
“Ampy hanairana ny ao Aostralia sy mampiseho ampiasain'ny pôlitika lozabe toa an'i Peter Dutton amin'ny tombontsoany manokana ny Aostralianina”. Sary sy fanehoan-kevitr'i Behrouz Boochani, fampiasana nahazoan-dalana.
Toa manamarika ny fitsaharan'ny fifanandrinana tao amin'ny Foiben'ny Fonjam-paritra Aostralianina teo aloha tao amin'ny Nosy Manus any Papouasie-Nouvelle-Guinée ny fitombon'ny herisetra ataon'ireo polisy, an-jatony sisa ireo mangataka fialokalofana no nandà tsy hifindra any amina toerana vaovao.
Efa an-taonany maro i Aostralia no nandefa ireo mpitsoa-ponenana tonga avy amin'ny sambo ao amin'io toerana io. Hatramin'ny volana Aprily 2016, nanome baiko hanakatonana azy ny Fitsaràna Ambony ao Papouasie Nouvelle-Guinée rehefa nahafantatra fa tsy ara-dalàna ny fitazonana mpialokaloka. Nikatona tamin'ny fomba ofisialy ilay toerana tamin'ny faran'ny volana oktobra 2017.
Na dia izany aza, voafonja an-jatony no nandà tsy handao azy, nitanisa tahotra amin'ny fiarovana azy ireo, noho ny fifandonana ao amin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana, ary ny tsy fahampian'ny fitokisana amin'ny manampahefana Aostraliana.
Tamin'ny hetsika ataon'ny polisy hamaranana ny fifandonana, niboroboro nanerana ny media sosialy ny sary sy ny raki-tsary, izay mbola maro no mila hamarinina. Iray amin'ireo voatana, ilay Pakistaney Ezatullah Kakar, namoaka ity hafara ity miaraka amin'ny raki-sary, mody mampiseho ireo polisy mikirakira kibay sady mamikitra tsy misy indrafo amin'ireo voafonja:
#AUS_PNG You Destroyed Our Life, We lost everything Familys, Friends, even own Self Respect, We will Never Forget Your Treatment, We Realized we Are Not human Beings, World Forget About us, We Are better killed Here In The New Prison Camp Lourengo Manus. #MANUS pic.twitter.com/c7Fi9FYXl4
— Ezatullah kakar (@EzatullahKakar) November 23, 2017
I Aostralia-Papouasie Nouvelle-Guinée, namotika ny fiainanay ianareo, very avokoa izay anay, fianakaviana, namana eny fa na dia ny hajanay aza. Tsy ho adinonay mandrakizay ny nataonareo anay, azonay fa tsy olombelona izahay, manadino anay izao tontolo izao izahay, metimety kokoa raha maty eto an-toerana izahay toy izay ho ao amin'ny toby-fonja vaovaon'i Lourengo Manus.
Iray amin'ireo mpitondratenin'izy ireo ilay mpanao gazety iranianina Behrouz Boochani. Nogadraina izy omaly talohan'ny namindrana azy an-terisetra.
Military arresting @amnesty media award winning journalist @BehrouzBoochani, just now on #Manus.
Please share this photo tagging @PeterDutton_MP & @TurnbullMalcolm, holding them accountable that no harm will come to our brother.#SOSManuspic.twitter.com/s6U4QxsvXO
— Jarrod McKenna ن (@jarrodmckenna) November 23, 2017
Nisambotra mpanao gazety nahazo mari-pankasitrahana tamin'ny Amnesty antsoina hoe Behrouz Boochani ny manam-pahefana amin'izao fotoana izao ao Manus.
Miangavy hizara ity sary ity sady manapaingotra an'i Peter Dutton, depiote sy ny praiminisitra Malcolm Turnbull, ho tompon'andraikitra fa tsy hisy na inona na inona hanjo ny rahalahintsika.
Nisioka i Boochani avy eo :
I’ve just been released. They hancuffed me for more than two hours in a place behind the prison camp. The police commander yelled at me ‘you are reporting against us.’ They pushed me several times and broke my belongings. Will write more about it later.
