Tantara mikasika ny Papua Nouvelle Guinee
Melaneziàna mpanao gazety, miampanga ny loza mitatao tsy mitsaha-mitombo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
"Tsy azon'ny governemanta melaneziàna ny mody manaja ireo fifanarahana iraisampirenena sy ireo firotsahany amin'ny resaka fahalalahana demaokratika no sady, mandritra izany fotoana izany, manome baiko hametrahana hisatra amin'ny zon'ireo mpanao gazety mba tsy ho afaka hiteny.."
Navotsotra ihany ilay mpitsoa-ponenana Iraniana-Kiorda Behrouz Boochani
"Vao avy tonga aty Nouvelle-Zèlande aho. Tena faly nahazo fahafahana enin-taona aty aoriana."
Manolo-kevitra hifehezana ny media sosialy ny praiministra ao Papoà Neo Ginea, satria mila hatsahatra ny “vaovao faikany” hoy izy
Nametraka ny fomba fijeriny mikasika ny fanarahamaso ny media sosialy ny governemanta Papoà-Neo-Ginea mba hiadiana amin'ny fielezan'ny vaovao tsaho sy vaovao faikany amin'ny aterineto. Nampitandrina ireo mpitsikera sy ny mpanao gazety fa mety hitarika ho amin'ny fanakonana ny fahalalahana miteny izany.
Fiainana taorian'i Manus: Resaka tamin'i Eaten Fish, Iraniana mpanao tantara an-tsary momba ny fiainana anatiny sy ivelan'ny toby fihazonan'i Aostralia
"tsy ampy ny taratasy, tsy ampy ny pensilihazo ary tsy maintsy nangala-taratasy tamin'ny mpiasa aho, tsy maintsy nitady sombin-taratasy aho hosoritsoritana, ary roa taona sy tapany vao afaka namoaka taty ivelany ny sary nataoko aho. Io ihany ny antony tokana mbola nahavelona ahy."
Na mandràra ny Facebook na tsia i Papouasie-Nouvelle-Guinée, milaza ireo mpitsikera fa mbola voarahona ny fahalalaham-pitenenana
"Raha matotra amin'ny fiarovana ny olom-pireneny amin'ny aterineto ny governemanta, dia ny fametrahana tontolo izay ahafahan'izy ireo mampiasa aterineto no tokony ho tanjona, fa tsy ny fanakatonana ny ampahany amin'izany."
#SOSManus: Nanaisotra Ireo Mpangataka Fialokalofana Hivoaka Ny Tobin'ny Nosy Manus Ny Polisy
"Namotika ny fiainanay ianareo, very avokoa izay anay, fianakaviana, namana eny fa na dia ny hajanay aza dia very. Azonay ankehitriny fa tsy olombelona izahay..."
Teren'ny Minisitry ny Fahasalamana ao Papua Nouvelle Guinée (PNG) Ireo Hopitalim-panjakana Mba Hitsahatra Tsy Hiresaka Ny Tsy Fahampian'ny Fanafody ao Amin'ny Firenana
"Tsy maintsy ataoko tena faran'izay mazava, fa raha toa tsy ampy fanafody izahay, dia hotohizanay ny tabataba, ny tsy fanajàna ny didy napetraky ny ministera.."
Namoaka Didy Fanampenam-bava Ny Fitsarana Ao Papouasie-Nouvelle-Guinée Mba Hanenjehana Ilay Bilaogera Mpitsikera Ny Vaomieran'ny Fifidianana
"Tompoko, mandefa sioka ity sary ity isan'andro aho mandra-pahatongan'ny fotoana ahafahako misioka an-kahalalahana satria aho nosakanan'ny fitsarana."
Manohy Ny Haratsian-Dohany Ny Fikorontanan'ny Toetrandro Tamin'ny 2015
Tratran'ny toetrandro faratampony ny olona manerana izao tontolo izao tamin'ny 2015, andro nafana indrindra voarakitra hatramin'izay.
Aostralia: Namoy Ny Ainy Ilay Iraniana Nitady Fialokalofana
Namoy ny ainy noho ny fahafatesan'ny ati-doha ilay Iraniana mpitady fialokalofana Hamid Kehazaei rehefa nijalin'aretin-drà izay aretina azony nandritra ny fanagadrana azy tao amin'ny Nosy Manus ao Papouasie-Nouvelle-Guinée. Aostraliana maro no naneho ny fiombonan'alahelo sy ny fahatezerana.