CIMER: Sehatra revôlisiônera iray sa fitaovana fitorohana eo an-tànan'ireo mpiaradia amin'ny fanjakana?

Pikantsary avy amin'ny pejy fandraisan'ny CIMER.

Ao Tiorkia, ny CIMER, fanafohezana ny hoe Cumhurbaşkanlığı İletişim Merkezi na Foibem-pifandraisan'ny Fiadidian'ny Filoha, dia napetraka tamin'ny 2015 ho ampahany amin'ireo ezaky ny antoko eo amin'ny fitondrana “Rariny sy Fandrosoana” ho fanampiana ny olompirenena hampita ny “olana, ny fitarainana ary ny fangatahan” ndry zareo mankany amin'ny filoha. Kanefa,  manana ahiahy momba ny fiarovana ilay tranonkala ny sasany ary milaza fa nampiasaina amin'ny zavatra tsy manjary izy io mba hikendrena ireo mpanohitra ara-tsôsialy sy pôlitika.

Fony vao nalefa voalohany izy io, nolazain'i Fahrettin Altun, talen'ny fifandraisana, fa napetraky ny filohe Recep Tayyip Erdoğan ilay foibe “mba hanomezana valiny faran'izay haingana, sy mahomby ho an'ireo fangatahana, fitarainana ary fitadiavam-baovao avy amin'ny vahoaka.” Daily Sabah dia nanoratra tao anatin'ny lahatsorany niarahabany ilay fampiharana ho sahala amin'ny  “fanitàrana ny sarin'ny filoha Recep Tayyip Erdoğan ho toy ny olon'ny vahoaka, ka nanampy azy handresy tamina fifidianana maro.”

Ny nialoha làlana ny CIMER dia ny BIMER (Başbakanlık İletişim Merkezi), na ny Foibem-pifandraisan'ny Praiminisitra. Tamin'ny 2006 izy io no napetraka, nandritra ny fotoam-pitondrana voalohan'i Erdoğan. Araka ny lazain'ilay mpanao gazety, Nevsin Mengu, BIMER dia niasa ho toy ny tolotra iray ho an'ny olompirenena “mba handefasana fitarainana momba ireo andrim-panjakana, sampandraharaha, na momba ireo olompirenena hafa, na izay zavatra rehetra hitan'izy ireo ho tsy mety.” Herintaona taorian'izay, voafidy voalohany ho filoha i Erdoğan, tamin'ny  2014, ary  natambatra tamin'ny CIMER ny BIMER.

Tsy mazava ny momba izay niafaran'ny angondrakitra manokana momba ny olona, sy ireo fampidirana efa nisy tao amin'ny BIMER. Efa tsy azon'ny vahoaka idirana intsony izao ny tranonkalan'ny BIMER.

Hevitra mizarazara

Ho an'ny sasany, toa an'i Altun, ny CIMER dia “revôlisiôna” iray no sady “ohatra iray erantany mendri-piderana amin'ny resaka demaokrasia ifandrimbonana,” ho an'ny hafa indray, miteraka fanontaniana maro ny tena fikasana sy ny tanjon'ilay vovonana.  “Ilay foibe dia nivadika ho vovonana iray fitorohana ny mpanakiana sy ny olona manana fomba fiaina tsy eken'ireo mpanohana ny antoko eo amin'ny fitondrana,” hoy ny nosoratan'ny tranonkala iray tamin'ny Janoary 2022.

“Iray tamin'ireo fehezanteny nampidirina tao anatin'ny rakibolana tiorka tato anatin'ny taona vitsivitsy ny ‘Hotoriako any amin'ny CIMER ianao.’ Tsy tongatonga ho azy tsy misy antony io fomba fiteny io, izay nampiasaina matetika, indrindra fa hamelezana ireo mpanohitra ny governemanta.”

Tamin'ny Septambra 2021, dokotera vavy iray vao notendrena ho amin'ny toerany tao amin'ny iray amin'ireo hopitalim-panjakana iray ao Istanbul, Larin Kayataş, no naato tamin'ny asany taorian'ny fitorohana nataon'ny infirmiera iray miasa ao amin'ilay hôpitaly ihany, nitory azy ho “manohintohina ny maoralim-bahoakoa.” Vehivavy ‘trans’ i Kayataş, araka ny voalazan'ireo tatitra anaty fampahalalambaovao.

Ho an'i Mengu, ny fisian'ny CIMER sy ireo fampidirana marobe voarain'ilay vovonana dia tondro maneho ny “toejavatra misy amin'izao fotoana izao ao Tiorkia.”

