Tantara mikasika ny Nikaragoa

SARIPIKA: Olombelon'i Amerika Latinina

  04 Desambra 2013

Nanomeaingam-panahy mpaka sary manerana izao tontolo izao ny "Humans of New York". Ny tetikasa "Humans of..." avy ao Amerika Latinina dia mampiseho ny hamaroan'ny fokon'olona sy ny kolontsaina ao amin'ny renim-paritra.

Global Voices Miasa Miaraka Amin'ny Fundación MEPI

  27 Novambra 2013

Ny Fundación MEPI dia fikambanana mampiroborobo ny fanaovan-gazety tia famotopotorana ao Amerika Afovoany. Hamoaka tsy tapaka ihany koa ny tantara avy amin-dry zareo ny Global Voices, hitondrany anao amin'ny tati-baovao lalindalina kokoa momba ny faritra.

Nikaragoaiana Miaro Ny Lalàna Manohitra Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy

  24 Mey 2013

Ny volana Aprily , natomboka tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanentanana iray mitondra ny lohateny hoe "Manohana ny Lalàna 779 aho" mba hangatahana ny hanajàna ny "Lalàna Manontolo Hanoherana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy" manoloana ireo fanavaozana marobe naroson'ireo mpitarika fivavahana sy mpikambana ao amin'ny Ambaratonga ambony eo amin'ny Fitsarana (CSJ) .

Fanarahan'ny Olom-pirenena Maso Ny Fifidianana Monisipaly ao Nikaragoà

  04 Novambra 2012

Miomana hamporisika ireo Nikaragoana hampiasa ny teknolojia dizitaly hanaraha-maso sy hitaterana ny fifidianana monisipaly tanterahina ny 4 Novambra izao ny "Sehatra Mahaleotena Fanarahan'ny Olom-pirenena Maso Ny Fifidianana. Ho fanampin'ireo tatitra ao amin'ilay vohikala, mamporisika ireo mpampiasa aterineto ihany koa izy ireo hampiasa ny tenifototra #YoObservo (Manara-maso Aho) aloha sy mandritra ny andro fifidianana.

Lahatsary: Fipoahana Volokano San Cristobal Tao Avaratry Nikaragòa

  10 Septambra 2012

Manana ny lisitry ny lahatsary mampiseho fipoahana volokano nanohina tao Nikaragòa tamin'ny 8 Septambra lasa teo ireo mpisera YouTube. Volokano San Cristobal, izay avo indrindra ao amin'ity firenena Amerika Afovoany ity, no nipoaka tamin'ny Asabotsy maraina tamin'ny 9:02, namoaka setroka sy lavenona ka nahatonga ny manampahefana tao an-toerana namindra ireo mponina maherin'ny...