Mahita fonenana vaovao ao Tiorkia ireo Rosiana manohitra ny ady

Sary an'i Arzu Geybullayeva.

Ao amin'ny faritra be mponina ao amin'ny distrikan'i Kadikoy any Istambul, ny Kafeteria Grao dia miorina eo anelanelan'ireo magazay sy ireo toeram-pisakafoanana ao an-toerana. Igor, 32 taona, no tompon'ny Grao, teratany avy ao Saint-Petersbourg. Ny volana martsa 2022 izy no tonga tao Istambul, taona iray taorian'ny fandehandehanana tany ivelany, nitsidika an'i India, Nepal ary Tailandy. Rehefa afaka volana vitsivitsy tao an-tanàna, dia niaraka tamin'ny namany iray i Igor nanokatra an'i Grao, tamin'ny volana Aogositra. “Tiako be eto”, hoy i Igor tamin'ny Global Voices tao anaty tafatafa iray, “sariaka ny olona”. Saingy tsy toeram-pisotroana kafe tsotra fotsiny i Grao. Misy hevitra vondrom-parahamonina, angamba misy tanjona. Vetivety dia nanjary toerana fihaonana malaza ho an'ireo Rosiana vao tonga sy ireo izay efa nipetraka volana vitsivitsy teto. Misy rihana iray faharoa ihany koa ilay toeram-pisotroana kafe izay hikarakarakan'ny tompony fampianarana teny tiorka indray mandeha isan-kerinandro miaraka amin'ireo mpikambana hafa avy ao anatin'ilay vondrom-piarahamonina, fifanakalozan-kevitra ho an'ireo vao tonga mikasika ny fomba hahazoana taratasy fivahinianana, ny fangatahana nomeraon-ketra sy ny fahatakarana ny fahasamihafàna ara- kolotsaina eo an-toerana. Ny 12 Novambra no voalaza fa hetsika manaraka ary karakarain'ny tarika iray antsoina hoe “Station Change” na “станция смена” izay manasongadina vondrona mpandaha-teny isan-karazany ho an'ireo vao tonga, nefa koa ireo izay nonina tao an-tanàna ka maniry ny hihaona amin'ireo olona vaovao. Araka ny lahatsoratra Istagram :

Ilay hetsika nandrasana fatratra tao Istambul ho an'ireo izay vao avy nifindra toerana na izay efa nonina ela tao Tiorkia ary mitady namana vaovao 🙌 Amin'ity volana ity, hihaona ao Istambul isika ary tsy hevitra manan-danja mikasika ny fifindràmonina amina firenena hafa fotsiny no ho zarainay, fa ny hafanan'olombelona ihany koa, ny aingam-panahy sy ny antony mampavitrika hiova💛
Ao anatin'ny fandaharam-potoana: 🐾Mpiara-manorina ny tetikasa Nikita Kuimov  @nikitakuimov no hiresaka ny vondrom-piarahamonina sy ny fomba hanampian'ireo dia sy ny vondrom-piarahamonina azy hiaina ny nofinofim-piainany🐾 Alena Medvedeva @ale_medvedeva  shiftmaker, bilaogera sady mpamokatra ao amin'ny YouTube no hizara lisitra iray fanamarihana ny hifindràna any amin'ny firenena iray vaovao (anton-taratasy, rohy ilaina sy hevitra, ahoana no hametrahana fomba fanao iray)🐾
Shifter Masha @promokash sady mpampiantrano ny tg-channel ao Istambul no hiresaka aminao ny endriky ny tanàna sy ireo distrika samihafa ao aminy.

Tsy io no fitsidihana voalohany nataon'i Igor tany Tiorkia. Efa in-telo izy no tonga teto. Fa hafa io dia io. “Tonga teto aho, mba hanangom-baovao, avy eo nanapa-kevitra ny hanokatra toerana fisotroana kafe.” Nitantana toeram-pisotroana toaka vitsivitsy tao St. Petersbourg i Igor, araka izany dia nanana traikefa midadasika izy amin'ny fitantanana toerana. Nandritra ny fijanonany teto dia nandeha tsara ny zavatra rehetra tamin'ny ankapobeny. “Nandeha marindrano avokoa ny rehetra”, hoy ny fanazavan'i Igor. Noho ireo namana sy olom-pantatra no nahitan'izy ireo toerana malalaka ho an'ilay kafe sy ilay trano iray izay hipetrahany amin'izao fotoana izao, tsy lavitra an'ilay toerana fisotroana kafe. “Tsy dia mifanohitra loatra amin'i Rosia i Tiorkia amin'io lafiny io”, hoy ny nambaran'i Igor tamin'ny Global Voices.

Na izany aza, ny olona no hafa. “Tiako ny eto”. Ny fifaneraserana tsotra amin'ny maha-olombelona – arahabain'ireo mpiara-monina foana aho isanandro rehefa eny an-dàlana hiasa. Misy dikany ny firaisana vodirindrina. Misy angovo betsaka ary tiako izany. Na ny mpiasan'ny fampanofàna trano aza, izay tsy mahay miteny anglisy na rosiana, dia tia manampy koa.”

Eny, na nahomby ho an'i Igor foana aza izany hatreto dia tsy mora ny làlana nizorana. “Indraindray, ohatran'ny hafahafa. Ny traikefanao rehetra tamin'ny lasa, ny làlana izay nodiavinao hatramin'izao dia tsy misy dikany intsony. Noho izany dia miverina aotra. Fa traikefa mahaliana izany. Amin'ny faha-32 taonanao dia manorina indray toetra vaovao amantarana manokana anao ianao.”

