
Sary nataon'i Joshua Hoehne. Nampiasana maimaimpoana tamin'ny lisansa Unsplash.
Voalaza fa nihikiaka hoe “Vladimir Putin” avy eny amin’ny gradins ireo mpankafy klioban’ny baolina kitra tiorka, Fenerbahce nandritra ny lalao nifanandrinan’ny Tiorka Fenerbahce sy Dynamo Kyiv tamin'ny 27 Jolay lasa teo. Natao hanesoana ireo Okrainiana mpifaninana amin’izy ireo ity hiaka ity amin'ny filazana ny fanafihan'ny filoha Rosiana Vladimir Putin an'i Okraina amin’izao fotoana izao.
Fotoana fohy monja dia lasa fanafintohina iraisampirenena ilay hiaka. Namaritra ilay hiaka ho “maharikoriko” ny gazety sasany. Taorian'ny lalao, raha niresaka tamin'ny mpanao gazety, tsy niresaka momba ilay hira ny mpanazatran’ny Fenerbahce Jorge Jesus. Ny 28 jolay anefa, namoaka fanambarana ny mpitantana ny klioba manameloka ilay hiaka hoe: “Na inona na inona antony, tsy midika akory izany, amin'ny maha Klioban’ny Fenerbahce anay fa manaiky ilay hiaka natao teny an-kianja izahay.” Nilaza ihany koa ny mpitantana ny klioba fa tsy tokony hamaritana ny soatoavin'ny ekipa na ny mpankafy ny klioba ny fahadisoana 20 segondra natao tao anatin’ny lalao maharitra 120 minitra.
Tonga ny hiaka rehefa nahafaty ny baolina voalohany ho an’ny ekipa Dynamo Kyiv i Vitaliy Buyalskyi, mpilalao afovoany. Tamin'ny farany, resy tamin'ny isa 2-1 ny Fenerbahce manoloana ny ekipan'i Kyiv.
Dynamo Kyiv 🔵⚪️ beat Turkish Fenerbahçe in the Champions League qualifiers.
Fenerbahçe fans were shouting pro-Russian chants, and singing Putin’s name, the name of a murder who killed thousands.
Fenerbahçe are losers both on and off the field.
— Oleksiy Sorokin (@mrsorokaa) July 27, 2022
Noresen'ny Dynamo Kyiv 🔵 tamin'ny lalao fifanitsanana Ligue des champions ny Tiorka Fenerbahçe ⚪️.
Nihiakiaka fanohanana Rosiana ny mpankafy Fenerbahçe, ary nihiaka ny anaran'i Putin, anaran'ilay mpamono olona nahafaty olona an'arivony.
Sady resy teny an-kianja no resy ivelany ny Fenerbahçe.
🇹🇷@Fenerbahce fans massively chanting “Vladimir Putin” during today's @ChampionsLeague qualifying match against 🇺🇦@DynamoKyiv is sickeningly disgusting. Treading on a tragedy purely out of spite.
But. Just as Fener lost today, Putin will also lose.
— Danylo Mokryk (@DMokryk) July 27, 2022
Tena maharikoriko ny fihirahirana mafy hoe “Vladimir Putin” nandritra ny lalao fifanintsanana @ChampionsLeague tamin'i 🇺🇦@DynamoKyiv androany. Manitsakitsaka voina noho ny fahadisoam-panantenana fotsiny.
Nefa. Tahaka ny naharesy ny Fener androany no haharesy koa an’i Putin.
Naneho hevitra ihany koa ny ambasadaoron'i Okraina any Tiorkia, Vasyl Bodnar hoe:
Futbol adil bir oyun. Dün Dynamo Kyiv daha güçlüydü.
Fenerbahçe taraftarlarından, ülkemizi bombalayan Rus katil ve saldırgan lehine destek sözlerini duymak çok üzücüdür.
Dost 🇹🇷 halkına 🇺🇦’ya desteği ve taraftarların uygunsuz eylemlerine ilgili değerlendirmesi için minnettarım.— Vasyl Bodnar (@VasylBodnar) July 28, 2022
Football is a fair game. Yesterday Dynamo Kyiv was stronger. But it was upsetting to hear fans of Fenerbahnce chant in favor of Russian murderer and aggressor bombing our country. I am grateful to the friendly people of Turkey supporting Ukraine and viewing actions of the fans as inappropriate.
Manaraka fitsipi-dalao ny baolina kitra. Natanjaka kokoa ny Dynamo Kyiv omaly. Saingy nahasosotra ny nandre ireo mpankafy ny Fenerbahnce nihiaka nanohana ny Rosiana mpamono olona sady mpanafika baomba ny firenenay. Mankasitraka ny vahoaka tsara fanahy ao Torkia manohana an'i Okraina aho ary mihevitra ny fihetsiky ny mpankafy ho tsy mety.
Nilaza ny mpanazatra ny ekipa Okrainiana fa “mahamenatra” ny fironan’ny mpankafy Fenerbahce tamin'ny hiaka toy izany.
