fikomiana ataon'ny maro amin'ny Hongroà, dia mbola mizotra mankany amin'ny fametrahana drafitra mamely ny fifindramonina ihany ny governemanta. Tamin'ny 17 Jona, nanambara ny hanangana fefy avo efatra metatra amin'ny sisintany manasaraka aminy amin'i Serbia ny governemanta hongroà. Araka ny fahita dia nisy ireo sary fanalan'andro nivoaka haingana hampahatsiahy antsika: