Nikaragoaiana Miaro Ny Lalàna Manohitra Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy

Ny Aprily teo, fanentanana iray atao hoe “Manohana ny Lalàna 779 aho” no nalefa tao amin'ny tambajotra sosialy mangataka fa ny lalàna fiarovana ny maha-izy manontolo ara-batana, ara-tsaina ary ara-moraly ny vehivavy dia tokony hankatoavina. Ilay fanentanana dia nirona tamin'ny fanoratana fehezanteny fanohanana, fakàna sary miaraka amin'ilay fehezanteny, ary ampakarina miaraka amin'ny  tenifototra  #yoapoyolaley779 [es] (#ISupportLaw779 – #ManohananyLalàna779aho).

Ny Lalàna 779, na ny Lalàna Manontolo Anoherana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy [es], dia nekena tany Nikaragoa ny 26 Janoary 2012, ary nanan-kery ny Jona tamin'io taona io ihany.

Ilay lalàna dia mandràra ny fitadiavana marimaritra eo amin'ny voakasiky ny herisetra sy ny mpanao herisetra, tsy miankina amin'ny karazana herisetra natao izany. Nanomboka ny volana Martsa, io karazana lalàna io dia nanetsika ireo mpitondra fivavahana sy ireo mpikambana amin'ny Cour suprême de justice (CSJ), Ambaratonga ambony eo amin'ny Fitsarana, mba hanetsiketsika ny fananvaozana ny lalàna, nanambara fa ny fitadiavana marimaritra dia afaka atao ho an'ireo tranga izay latsaky ny dimy taona ny sazy.

Ny olona voalohany tonga nifamory nanohitra ny handavana ny fanovàna voalaza, nisokajy an'io ho tsy araka ny lalàm-panorenana, dia ireo mpikambana avy amin'ny Fikambanana Demaokratikan'ireo Mpisolovava any Nikaragoa (Adanic), izay niantso ireo sendikà ao aminy sy ireo mpiray tanindrazana amin'ny ankapobeny mba hangataka ny Ambaratonga ambony eo amin'ny Fitsarana (CSJ) mba hamaha ireo fampakàrana fitsarana ambony manohitra ny Lalàna 779.

Foto de @AnabellZavala en apoyo a la Ley 779

@AnabellZavala [es] manohana ny volavolan-dalàna 779 (“Tsy hifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ny Lalàna 779 raha tsy nisy #ISupportLaw779″)

Manoratra mikasika ilay lalàna ao amin'ny bilaoginy i Carlos Lucas [es] :

No es perfecta y ni siquiera revolucionaria y aunque llega algo tarde, tomando en cuenta el enorme daño físico, vidas, estado sicológico de las mujeres y sus familias, que había venido provocando su vacío, pero la puesta en marcha de la Ley 779 o Ley Integral contra la Violencia hacia las Mujeres de Nicaragua, comienza a sacudir- y más si se si aplica firmemente- nuestra forma de pensar y conceptos sobre familia, matrimonio, unión de pareja, hogar, felicidad, armonía familiar, amor, etc.

Tan es así, que sobre esta Ley 779, apenas dictada en el 2012, ya hay en Nicaragua, toda una reaccionaria conspiración contra algunos de esos avances en el tema de la violencia contra la mujer.

Tsy tonga lafatra sady tsy mitondra fiovàna io na inona na inona sady na dia teo aza izany dia somary tara kely, ny fandraisana anaty kajikajy  ny fahavoazana goavana ara-batana, ny  aina, ny ara-toe-tsainan'ny vehivavy sy ireo fianakaviany, izay tonga tsy nampisy lanja azy io, ny fahenoana ny Lalàna 779 na ny Lalàna Manontolo Anoherana ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy any Nikaragoà, dia manomboka manohintohina – ary mbola bebe kokoa raha tena hampiharina – ny fomba fieritreritsika sy ny fomba famaritra ny fianakaviana, ny fanambadiana, fikambanana amin'ny fomba sivily, fonenana, fahasambarana, firindrana ara-pianakaviana, fitiavana, sy ny sisa.

Tena betsaka tokoa noho izany, raha ny Lalàna 779 no jerena, izay notoavina ny 2012, efa misy sahady firaisan-tendro manohitra azy any Nikaragoà, manohitra ny sasany amin'ireo fandrosoana eo amin'ny sehatry ny herisetra atao amin'ny vehivavy.

