Nikaragoà : Misaona Fianakaviana 3 Niara-maty Novonoin'ny Polisy Nandritry Ny Fifanenjehana

A Nicaraguan National Police car. Phot by Jorge Mejía Peralta under the Creative Commons License.

Fiaran'ny polisim-pirenena Nikaragoaiana. Sary an'i Jorge Mejía Peralta nampiasàna ny lisansa Creative Commons.

Misaona ny nahafatesan'ny lehilahy iray sy ankizy roa tamin'ny fitifiran'ny polisy azy ireo ny Nikaragoaina. Ny 11 Jolay, nitifitra fiara iray ny polisy, taorian'ny nandavan'ny mpamily ny baiko hihisaka sy hijanona amin'ny sisiny. Toa tsy nahafantatra mihitsy ilay rangahy hoe olona mpampihatra lalàna anie ireto mibaiko azy haka sisiny.

Ny polisy milaza ho nanao hetsika fanenjehana mpivarotra zava-mahadomelina tamin'iny alina nisian'ny fitifirana iny. Niasa efa ho tamin'ny misasakalina, miteny ireo manampahefana fa nibaiko ilay fiara izy hoe mila mijanona, saingy tsy izany fa vao mainka nampitombo hafainganana ny mpamily, nanafangaro ny polisy taminà mpangalatra nikasa haka ny fiarany.

Nenjehan'ny polisy ilay fiara ary notifiriny fa noheveriny ho feno olona mandositra. Nifarana ny fifanenjehana rehefa tsy voafehin'ilay mpamily intsony ny familiana ary nidofotra tamina fiara vaventy iray, 700 metatra niala ny toerana nanombohan'ny fifanenjehana. Fiara nitondra fianakaviana handeha hody rehefa avy any am-piangonana io. Maty ny telo tamin'ny mpandeha (mpirahalahy kely ny roa).

Na ny fianakaviana na ny firenena iray manontolo dia samy nisaona daholo nanomboka teo. Ety anaty aterineto, manakiana mafy ny polisy, indrindra fa ilay Kaomiseran'ny Polisim-pirenena,  Aminta Granera, ireo Nikaragoaiana.

Simone Montiel, mpanoratra ny bilaogy Gabriela Kame, nanoratra hoe :

Las armas son invenciones humanas, y desde que fueron creadas tienen una única función: MATAR. No ayudar, proteger, brindar seguridad. MATAR cuando sea necesario, dicen, y eso está siempre en dependencia y criterio de quién la porta. Cualquier puede ser blanco de un arma en cualquier momento. Sobre todo de aquellas armas que están permitidas, institucionalizadas. Creadas para matar legalmente.

Zavatra harin'olombelona ny fitaovam-piadiana, ary hatramin'izay namoronana azy ireny dia tanjona iray no tratrariny: HAMONO.  Tsy hanampy, hiaro, na hitondra fandriampahalemana. MAMONO ihany rehefa ilaina, hoy ry zareo, nefa dia ireo manana ny fitaovam-piadiana eny an-tànany ihany no manana fahefana hitsara hoe rahoviana izany no ilaina. Ny rehetra dia mety ho lasibatry ny fitaovam-piadiana avokoa, amin'ny fotoana rehetra—indrindra rehefa ara-dalàna ny fitànana sy fampiasàna fitaovam-piadiana. Noforonina mba hahafahana mamono araka ny lalàna izy ireny.

Ora telo taorian'ilay zava-doza, tonga teny amin'ny toerana nitrangany i Granera haneho ny fiarahany miory sy hitondra fanohanana ho an'ireo fianakavian'ny niharan-doza ary hijery izay tena antony nahatonga ny loza. Takian'ireo mpifanolo-bodirindrina sy ny havany ny rariny momba izao nahafatesana olona telo tsy manantsiny izao, naterak'ity hetsika tsy nahomby nataon'ny polisy ity.

Nahazo laza tao amin'ny Twitter ny tenifototra #AmintaRenunciaYa (#NialaSahadyAminta)  :

Reraka sy tofoky ny herisetra, kolikoly ary habibian'ny polisy izahay.

