Mpiadin'ny Toetrandro Ao Pasifika: “Tsy Dobo An-drano izahay, Mbola Mitolona izahay”

Pacific islanders rising

“Tsy maintsy avy amin'ny lova sy ny hery avy amin'ireo razambentska isika mba hiarovana ny tanindrazantsika.” Sary an'ny Navneet Narayan ho an'ny 350.org

Nosoratan'i Fenton Lutunatabua ho an'ny 350.org Pacific ity lahatsoratra ity ary navoakan'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Nandritry ny taona maro, isan'ny zavatra iray nentina nanehoana azy ireo ho toy ny traboina fotsiny hatrany ny tantara voalaza momba ireo mponin'ny nosy ao Pasifika, vahoaka iray any lavitra any izay tsy afaka manao na inona na inona amin'izay antony na ny zavatra misy momba ny fiovàn'ny toetrandro. Nolokoin'ny media ho toy ny traboina tsy mba afaka manao na inona na inona ary vonona ny ho dobo an-drano foana miaraka amin'ireo nosiny na ho lasa mpialokaloka ireo mponina amin'ny Nosy any Pasifika.

Araka izany, tanaty hetsika hanovàna io fitantaràna io ary hitrandrahana misimisy kokoa ny fanampiana avy amin'ireo vahoaka any amin'ny manodidina ny faritra, dia nisy fanentanana iray vaovao natomboky ny 350.org ao Pasifika nivoadiany hanaovana ny 2014 ho taona hijoroan'ireo vahoaka any amin'ireo Nosy any Pasifika amin'ny herin'ny tenany hiatrika ireo loza mananontanona ny nosin-dry zareo sy ny ranomasina manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro.

Ny Fanentanana #StandUpForThePacific (MijoroaHoAniPasifika) dia hikatsaka ny fanaovana antso amin'ireo vahoaka manerana ny faritra mba hanambara ny fahavononana tanteraka avy amin'izy ireo hirotsaka mavitrika mandritry ny taona 2014 ao anatin'ny fijoroana ho an'ireo Nosy any Pasifika manoloana ny loza goavana mananontanona ny faritra: ny fiovaovan'ny toetrandro

Hahafahan'ireo mponina ao amin'ireo Nosy ao amin'ny Pasifika haka toerana ao anatin'ny fitantaràna iraisana momba ny fahaterahana ara-kolotsaina sy ny tanjaka indray, toy ny hoe Mpiadin'ny Pasifika, niomana hitroatra hiaro ny taniny, ny ranomasiny ary ny mahaizy azy.

Efa maherin'ny 600 sahady ireo olona nanaiky hirotsaka, hanao ny 2014 ho taona hijoroan'ireo vahoaka any amin'ireo Nosy any Pasifika amin'ny herin'ny tenany manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro, ary manoloana ny indostrian'ny angovo azo amin-javatra lò. Isika miaraka no hanova ny fitantaràna hiala amin'ny filazàna hoe “tra-boina dobo an-drano foana ry zareo” hankany amin'ny hoe “mahery ry zareo, mpiady am-pilaminana”, miantehitra amin'ny hery ara-kolontsianantsika mba hiatrehana ireo indostrian'ny angovo azo avy amin'ny zavatra lò izay loza mananontanona ny tena fisiantsika mihitsy.

Araka ny hirosoantsika mandeha lavidavitra miditra amin'ny 2014, havaditsika ho asa ny fanekem-pirotsahantsika, amin'ny fanerena ireo vondron'orinasa maro rantsana manerana ny firenena maro izay mitrandraka aty amin'ny Nosy aty Pasifika mba hiala amin'ireo indostrian'ny angovo azo amin-javatra lò. Aleo lazaintsika fotsiny hoe, raha tsy manao izany ry zareo dia hiatrika ady am-pilaminana.

Ireto ambany ireto ny andian-tsary maneho ireo mpiady avy any Fiji hiantsoana ny vahoaka avy amin'ny tany sy ny ranomasina mba ho lasa Mpiadin'ny Pasifika, tsy ijerena ny asany, ny lahy sy vavy, ny taona, ny toerana misy azy na ny finoan'izy ireo…

Pacific islanders rising

“Vonona izahay hitrandraka ny fomban-drazanay sy ny kolontsainay ary handrehitra ny fanahin'ny mpitolona ao anatinay mba hiaro ny Nosy tanindrazanay.” Sary an'i Navneet Narayan hoan'ny 350.org.

Pacific islanders rising

“Hanovo avy amin'ny fahamarinana ara-kolontsainay izahay ary hampiasa izany ao anatin'ity tolona anoherana ny indostrian'ny angovo azo avy amin-javatra lò ity” Sary an'i Navneet Narayan ho an'ny 350.org

Pacific islanders rising

“Vonona hiara-hiasa amin'ireo rahalahy sy anabavinay Mponin'ny Nosy aty Pasifika izahay hiady amin'ireo goavana mpandoto” Sary an'i  Navneet Narayan ho an'ny 350.org

Pacific islanders rising

“Amin'ny maha-mponin'ny Nosy aty Pasifika anay, vonona hampita ny hafatray amin'ireo indostrian'ny angovo azo amin-javatra lò ireo izahay” Sary an'i Navneet Narayan ho an'ny 350.org

Pacific Islanders rising

“Fantatray fa kely ny fandraisanay anjara amin'ny fiovaovan'ny toetrandro kanefa izahay no tena mizaka ny vokany, fantatray ihany koa hoe inona no tena tokony hatao ary ahoana no hahatongavana amin'izay tanjona farany fananganana hoavy iray mendrika ho anay rehetra izay” Sary an'i  Navneet Narayan ho an'ny 350.org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.