Tamin'ny fiantombohan'ny volana May, Monsenera Abelardo Mata dia nanao fanambaràna tamin'ny media nampitaha ny Lalàna 779 amin'ny Mpanohitra an'Andriamanitra -Anti-Christ-, nampiany hoe io lalàna vaovao io dia mampizarazara ny fianakaviana amin'ny tsy famelàna ny fitadiavana marimaritra eo amin'ny mpanao herisetra sy ny niharan'ny herisetra. Ireo fanambaràna nataon'ny Bishop ireo dia nampirongatra ny fanehoankevitra avy amin'ny vahoaka tao anaty tambajotra sosialy indray.

Ny Vondrona mpiaro ny Vehivavy La Corriente [es] dia namorona lahatsary iray natolotra manokana ho an'i Monsenera Mata, izay ahitàna mpikatrka mafàna fo efatra avy amin'ny hetsiky ny mpiaro ny vehivavy manao fakàn-tàhaka ny hiran'i Yuri “Maldita Primavera” :

Imagen de campaña protesta contra el Obispo Mata

“Tandremo! #BishopMata” Kisary Stencil nataon'i Rodrigo Rodriguez. Fanentanana fanoherana manohitra an'i Monsenera Mata

Fanampin'izany, ireo mahery fò ao amin'ny tambajotra sosialy dia nanomboka ny fanentanana “Tandremo, “#BishopMata!”.  Manoratra izao manaraka izao ao amin'ny bilaoginy i Rodrigo Rodriguez [es]:

¿Es la ley 779 REALMENTE tan grave para el sistema de justicia -pensemos por un momento que nuestro sistema de justicia es bien aplicado, sólo para ejemplificar esto- y el ejercicio de los derechos humanos en nuestro país, como para compararla con el significado del anticristo, entendido desde una visión cristiano-católica como un adversario decisivo del hijo de Dios (ese ser invisible, omnipresente, todopoderoso que controla y decide nuestro destino)?

En serio… ¿en realidad es tan grave?

Tena manohintohina ny rafi-pitsarana tokoa ve ny Lalàna 779 — ndao isika hieritreritra kely fa he tsara fototra ny rafi-pitsarantsika, mba ho entna manaingo an'ity fotsiny — ary ny fampiharana ny zon'olombelona eto amin'ny firenentsika, mba hampitahana azy amin'ny dikan'ny ho antichrist, nazava tamin'ny fijerin'ny Kristianina Katolika ho toy ny fahavalon'ny zanak'Andriamanitra (ilay tsy hita maso, manerana ny toerana rehetra, manana ny fahefana rehetra izay mifehy sy mandidy ny hoavintsika)?

Mba marina… manohintohina tokoa ve io raha ny marina?

Ny Bilaogy 24 Pieces of Craziness namoaka lahatsary iray hafa [es] nataon'ny vondrona Tanora Ho An'ny Lalàna 779, izay nihirany mitovy ilay hira nohirain'ny Corriente natolotra ho an'i Bishop Mata:

Araka ny tahirin-kevitra “Nahoana aho no miaro ny Lalàna 779 ?” [es], novokarin'ny Katolika ho an'ny Hetsika Zo ho afaka Hifidy:

En Nicaragua las cifras de Violencia Intrafamiliar y Sexual registradas en las Comisarías de la Mujer,han venido incrementándose anualmente de 31759 en 2009 a 34763 en 2010. El Instituto de Medicina Legal IML refleja en el 2012, la realización de 5371 peritajes, de las cuales 4726 fueron realizados a mujeres y 642 fueron realizados a hombres (en este último caso, los agresores son hombres incluidos los agentes estatales).

Any Nicaragua, tsy mitsahatra mitombo isan-taona ireo Tranganà Herisetra an-Tokantrano sy Fanolanana voarakitra any amin'ny tobin'ny polisy natao hoan'ny Vehivavy, miala amin'ny 31.759 tamin'ny 2009 ho lasa 34.763 ny 2010. Ny “Institut de médecine légale” (IML) dia ahitàna ny tamin'ny 2012 ny fahavitàna tatitra 5371, izay ny 4726 dia avy amin'ny vehivavy ary ny 642 avy amin'ny lehilahy (amin'io tranga farany io, ny mpanao herisetra dia lehilahy, tafiditra ao anatiny ireo olom-panjakana).

Fanampin'izany, ampian'ilay tahirin-kevitra fa “isan-taona dia mihoatra ny 80 ireo vehivavy any Nikaragoa no maty vokatry ny herisetra tafahoatra natao azy ireo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.