Tantara tamin'ny Tselatra sy Tiorkia
Nanozongozona ny media sosialy ny fitovian'ny ben'ny tanàna tiorka iray amin'i Khaleesi (Game of Throne)
Tsy ilay fitsidihan'ny Ben'ny tanàna fa ny anaran'ilay ben'ny tanàna amperinasa Melek Mızrak Subaşı no nihaohao tao amin'ny Twitter.
Mahita fonenana vaovao ao Tiorkia ireo Rosiana manohitra ny ady
Tsy tena mazava tsara hoe Rosiana firy no tonga ao Tiorkia hatreto hatramin'ny fananiham-bohitra tsy nisy antony nataon'i Rosia tamin'i Okraina.
Fanafihana farany nataon'i Tiorkia tamin'ny zavakanto : governoran'ny faritra iray nanafoana fetiben'ny mozika efa nandrasana hatry ny ela
Na dia tsy notondroina mazava aza tao anatin'ilay filazana aza ny fetiben'ny mozika ho avy eo, dia anisan'ny tafiditra anatin'ireo datin'andro voalaza ao anaty fanambarana ilay hetsika
CIMER: Sehatra revôlisiônera iray sa fitaovana fitorohana eo an-tànan'ireo mpiaradia amin'ny fanjakana?
Napetraky ny Antoko eo amin'ny fitondrana "Rariny sy Fandrosoana" tamin'ny 2015, ny tolotra CIMER dia natao handefasan'ireo olompirenena tiorka ny "olan'izy ireo, ny fitarainana sy fangatahana" mankany amin'ny filoha.
Nihiaka hoe ‘Vladimir Putin’ ireo Tiorka mpankafy baolina kitra nandritra ny lalao nifanandrinana tamin'i Kyiv
Nihirahira hoe "Vladimir Putin" ireo mpakafy baolina kitra Tiorka nandritra ny lalao nifanandrinana tamin’ny ekipa Okrainiana Dynamo Kyiv, ho fanondroana ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina amin’izao fotoana izao. Nanaraka izany ny tantara ratsy iraisam-pirenena.
Tranokalam-baovao roa nobahanan'i Torkia
Nosakanan'ny Filankevitra Ambonin'ny Radio sy Televiziona (RTÜK) ao Tiorkia tamin'ny 30 Jona ny fidirana amin'ny tranonkalan'ny Voice of America (VoA) amin'ny teny Tiorka sy ny DW amin'ny teny Tiorka rehefa tsy nety hanao fangatahana fahazoan-dalana hampiely (vaovao) ry zareo.
Maresaka amin'ny media sosialy Tiorka ny fandroahana devoly tamin'ny fahitalavitra
Mamaritra ny tenany ho manam-pahaizana momba ny metafizika ilay vehivavy iray antsoina hoe Pelin Hürman any Torkia, nanao fampisehoana fandroahana devoly tamin'ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra izy ary vetivety dia lasa fihomehezana manerana ny firenena tao amin'ny media sosialy.
Ben'ny tanàna fahiny tao Tiorkia milaza fa nahita tahirina vatomamy (jellybeans) nafenina ireo tomponandraikitra
Namaly fanontaniana momba ireo tahirin-tsolika hita vao haingana ilay ben'ny tanàna fahiny rehefa nanao fanehoankevitra momba ny nahitàna tahirina vatomamy marobe
Torkia: Manamarika ny Andron'ny Mpitsabo amin'ny fitokonana ny mpiasan'ny fahasalamana
Ho fanamarihana ity andro ity, nilaza ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny firenena fa hanao fitokonana mandritra ny roa andro manomboka ny 14 marsa izy ireo na dia eo aza ny fampitandremana mialoha avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana manoloana ny fihetsiketsehana.
Tsy mahita afa-tsy ao amin'ny tontolom-baovao ataontsika manokana ve isika?
Afaka manaraka ny vaovao amin'ny fiteny maro izahay ary manao tsoa-kevitra, misafidy izay zarainay sy izay marihinay ho fandisoam-baovao.