Fijery iraisampirenena amin'ny fifidianana amerikana

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny oktobra 2008)

Raha mihamanatona ny fifidianana amerikana, mifantoka any amin'ny politika ivelany an'ireo kandidà ny mason'ny iraisampirenena. Misy ireo tetikasa toy ny an'ny fahitalavitra antserasera Current TV, Collective Journalism [en], sy ny an'ny Global Voices sy ny Reuters, ao amin'ny habaka Voices Without Votes [en], nandray an-tanana hanolotra ny fomba fijery ankapobeny ny toe-javatra iray ao an-toerana.

Nanomboka nanolotra andian-dahatsary fanadihadiana amin'ny fomba fijerin'izao tontolo izao an'i Etazonia ny Collective Journalism, fandaharan'ny Current TV [en]. Ao amin'ny fanadihadiana The View from Over There [en], ny olona avy amin'ny firenena betsaka no maneho ny fomba fijeriny amin'ny politika ivelany, ny ady ao Iràka, ny fifandraisan'i Etazonia sy i Iran, ery hilazàny ireo tiany kokoa ho filohan'i Etazonia rahatrizay. Amin'ny fiteny samihafa ny antsafa tao amin'ny lahatsary fa nasiana dikantsoratra tamin'ny teny anglisy.

http://current.com/e/89378240/en_US

Ilay lahatsary dia nampiasa sombiny avy amin'ny fandaharana hafa miresaka ny fifidianana amerikana taona 2008, fa tamin'ity indray mitoraka ity moa dia natao handravahana ny fomba fijerin'ireo tsy-Amerikana. Izay no nataon'ny Global Voices sy ny Reuters tao amin'ny habaka Voices Without Votes : manangona ny hevitra avy amin'ny vazantany efatra momba ny fifidianana amerikana.

Ny fandaharana manaraka amin'ny Collective Journalism ao amin'ny Current TV dia ho fanolorana ny hevitry ny iraisampirenena  amin'ny politikam-pifindramonin'i Etazonia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.