Manoratra i Alberto Sánchez bilaogera ao amin'ny bilaogy Políticamente Incorrecto hoe :

Si algo sabemos acerca del futuro es que en esas ocasiones en que nuestro gobierno considere que el cuerpo muerto, torturado, violado o secuestrado, es digno de recibir algún tipo de disculpa, entonces la primer comisionada pedirá perdón, pedirá perdón, pedirá perdón…una y otra vez.

Raha misy zavatra iray fantatsika momba ny hoavy, dia ny hoe rehefa amin'ny fotoana mijery ny maty, ny ampijaliana, ny voaolana, na ny nalaina an-keriny ny governemantantsika, mendrika hanaovana izao karazana fialàna tsiny rehetra izao, hangataka famelàna ny polisy, hangataka famelàna, ary hangataka famelàna—isak'izay mihetsika.

Nampanantena ny fianakaviana sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny i Granera fa hoentina hiatrika fitsaràna ireo manampahefana voarohirohy amin'io ary hahazo ny fitsaràna sahaza azy.

Maninona no mbola tsy mivoaka anaty fampahalalam-baovao mihitsy ireo manampahefan'ny polisy voarohirohy tamin'ilay vono olona tao “la Jaguitas” ? Efa ho 24 ora izao no lasa fa tsy mbola misy na inona na inona.

Ao anatinà firenena iray mendrika ho hajaina, ny zavatra henjana tahaka izao dia ampy nandroahana an'i Aminta. Raha toa izy ka olona mendri-kaja, efa nametra-pialàna.

Efa an-taona maro, olana tsy mitsahatra ao Nikaragoa ny kolikoly, fanararaotana, ary fampiasana hery tafahoatra ataon'ny polisy. Tamin'ny 2008, notofirin'ny polisy iray ho faty ny zazalahy kely 15 taona—tranga iray izay nokilasian'ny polisy ho loza nahonena iray hafa.

Namoaka famintinana ireo tranga nahitàna fanararaotam-pahefana nataon'ny manampahefana kanefa, na tsy nasiana fanadihadiana, na tsy neken'ny Polisim-Pirenena imasom-bahoaka, ny bilaogera, Alberto Sánchez .

La primer comisionada nunca pidió perdón por la niña violada por tres policías en las inmediaciones de la casa del presidente de la república…

La primer comisionada nunca pidió perdón por permitir que Francisco Javier Ponce muriera “ahorcado” en las celdas de la Dirección de Auxilio Judicial del Chipote.

La primer comisionada nunca pidió perdón por los campesinos asesinados a tiros por policías en la comunidad del Carrizo…

Ni por las torturas y vejámenes a las mujeres de Nueva Guinea, ni por #OcupaINSS, ni por asediar a los movimientos de mujeres en sus marchas públicas, ni por la reacción desmedida en el último plantón del CSE…

Tamin'ilay raharaha nanolanan'ny polisy telo ny ankizivavy iray teny akaikin'ny tranon'ny Filoham-pirenena, tsy naneho fialantsiny velively ny kaomisera voalohany…

Tsy naneho fialantsiny velively ny kaomisera voalohany tamin'ny namelàna an'i Francisco Javier Ponce ho afaka nananton-tena tao amin'ny Departemantan'ny Fiaraha-miasa Ara-pitsaràna tao Chipote…

Tsy naneho fialantsiny velively ny kaomisera voalohany tamin'ny tifitra namonoan'ny polisy ireo tantsaha tao amin'ny vondrom-piarahamonin'i Carrizo…

Na ny fampijaliana na ny fanalàna baraka ireo vehivavy avy any Nouvelle Guinée, na ho an'ny #OcupaINSS, na tamin'ny fanaovana fahirano ny famoriam-bahoaka nataon'ny hetsiky ny vehivavy, na ho an'ireo fifandonana farany nifanaovana tamin'ny Filankevitra Faratampony momba ny Fifidianana…

Tamin'ny 2013, ny Foibe ho an'ny Rariny sy ny Lalàna Iraisampirenena sy ny Foibe Nikaragoaiana ho an'ny Zon'Olombelona dia nametraka fitarainana iray hoe mampiasa herisetra tafahoatra, sotasota ara-nofo amin'ny olom-pirenena, ary misitraka ny tsimatimanota amin'ny ataony ny polisy ao Nikaragoà.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.