Nisara-kevitra ny tambajotra sosialy. Niantso ny zava-niseho ho mahamenatra ny olona sasany ary nilaza fa tokony horarana ny klioba Tiorka amin'ny Fikambanan’ny Baolina Kitra Eoropeana (UEFA), izay filankevi-pitantanan'ny baolina kitra Eoropeana, ny hafa kosa niaro ny fanehoan-kevitra avy eny amin’ny gradins.
Fenerbahce fans chanting Putin’s name during Champions’ League game is like Nazi salute.@UEFAcom, give them 5-year ban.
Please retweet. pic.twitter.com/vlxNpB8gpv
— Fuat (@lilygrutcher) July 27, 2022
Toy ny fiarahabana Nazi no nataon’ny mpankafy Fenerbahce mihiaka ny anaran'i Putin nandritra ny lalaon'ny Champions League. @UEFAcom, omeo fandrarana 5 taona izy ireo.
Zarazarao ny sioka azafady.
A deeply embarrassing moment for Fenerbahçe and Turkey as fans try to bait Dynamo Kiev players by chanting for Vladimir Putin.
Many Kiev players will have friends and family they have lost in this unforgivable war of aggression.
This is wrong.https://t.co/OiA3ClZh3B
— Can Okar (@canokar) July 27, 2022
Fotoana tena mahamenatra ho an'ny Fenerbahçe sy Torkia rehefa nikasa handrebireby ireo mpilalao Dynamo Kiev ireo mpankafy tamin'ny fihirahirana ny anaran'i Vladimir Putin.
Mpilalao Kiev maro no hamoy namana sy fianakaviana tamin'ity adin'ny herisetra tsy azo avela heloka ity.
Diso izany.https://t.co/OiA3ClZh3B
Mpisera Twitter iray no nanamarina ilay fihirahirana ary nilaza fa noho ny fihetsika nataon'ny iray tamin'ireo mpilalao Dynamo Kyiv no nanafintohina ny mpankafy. Nilaza i Nico Cantor, mpitati-baovaon’ny baolina kitra CBS, fa nankalaza ilay baolina maty “tamin'ny alalan'ny fanaovana fihetsika voromahery tamin’ny tanany i Vitali Buyalskyi, izay fihetsika mazava fandrafiana ny Fenerbahce, Besiktas”. Mariky ny klioba Besiktas ny Voromahery.
Rival player made gestures to fans after scoring, and even got a card because of it. This is making a mountain out of a molehill. Fans got angry. I would agree if they kept chanting the whole game
— Murat (@dpiece90) July 27, 2022
Nanao fihetsika tamin'ny mpankafy ilay mpilalao mpifanandrina rehefa avy nahafaty baolina, ary nahazo karatra mihitsy aza noho izany. Vao mainka nanasaro-javatra izany. Tezitra ireo mpankafy. Manaiky aho raha mbola nihiaka nandritra ny lalao manontolo izy ireo
Manamafy izany fanamarihana izany ny fanambarana navoakan'ny klioba ny ampitson'iny. Araka ilay fanambarana, “Teo amin’ny minitra faha-58, tamin’ny lalao omaly, ny fihetsika tafahoatra nataon’ireo mpilalao sasany avy amin’ny ekipan’ny mpifanandrina, indrindra ireo mpiandry tsato-kazo izay nilalao tao amin’ny ekipa iray teto amintsika teo aloha dia nanaitra ireo mpijery teny amin’ny gradins ka nahatonga ilay fihetsika naharitra 20 segondra monja tao anatin’ny lalao 120 minitra”.
Nihazakazaka nankany amin'ny tambajotra sosialy ny mpankafy Fenerbahce sasany, ary koa ny mpanohana ny klioba Tiorka hafa, mba hiala tsiny tamin'ny fihetsik'ireo mpankafy Fenerbahce.
We apologize for the disgusting cheers of the Fenerbahçe fans. The Turkish people are with you.
— Colmanın Bandanası (@Elcolmandante61) July 28, 2022
Miala tsiny izahay noho ny horakoraka maharikoriko nataon'ireo mpankafy Fenerbahçe. Miaraka aminareo ny vahoaka Tiorka.
As a Fenerbahçe Fan who was in the stadium tonight, I want to apologise for the inappropriate chant about “Putin. I did not participate to this shame and I am terribly sorry as a fan. Be sure that it was a quick and unplanned reaction which most fans do not agree. @dynamokyiven
— Hastafenerli (@DV1907) July 27, 2022
Amin'ny maha mpankafy Fenerbahçe izay tao amin'ny gradins ahy androany alina dia te-hiala tsiny aho noho ny hiaka tsy mendrika momba ny “Putin. Tsy nandray anjara tamin'izany zava-maha-menatra izany aho ary tena malahelo amin'ny maha mpankafy ahy. Minoa ianareo fa fihetsika tampoka sy tsy voahevitra izay tsy eken'ny ankamaroan'ny mpankafy izany. @dynamokyiven