Tsy tena mazava tsara ny isan'ireo Rosiana tonga ao Tiorkia hatramin'izao nanomboka tamin'ilay fananiham-bohitra tsy misy antony nataon'i Rosia tamin'i Okraina. Araka ny voalazan'ny governoran'ny faritra Antalya, toerana fialantsasatra malaza ho an'ireo Rosiàna, hatramin'ny nanambaran'i Poutine ilay fanetsehana amin'ny ampahany, dia nahatratra 19 000 ireo Rosiana tonga isanandro ao Antalya. Milaza ny minisitry Fizahantany fa 800 000 ireo teratany Rosiana tonga tao Tiorkia tamin'ny volana Septambra. Araka ny filazan'ny ministeran'ny Atitany, avy tamin'ny angona ny 3 Novambra 2022, dia ny teratanjy Rosiana no faharoa maro an'isa indrindra amin'ireo vahiny monina ao Tiorkia miaraka amina taratasy fahazoan-dalana hivahiny maharitra (115 365) sy vetivety (95 431), aorian'ireo teratany Irakiàna. Araka ny tatitry ny Daily Sabah dia nitombo ho 199 isan-jato ny fampiasambolan'ny Rosiana teo amin'ny tsenan'ny trano fonenana ao Tiorkia nandritra ireo telovolana roa voalohany ho an'ny taona 2022.

Tsy mahagaga ny fitombon'ny isan'ireo tonga raha oharina amin'ny isa ambany amin'ireo izay mangataka hipetraka. “Maro tamin'ireo olona no tonga tao Tiorkia hatramin'ny nisian'ny fananiham-bohitra sy taorianan'ilay fanetsehana. Saingy maro no mihevitra azy ho toerana vonjimaika. Tahaka ny maro tsy mahalala izay tokony ho atao avy eo,” hoy Igor nanazava.

Amin'ireo rehetra izay efa ao Tiorkia ankehitriny, dia misy koa no artista. Ny sasany mandalo toa ireo mpanao rap Oxxxymiron sy Zemfira; ny hafa toa an'i Evgeny Grinko, izay mitety an'i Tiorkia ary koa any amin'ireo firenena manodidina, ary i Petr Rodionov misafidy ny hijanona. Vao haingana no nanao fampisehoana tao amin'ny Piano House i Rodionov. Fampisehoana niarahana tamin'i Ivan Chepura avy amin'ny teatra Maly Drama, mamaky ireo tononkalo avy amin'ireo Rosiàna mpanoratra malaza. Samy mamboraka ny heviny mikasika ny ady avokoa ny tsirairay amin'ireo artista ireo. Tamin'ny volana Martsa, i Oxxxymiron teo amin'ny hafatra anaty lahatsary iray nozarainy tamin'ny Instagram, dia nilaza fa :”Zavadoza [ny ady ao Okraina].” Heloka bevava io. Izay no antony hanemorako amin'ny fotoana tsy voafetra ireo lanonana enina. Tsy afaka mampifaly anareo aho mandritra ny zera baomba ataon'i Rosia amin'i Okraina. Raha toa ireo mponina ao Kiev voatery miafina any amin'ireo fialofana, ary ny olona kosa maty. Tamin'ny volana Oktobra 2022, ny anaran'ny mpanao rap dia nampidirina tao anatin'ilay lisitra malaza mampalahelo misy ireo “vahiny mpitsikilo ” ao Rosia. Nandritra ny fampisehoana nataony, nilalao mozika sy ny asan'ireo sanganasan'ireo tarika sy mozisiàna Okrainiàna i Radionov.

Iverenantsika i Grao, mitohy hatrany ny fahatongavan'ireo mpajifa miaraka amin'ny solosainy entin-tanana sy ny tabletiny, manafatra sakafo (ny sakafo maraina aloha amin'izao no tena lehibe, anisan'izany ireo sakafo fototra mahazatra sasantsasany sahala amin'ny krepy, ny oladushki – krepy Rosiana, ny sirniki – krepy misy fromazy) sy ny kafé, ary miara-misakafo amin'ireo namany, fianakaviana sady miasa. “Tsy mbola manan-kevitra aho mikasika ny fomba fahenoan'ny olona an'i Grao. Manana pejy Instagram iray izahay ary voalaza ao anatin'ireo fantsona Telegram isan-karazany,” hoy i Igor manazava raha ilay kafé kosa efa miha-tototra.

Vehivavy roa no niditra eo ampiresahana amin'ny fiteny Farsy sady miarahaba an'i Igor. Na Rosiàna aza ny 70%-n'ireo mpanjifa ao amin'ny kafe, mifangaro kosa ny ambiny, hoy i Igor. Misy ihany koa ireo tolotra hanitarana an'i Grao, izay midika hoe ‘voa’ amin'ny teny Portiogey. Manolotra ny toerany ilay mpifanolo-borindrina akaiky eto. Misy ireo tolotra ho an'ny fandraisana tetikasa aristika sy fandefasana sarimihetsika. Saingy mailo i Igor, manazava fa ny drafitra dia ny hampandehanana miadana ny zavatra rehetra aloha hatreto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.