Tranokalam-baovao roa nobahanan'i Torkia

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Nosakanan'ny Filankevitra Ambonin'ny Radio sy Televiziona (RTÜK) ao Tiorkia — ilay sampana mpanara-maso voalohany ny fampitam-baovao lehibe — tamin'ny 30 Jona ny fidirana amin'ny tranonkalan'ny Deutsche Welle (DW) amin'ny teny tiorka sy ny Voice of America (VoA) amin'ny teny Tiorka rehefa nolavina ny fahazoan-dalana hampiely (vaovao). Tonga izao fanapahan-kevitra izao volana maromaro taorian‘ny [fr] nilazan'ny kiadin'ny fampahalalam-baovao ao Tiorkia RTÜK fa hataony izay hahazoana didim-pitsarana hanakanana ny fidirana amin'ny serivisy amin'ny teny Tiorka an'i DW, VoA, ary Euronews. Natao koa ny fanambaràna taorian'ny nandavan'izy telo ireo fangatahana fahazoan-dàlana hampiely vaovao ao anatin'ny fe-potoana 72 ora nomen'ny kiady tamin'ny Febroary 2022. Tamin'ny Avrily 2022, taorian'ny nanaovan'ny Euronews fanitsiana ny tranokalany, dia nesorin'ny RTÜK ny fitakiany ho an'ilay seha-baovao.

“Nofoanan'ny kiadin'ny haino aman-jery ao Torkia RTÜK ny adidy amin'ny EuroNews amin'ny fahazoana fahazoan-dàlan'ny tranokalan-dry zareo. Nilaza ny RTÜK fa nifototra tamin'ny nanalàn'ny EuroNews ny votoaty voalaza fa mila fahazoan-dàlana ny fanapaha-keviny. Mbola tsy vita ny dingana ho an'ny DW sy VoA” @okonuralp

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nomena fahefana lehibe hifehy ny votoatin'ny media anjotra ny RTÜK. Tsy atao mahagaga ilay fihetsika, satria ny 90 isanjaton'ny haino aman-jery mahazatra mahery dia an'ny orinasa mpomba ny governemanta.

Nitsontsorika indray!
Noraràn'ny governemanta Tiorka ny VOA Tiorka sy DW Tiorka.
Ny fialan-tsiny ara-pitsarana dia ny tsy fisian'ny fahazoan-dàlana, ny tena antony dia samy lasa loharanom-baovao manan-danja ireo fampahalalam-baovao amin'ny teny tiorka satria nofehezin'ireo mpandraharahan'i Erdoğan ny fampahalalam-baovao Tiorka

Yaman Akdeniz, mpampianatra lalàna anjotra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Istanbul Bilgi, no nanoritsoritra tamin'ny andianà sioka milaza ny didim-pitsaràna ho “sivana”:

Sivana: Nosakanan'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava misahana ny  Fandriampahalemana ao Ankara ny tranokalam-baovao DW sy VoA.

Ahoana ny nahatongavan'i Torkia ho eo? 

Tamin'ny volana febroary, nanapa-kevitra ny VoA sy DW tsy hanaraka ny fitsipiky ny RTÜK. Tao amin'ny fanambaran'izy ireo, hoy ny Voice of America:

Licensing is the norm for radio and TV broadcasting, because the broadcast spectrum is a finite public resource, and governments have a recognized responsibility to regulate the spectrum to ensure it is used in the broader public’s interest. The internet, by contrast, is not a limited resource, and the only possible purpose of a licensing requirement for internet distribution is enabling censorship.

Fitsipika ho an'ny fampielezam-peo sy fahitalavitra ny fanomezan-dàlana, satria fitaovam-bahoaka voafetra ny sehatra fampielezam-peo aman-tsary, ary manana andraikitra ankatoavina ny governemanta handrindra ny sehatra mba hahazoana antoka fa ampiasaina amin'ny tombontsoan'ny besinimaro izany. Ny aterineto kosa, mifanohitra amin'izany, fa tsy voafetra, ary ny hany tanjona azo atao amin'ny fitakiana fahazoan-dàlana amin'ny fampielezana an'aterineto dia ny famelomana sivana.

Namerina ako izany fihetseham-po izany ny fanambaràn‘ny DW:

After having subjected the local media outlets in Turkey to such regulation, an attempt is now being made to restrict the reporting of international media services. This move does not relate to formal aspects of broadcasting, but to the journalistic content itself. It gives the Turkish authorities the option to block the entire service based on individual, critical reports unless these reports are deleted. This would open up the possibility of censorship. We will appeal against this decision and take legal action in the Turkish courts.

