Tantara mikasika ny Repoblika Tseky
Miantso ny fametraham-pialàn'ny minisitry ny fitsarana vaovao ry zareo Tseky tao anatin'ny fanamby nasionaly ho an'ny Praiminisitra Andrej Babiš
Nilaza ireo mpanao hetsi-panoherana fa mikasa ny hitsabaka amin'ny raharaha fanenjehana azy i Babiš. Mitaky ny fialan'i Benešová izy ireo sy ny fepetra vaovao ho fiarovana ny fahaleovantenan'ny fitsarana ihany koa.
Nahoana ireo Tseky sasany no milaza fa filohan'izy ireo ny filoha voafidin'i Slaovakia?
Raha nisaraka tamin'ny fomba ofisialy sy tamim-pirahalahiana tamin'ny taona 1993 i Slovakia sy ny Repoblika, dia mbola mifampizara rohy ara-kolontsaina, ara-toekarena sy ara-politika ny fiarahamon'izy ireo -- ka miantso an'i Zuzana Čaputová, filoha voafidy tao Slaovakia ho toy ny "filohan'i Tseky" mihitsy ny sasany amin'ny fiarahamonina Tseky.
Lasa loharanon-dahatsoratra ho an'ny fifaninanana fandikan-teny manerantany any amin'ny Repoblika Tseky ny Global Voices
Strč prst skrz krk. Tsia, tsy kitendritendry tsinahy nataon'ny saka nandeha teo ambonin'ny kitendry io akory fa tena fehezanteny Tseky misy izay midika hoe ‘alefaso any an-tenda ny rantsan-tanana’. Angamba...
Eritreritra tsy tanan'ny mpiserasera amin'ny fahazato taona an'i Czechoslovakia
Manamarika ny fahazato taona nananganana an'i Czechoslovakia ny repoblikan'i Slovakia sy ny repoblika Tseky.
Repoblika Tseky, Andian-Taranaka Vaovao Manohy ny Tolona Fanoherana ny Arintany

"Manoloana an'ireo mpanapaka hevitra izay voageja foana ao anatin'ny boribory vetavetan'ny arintany sy ny nokleary, tena ilaina dia ilaina tokoa ny manangana hetsika matanjaka ho an'ny toetrandro iarahana amin'ny erantany."
Fanakonam-bolana nanome aingam-panahy ireo bilaogeran-dahatsary
Nampiseho ny takonam-bolana feno ny lahatsary avy amin'ny firenena samihafa, raha toa ka sendra tsy nahita izany ianao na raha mbola mahatsiarotsiaro indray ilay fotoana. Niseho ny 20 Febroary ilay hany takonam-bolana hitantsika ny taona 2008, sady ilay farany mandra-pahatonga ny 21 Desambra 2010 .
Nosarahan'ny fandrendreham-bahoaka, Miomana Amin'ny Fifidianana Filoham-pirenena Fihodinana Faharoa ny Fiaraha-monina Tsheky
Niteraka adihevitra mafana teo amin'ny olom-pirenena na antserasera na andavanandro ny fifidianana. Amin'ny maha-repoblika parlemantera, dia voafetra tanteraka ny fahefana mpanatanteraky ny filoha, nefa efa mampisara-bazana ny firenena ilay fifidianana.
Mandrahona Am-pamazivaziana An'ireo Mpanao Gazety Amin'ny Basy Ny Filoha Tseky

Ny Zoma lasa teo, nandrangaranga basy vita hazo fahiny ny filohan'i Tseky, Miloš Zeman miaraka amin'ny soratra hoe 'ho an'ny mpanao gazety' nosoratana teo akaikin'ny basy, mirehareha izy fa fanomezana tamin'ny fitsidihany vao haingana tany amin'ny faritra tandrefan'ny firenena izany.
Repoblika Tseky: Hafatra Ho An'i Condoleezza Rice
Nahitana ny taratasy iombonana iray ho an'ny Sekreteram-panjakana Amerikanina Condoleezza Rice teo amin'ny rindrina iray tao Brno, ilay tanàndehibe Tseky faharoa ....