Tantara mikasika ny Kanadà tamin'ny Mey, 2018
Fironan-kevitra Vaovao Ny “Hijablogs”
Fomba iray hafa manerantany nampisafotofoto ny tontolon'ny bilaogy ny hijablogging. Manerana izao tontolo izao, dia manapaka hevitra ny hitoraka bilaogy ihany koa ireo vehivavy mitondra hijab (sarondoha fitondran'ireo vehivavy silamo ) ...
Fifidianana Amerikana: Sarah Palin Voafitaky Ny Sarkozy Sandoka
Mpanentana roa tao amin'ny onjampeo kebekoazy an'i Montréal ary ireo Mpitsara Miafin'endrika, no namitaka ilay Repoblikana Sarah Palin tamin'ny telefona, tamin'ny fisandohana ho Nicolas Sarkozy. Malaza be ireo Mpitsara Miafin'endrika ireo noho ny efa namitahany tamin'ny telefona ihany koa ny filoham-pirenena teo aloha Jacques Chirac, Britney Spears, Mick Jagger ary, eny, fa na dia ny Filoham-pirenena Sarkozy aza.
Fitsidihan'ny Papa an'i Etazonia: Fanehoan-kevitra
Mitroatroatra ny tontolon'ny bilaogy sy ny fampitam-baovao tamin'ny fitsidihana maha-Papa voalohany (Benoà 16) tany Etazonia - voalohany noho ny fanararaotana ara-nofo izay nanozongozona ny fototry ny fiangonana Katolika Amerikana enin-taona lasa izay. Niresaka ny olana ny Papa tany Washington D.C.
Fijery iraisampirenena amin'ny fifidianana amerikana
Raha mihamanatona ny fifidianana amerikana, mifantoka any amin'ny politika ivelany an'ireo kandidà ny mason'ny iraisampirenena. Misy ireo tetikasa toy ny an'ny fahitalavitra antserasera Current TV, Collective Journalism [en], sy ny an'ny Global Voices sy ny Reuters, ao amin'ny habaka Voices Without Votes [en], nandray an-tanana hanolotra ny fomba fijery ankapobeny.
Haiti: Ny Antoko Fanmi Lavalas Nalàna Tsy Ho Ao Amin'Ireo Fifidianana Manaraka
Na teo aza ny fanilikilihana nisy teo amin'ireo antoko politika sasany, nanantitrantitra i Janet Ann Sanderson Ambasadaoron'i USA ao Haiti […] fa any amin'ireo Fanjakana demokratika 'ireo fifidianana marina sy demokratika dia andraisan'ny rehetra anjara ary tsy manavaka' ary tsy maintsy manampy amin'ny 'fampiraisana ny demokrasia' amin'ny fampandraisana anjara an'ireo antoko politika lehibe rehetra.
Lahatsary Ho An'Ireo Jamba
Ankehitriny vokatry ny teknolojia, tsy hisy intsony atsy ho atsy ireo sembana amin'ny fahitàna sy fandrenesana ho voahilikilika noho ny tsy fahafahany mampiasa solosaina.