Tsy misy na iza na iza ankoatra ny lapa [n'ny filoha] manana fahefana handray fanapahankevitra sy hihetsika.

Manomboka hatrany amin'ireo olana madinika ireny ahiahy ireny, toy ny fitarainana iray momba ny fitondrantena, ny fotodrafitrasa natao ho an'ny daholobe, ary hatramin'ireo fifandiran'ny samy olona sy ny mpiasa, ary ny fitorohana ikendrena ireo olona natao anjorom-bala.

Tamin'ny 2020, vehivavy iray no nangataka ny hanampian'ny CIMER azy handamina ny disadisan'ireo raibe sy renibeny. Niditra an-tsehatra ny governoram-paritra ary nahomby, araka ny notaterin'ny Gazete Duvar.

Ohatra iray akaiky indrindra ny fanadihadiana iray natomboky ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Istanbul nanenjehana  ny Spotify, sehatra iray fandefasana mozika.  Nolazain'ilay birao fa ilay sehatra dia nanaiky fandaharana lisitra izay “manimbazimba ireo soatoavina ara-pinoana sy ireo olom-panjakana.” Araka ireo tatitra,  io fanapahankevitra hanomboka fanadihadiana io dia tonga taorian'ny “naharaisain'ny CIMER fitarainana marobe hoe mandrisika ny olona hankahala ny finoana Silamo ireo lisitra filalao ao amin'ny Spotify, amin'ny alàlan'ny faniratsirana ireo soatoavina ara-pinoana sy ireo olom-panjakana.”

Tamin'ny Jolay, nandefa fangatahana iray nandalo tamin'ny  CIMER i Tacettin Bayir, mpikambana avy amin'ny antoko mpanohitra, nangataka torohay momba ny isan'ireo lazaina fa maoske indiàna nisy nandoro sy ny toerana nisy azy ireny, ny mpitarika ny antoko eo amin'ny fitondrana “Rariny sy Fandrosoana” nilaza fa simban'ireo mpanao hetsipanoherana tamin'ny 2013 ny Gezi park. “Tsy misy antontan-kevitra na tatitra momba ireny fahamaizana rehetra ireny avy amin'ireo faritany,” hoy ny tatitra voarain'i Bayir ho valin'izany.

Araka ny taridàlana ho an'ny mpampiasa CIMER, marobe ireo fomba ahafahana mametraka fitarainana — amin'ny alàlan'ny elektrônika, ny rafitra e-governmanta, amin'ny alàlan'ny telefaona, fax, na fanatonana mivantana. Tsy misy na izay aza amin'ireo ka afaka atao tsy mitonona anarana. Mitaky ny mombamomba anao ny CIMER, manomboka amin'ny karapanondro, anarana sy fanampiny, adiresy, laharan'ny finday ary imailaka. Omena safidy ilay mpitoroka hitanisa na tsia ny dingam-pianarana vitany. Tamin'ny Aogositra, nanambara ny CIMER fa manome tolotra ho an'ireo mpampiasa azy manana fahasembanana amin'ny fihainoana sy fitenenana.

Araka ny  angondrakitra akaiky indrindra, naharay fangatahana niisa 6,1 tapitrisa ny CIMER tamin'ny 2021. Tafiditra ao anatin'ireny ny fomba fijery, ireo fangatahana torohay, ny fitarainana, ny sosokevitra ary ny fanehoana fankasitrahana noho ireo hetsika nataon'ny fanjakàna.

Ireo fangatahana maro nalefa tany amin'ny mpitantana dia nahitàna: fangatahana 45%, fitarainana 40%, zo hahazo vaovao 8%, ary fankasitrahana, fihevitra/sosokevitra ary “Miaraha amin'ny mpitantana” 7%. Niantefa tamin'ny foibe ny 55% tamin'ireo zavatra voaray, raha 45% kosa ho an'ny fitantanana eny an-toerana.

5,5 tapitrisa no voavaha tamin'ireny fangatahana ireny.

Rehefa atambatra, manjavozavo ny tena fikasana sy ny tanjon'ny CIMER.  Raha ny tena izy aza, ny fisian'ilay vovonana sy ny fampiasàna azy dia manasongadina lesoka ara-tsôsialy marobe — tsy fisian'ny fahatokisana ny andrimpanjakana sy ny rafitra, ary ny finoana fa hoe afaka hamaha ny olana rehetra ny filoha; tsy fisian'ny fifampitokisan'ny samy olompirenena satria mifampitoroka izy ireo; ary loharanom-baovao iray, izay afaka anasongadinan'ireo fangatahana ireo fitorohana sy ireo fanambaràna pôlitika mampisara-bazana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.