Taorian'ny nampiharana tamin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana ao Tiorkia ny fitsipika toy izany, dia ezahina ankehitriny ny hamerana ny fitateram-baovao avy amin'ny tolotra media iraisampirenena. Tsy mifandraika amin'ny lafiny ara-pomban'ny fampielezam-peo ity hetsika ity, fa amin'ny votoatin'ny fanaovan-gazety mihitsy. Ahafahan'ny manampahefana Tiorka izany hanakanana ny serivisy iray manontolo noho ny tatitra manokana sy manakiana raha tsy voafafa ireo tatitra ireo. Hanokatra ny mety hisian'ny sivana izany. Hanao fampakarana ny raharaha amin'ity fanapahan-kevitra ity izahay ary handray fepetra ara-pitsarana any amin'ny fitsarana Tiorka.

Ny fampitandremana navoaka tamin'ny Febroary dia nifototra tamin'ny didy navoaka tamin'ny Aogositra 2019 rehefa nomen'ny fanjakana fahefana ny RTÜK hanara-maso ny fampielezam-baovao anjotra (manomboka amin'ny sehatra anaovam-pangatahana toy ny Netflix, ka hatramin'ny fandefasana anjotra tsy tapaka sy/na voalahatra ho an'ireo tia sy mpanao horonan-tsary an-trano), manery ny fampielezam-baovao an-jotra haka fahazoan-dàlana avy amin'ny RTÜK.

Tamin'ny Avrily 2022, niresaka tamin'i Bianet i Okan Konuralp, mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny RTÜK, fa mety hanakana ny fidirana amin'ny DW sy VoA ny filankevitra “raha manaiky ny fangatahan'ny RTÜK ny Fitsaram-paritra Ady Heloka Bevava misahana ny Fandriampahalemana ao Ankara. Tamin'ny 30 jona, namoaka didy mirona ho amin'ny fandraràna ny fitsarana. Sambany izao no nampiasaina hanakanana ny vaovao anjotra ny fahefan'ny RTÜK, hoy i Can Guleryuzlu, filohan'ny Fikambanan'ny mpanao gazety liampandrosoana, tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny VoA.

Ho setrin'ny fandraràna izay mitranga ankehitriny, nilaza i Peter Limbourg talen'ny DW, fa “handray fepetra ara-pitsarana hanoherana ny fanakanana ny DW”, tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Financial Times. Nilaza ihany koa i Limbourg, tao amin'ny fifanakalozan-dresaka nifanaovan'ny DW tamin'ny kiadim-panjakana fa noezahan'ny sehatra media ny nanazava “ny antony tsy ahafahany manaiky hangataka fahazoan-dàlana, anisan'izany ny hoe ny haino aman-jery manana fahazoan-dàlana ao Tiorkia dia takiana hamafa votoaty izay heverin'ny kiady fa tsy mety.” Voasakana tanteraka izao ny DW ao Tiorkia, anisan'izany ny rohibe iraisampirenena.

Nandritra izany fotoana izany, nizara tao amin'ny Twitter ny VoA Teny tiorka ny fomba hialana amin'ny fanakanana amin'ny alàlan'ny programa Psiphon sy nthLink:

Rehefa voasakana ny fidirana amin'ny votoaty amin'ny aterineto dia azonao atao ny mandingana ny sivana sy ny fanakanana ary ny miditra amin'ny votoatin'aterineto amin'ny alalan'ny fampiasana ny programa sy fampiharana “Psiphon” sy “nthLink”, izay manana fifanarahana amin'ny Voice of America (VOA) ihany koa.

Namorona tontolon-tsivana ankihy tsy voafetra ao amin'ny firenena iray, izay nofariparitan‘ny Komitin'ny Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ), ho fahenina ratsy indrindra mpanagadra mpanao gazety araka ny tatitra nataon'ny fikambanana tamin'ny herintaona ny fanitsian-dalàna avy amin'ny andrim-panaovan-dalàna ho  lalàna nasionaly sy ireo fanaraha-maso ataon'ny andrim-panjakana toy ny RTÜK. Amin'ny mihintsan-dravina ny parlemanta hanomboka adihevitra momba ny volavolan-dalàna momba ny haino aman-jery nomen'ny mpitsikera ny governemanta anaram-bositra ho “volavolan-dalànan'ny sivana”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.