Torkia: Manamarika ny Andron'ny Mpitsabo amin'ny fitokonana ny mpiasan'ny fahasalamana

 

Pikantsary avy amin'ny lahatsary nozarain'ny Fikambanan'ny Mpitsabo Tiorka tamin'ny 14 Marsa izay manamarika ny andron'ny Mpitsabo tany Torkia.

Ny 14 marsa no ankalazana any Torkia ny Andron'ny Fitsaboana, antsoina koa hoe Andron'ny Mpitsabo. Ho fanamarihana ity andro ity,  nilaza ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny firenena fa hanao fitokonana mandritra ny roa andro manomboka ny 14 marsa izy ireo na dia eo aza ny fampitandremana mialoha avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana manoloana ny fihetsiketsehana. Nitaraina mikasika ny faharatsian’ny fepetran’asa, ny hakelin'ny karama, ary firongatry ny herisetra atao amin'ny mpiasan’ny toeram-pitsaboana ireo mpiasa.

Niakatra be ny isan’ny manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamana nandao an'i Tiorkia mba hitady tombontsoa tsara kokoa any ivelany tato anatin'ny taona vitsivitsy izay mampiseho ny toe-javatra mahakivy ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny Fikambanan’ny Mpitsabo Tiorka (TBB), fikambanan’ny matihanina ara-pitsaboana sy ara-pahasalamana tsy miankina, dokotera miisa 4.000 no nandao ny firenena tao anatin'ny folo taona farany.

 Niresaka momba ny olan'ny mpiasan'ny fahasalamana miala faobe ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan tamin’ny lahatenin'ny nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nilaza hoe “avelao izy ireo handeha raha te handeha.” Vao mainka nampitombo ny tsy fahafaliana ny teniny. Nilaza mihitsy aza ny ben'ny tanànan’ny distrika avy amin'ny Antoko Rariny sy Fampandrosoana (AKP) ao Çorum, Taner İşbir, tao amin’ny sioka izay nofafany taorian’ny tsikera fa tokony esorina ny zom-pirenen’ireo mpiasan'ny fahasalamana izay miala ny firenena.

Nanova ny fihetseham-pony, naneho fankasitrahana ireo mpiasan'ny fahasalamana sy nampanantena ny hampiakatra ny karama sy hamahana ireo tranganà herisetra voalaza ny Filoha Erdoğan raha niteny nandritra ny Andron'ny Mpitsabo.

Tsy voalohany izao fitokonana nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana izao. Nanomboka ny volana Oktobra 2021 , naneho ny tsy fahafaliany ireo mpiasan'ny fahasalamana vokatry ny faharatsian'ny fepetran’asa, ny fahasahiranana ara-toekarena ateraky ny fisondrotry ny vidim-piainana sy ny fidinan’ny sandam-bola, ary ny fitomboan'ny trangana herisetra atao amin'ny mpitsabo. Tamin'ny volana Novambra tamin'ny taon-dasa,  nanao diabe avy any Istanbul ka hatrany Ankara ireo mpiasan'ny fahasalamana mba hisarihana ny saina amin'ny fepetra henjana atrehin'ny mpiasan’ny fahasalamana nandritra ny valan’aretina, anisan'izany ny fandemen-tsaina, ny ora lava hiasana ary ny fahasahiranana ara-toekarena. Nisy indray ny fitokonana tamin’ny volana Febroary 2022.

Araka ny nolazain’ny Dr. Sebnem Korur Fincanci, filohan'ny TBB, ankoatra ny karama ambany, dia “ny fampidinana ny tombam-bidin'ny asa, nandritra ny taona maro, hatramin'ny niandohan'ny fitondran'ny AKP [antokon’ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana],” no mampiala ny olona amin'ny asa ara-pahasalamana any Torkia.

Tamin'ny fanambaràna navoaka tamin'ny 14 marsa, hoy ny TBB: “Amin'izao dingana izao, mazava ho an'ny rehetra fa tampina ny rafi-pahasalamana. Miharatsy isan'andro ny fahasalaman'ny fiarahamonina, ary mihasarotra ny fidirana amin'ny fikarakarana ara-pahasalamana. Ao anatin'ny tontolo izay ahitana ny rafi-pahasalamana tsy maharitra, miasa amin'ny karama ambany sy ny asa mafy izahay, miaritra fandrahonan'ny herisetra sy ny fanaovana hadisoana. Ao anatin'ny fotoana izay tsy hanomezan-danja ny voninahitry ny asa matihanina izahay. “

Etsy andanin’izay, mbola misy amin’ireo tompon’andraikitra no tsy te-hahalala.

Devlet Bahceli, the leader of the National Movement Party, which is in a coalition with the ruling Justice and Development Party, addressed members of his party at a meeting on March 15 and denied that there was an issue of workers moving abroad. Bahceli instead, took it out on the TBB accusing them of spreading propaganda, “Now they [TBB] are saying that our doctors are leaving Turkey. They are clueless about our doctors, whose hearts beat with love for their homeland and nation, are not leaving nor planning to leave. If there is anyone who needs to leave this country, it is a handful of separatists in the administration of the TTB. Let them go, let them leave and not come back. And if anyone leaves in addition to them, it is up to them.” Bahceli has made similar remarks over the years. In September 2020, the party leader said the TBB was dangerous and that it was disseminating threatening information.

Niresaka tamin'ny mpikambana ao amin'ny antokony i Devlet Bahceli, mpitarika ny Antoko Hetsika Nasionaly, izay miara-mitantana ao amin'ny antokon’ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana nandritra ny fivoriana tamin'ny 15 marsa ary nandà ny fisian’ny olan’ny mpiasa mifindra any ivelany. Fa nanameloka ny TBB kosa i Bahceli tamin'ny  fiampangana azy ireo ho manaparitaka fampielezan-kevitra, “Milaza izao izy ireo [TBB] fa miala ao Tiorkia ny dokoterantsika. Tsy mahalala ny momba ireo dokoterantsika izy ireo, izay mitempo fitiavana ny tanindrazany sy ny fireneny, izay tsy miala na mikasa ny hiala eto. Na iza na iza maniry hiala amin’ity firenena ity dia ireo mpisintaka vitsy an’isa eo amin’ny fitantanana ny TTB ihany izany. Aleo izy ireo handeha, avelao izy ireo handeha ka tsy hiverina. Ary raha misy miala ankoatra azy, anjarany izany.” Nanao fanamarihana mitovy amin'izany i Bahceli nandritra ny taona maro. Tamin'ny volana Septambra 2020,  nilaza ny mpitarika ny antoko fa atahorana ny TBB ary mampiely vaovao mandrahona.

Nilaza ny mpiasan'ny fahasalamana mpanao fihetsiketsehana fa tsy hijanona izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiany na dia teo aza ny fampanantenana vaovao nataon'ny filoha Erdoğan tamin'ny 14 marsa.

Mila dingana mivaingana izahay fa tsy fandrebirebena: mitohy ny fihetsiketsehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.