Tamin'ny Zoma 5 Septambra 2014, namoy ny ainy tao amin'ny hopitalin'i Brisbane ilay Iraniana mpangataka fialokalofana Hamid Kehazaei taorian'ny fanapahan-kevitry ny fianakaviany mba hanaisotra ny fitazonan'aina aminy. Nambara fa «maty ny ati-dohany» rehefa niaritra aretin-drà izay aretina nahazo azy nandritra ny fanagadrana azy tao amin'ny Nosy Manus ao Papouasie-Nouvelle-Guinée.
Aostraliana maro no naneho fiombonan'alahelo sy fahatezerana, anisan'izany ny fanaovana hetsika mandrehitra labozia.
Anisan'ny nandray anjara tamin'ny hetsika fandrehetana labozia ny tao:
Sydney, New South Wales

Hetsika mandrehitra labozia hoan'ilay Iraniana mpitady fialokalofana, Hamid Kehazaei – Sydney
Sary avy amin'i Sergio Leyva Seiglie, CC Demotix (4 Sep 2014)
Perth, Aostralia Andrefana
“May the burning candles around the nation remind us that hope wins.” Vigil for Hamid Kehazaei #LightTheDark pic.twitter.com/l8yGTwzaWz
— UCIC Perth WA (@UCICPerth) September 5, 2014
«Hampatsiahy antsika anie ireo labozia mirehitra manerana ny firenena fa mandresy ny fanantenana.” Hetsika mandrehitra labozia hoan'i Hamid Kehazaei #LightTheDark pic.twitter.com/l8yGTwzaWz
Adelaide, Aostralia Atsimo
Photos from #Adelaide‘s #LightTheDark. ping @GetUp “Darkness cannot drive out darkness only light can do that” #MLK https://t.co/QQnZT4ytl3
— Kate Leaney (@misskate_86) September 4, 2014
Sary avy amin'ny #LightTheDark an'i #Adelaide . ping @GetUp “Tsy afaka handroaka ny aizina ny aizina, ny hazavana ihany no afaka manao izany” #MLK https://t.co/QQnZT4ytl3
Tao amin'ny rakitsary Facebook ity sary ity: #LightTheDark hoan'i Hamid Kehazaei, avy amin'ny Mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Foibe Fandraisana vahiny Dyako.

#LightTheDark hoan'i Hamid Kehazaei
Sary: mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Foibe Fandraisana Vahiny Dyako (Facebook)
Naneho ny fitaintainana nozaraina tao amin'ny bilaogy The Monthly i Michaela McGuire:
What is saddest about the brain death of 24-year-old Iranian man Hamid Kehazaei is what could have saved him: a pair of shoes, or some basic medical treatment. Perhaps just a bandaid.
Ny tena mampalahelo momba ilay fahafatesana avy amin'ny atidoha nahazo ilay lehilahy Iraniana 24 taona, Hamid Kehazaei dia ny zavatra mety nahafahana nanavotra azy: kiraro roa mitovy, na fitsaboana ara-panafody fototra. Angamba bandy fitsaboana fery fotsiny.
Efa nahabe adihevitra ny fikarakarana ireo mpitady fialokalofana tonga tamin'ny alalan'ny sambo ny nandritra ny governemanta mpandala ny nentindrazana ankehitriny tarihin'i Tony Abbott sy nandritra ny Fitondran'ny Antokon'ny Mpiasa teo notarihan'i Kevin Rudd sy Julia Gillard. David Legge nisioka hoe:
Hamid Kehazaei's death predictable consequence @TonyAbbottMHR & @ScottMorrisonMP harsh remote imprisonment policy. #AsylumSeekers #auspoI
— David Legge (@DavidGLegge) September 5, 2014
Vokadratsin'ny politika henjana managadra an-tany lavitra nampiharin'i @TonyAbbottMHR & @ScottMorrisonMP ny fahafatesan'i Hamid Kehazaei. #AsylumSeekers #auspoI
Tsy mitsahatra ny mamerina ny fitakiany hatry ny ela ny Foibem-panampiana ny Mpangataka Fialokalofana :
#LightTheDark #HamidKehazaei We won't forget and we won't stop until #asylumseekers are out of offshore detention pic.twitter.com/ogrGxwN0GN
— ASRC (@ASRC1) September 4, 2014
#LightTheDark #HamidKehazaei Tsy hanadino izahay ary tsy hitsahatra raha tsy foana ny fanagadrana an-tany lavitra ireo #asylumseekers pic.twitter.com/ogrGxwN0GN
Niaro ny fikarakarana ara-pahasalamana omena ireo gadra ao Manus ny minisitry ny Fifindra-monina Scott Morrison.
Nisy ny fanantenana hisian'ny zavatra tsara tamin'ity loza mampalahelo miseho ity:
True generosity – Hamid Kehazaei's family donate his organs to the country he never got to call home #auspol http://t.co/syV4TyJF26 @theage
— Duchess van Pelt (@Nettythe1st) September 5, 2014
Fahalalahan-tanana tsy misy fitaka – nanolotra ny taovany hoan'ny firenena tsy azony antsoina mandrakizay ho tanindrazany ny fianakavian'i Hamid Kehazaei #auspol http://t.co/syV4TyJF26 @theage
Saingy toa tsy ho azo tanterahina izany noho ny aretin-drà nahazo azy.