— Behrouz Boochani (@BehrouzBoochani) November 23, 2017
Vao novotsorana aho. Nafatotr'izy ireo nandritra ny adiny roa tamin'ny rojo vy tao amin'ny toby-fonja aho. Nikiakiaka tamiko ny komandàn'ny polisy hoe: “Manao tatitra hamelezana anay ianao”. Natositosik'izy ireo matetika aho ary nosimbain'izy ireo ny fananako. Hanoratra bebe kokoa momba izany aho amin'ny manaraka.
Efa nisy Aostralianin'ny taona miisa 12 nanahy tamin'ny toe-javatra tao Manus, ka niantso ny governemanta aostralianina mba hamerenana ny tolotra fototra tao amin'ny toby:
12 former Australians of the Year condemn Aust Govt's action on Manus, calling for urgent humanitarian intervention https://t.co/DcttZTYr8W
— David Manne (@david_manne) November 22, 2017
Aostralianin'ny taona taloha miisa 12 no nanameloka ny fihetsiky ny governemanta aostralianina tao Manus ary miantso ny fidirana an-tsehatra maika dia maika.
Tsy niray saina ry zareo tao amin'ny media sosialy. Namoaka ity fanehoan-kevitra ity i Robert Johnstone teo amin'ny sata Facebook-n'i Behrouz Boochani :
Good on Minister Dutton for his tough stance on this . These so called refugees are grown up
People and knew what they were embarking on when they jumped in a boat . No one twisted their arms , they are solely to blame for their predicament. If you want to
come to our country come the proper way not through the backdoor like a crim.
Naoty tsara ho an'ny minisitra Dutton tamin'ny firidiridiny. Olon-dehibe avokoa ireo lazaina fa mpitsoa-ponenana ireo ary fantatr'izy ireo tsara izay niandry azy ireo rehefa niditra ny sambo ry zareo. Tsy nisy nisintona ny tanan-dry zareo, izy ireo ihany no tompon'andraikitra amin'ny manjo azy ireo. Raha te-hiditra aty amin'ny firenenay ianareo dia ataovy amin'ny fomba mety, fa tsy miditra antsokosoko toy ny mpangalatra.
Mbola manohy mampiasa ny pôlitika tsy milefitra amin'ity raharaha ity ny Praiminisitra Aostralianina Malcolm Turnbull sy ny minisitry ny Fifindramonina Peter Dutton. Misy ireo izay te hitory azy ireo any amin'ny fitsaràna:
.@IntlCrimCourt breach of PNG court orders is happening again. this is a crime against humanity #SOSManus#Manus#refugeeshttps://t.co/FlRIHWgbiI
— Tracie Aylmer (@taylmer) November 23, 2017
[Ry] Fitsarana Heloka Bevava Iraisampirenena, mbola fanitsakitsahana ny didin'ny fitsaran'i Papouasie-Nouvelle Guinée ity. Heloka amin'ny olombelona manontolo izany
Efa nhasarika ny fifantohana iraisampirenena ny zava-misy ao Manus ary tsy voafetra ao amin'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpialokaloka ihany:
UNHCR – Australia urged to ensure protection, assistance and solutions for refugees on Manus Island https://t.co/yUOxOUNMhO
— UNHCR News (@RefugeesMedia) November 21, 2017
UNHCR:Nankaherezina i Aostralia hiantoka ny fiarovana, fanampiana sy ny vahaolana ho an'ny mpitsoa-ponenan'ny nosy Manus
This is outrageous but I am so glad you are out (though far from free). Everyone should be following @BehrouzBoochani for direct dispatches from inside the prison camp on #ManusIslandhttps://t.co/3zThvX5Kfo
— Naomi Klein (@NaomiAKlein) November 23, 2017
Tena mahamenatra, fa faly aho ao anatin'izany fa tafavoaka ianareo (na dia mbola lavitry ny fahafahana aza). Tokony mitsongo dia an'i @BehrouzBoochani ny rehetra amin'ny vaovao mivantana avy ao amin'ny tobin'ny nosy Manus.
Miova isan'ora ny zava-mitranga. Azonao arahina amin'ny tenirohy Twiter #SOSManus ny fivoaran-draharaha.