Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Oktobra, 2019
Manana antony roa fanampiny hitarainana momba ny fifamoivoizana ny renivohitr'i Bangladesh
"Mijaly mafy ny olona noho ny fitohanan'ny fiara, mila fialan-tsasatra ny vahoaka, vitao azafady ny tetikasa Metrorail voalohany".
Rosia: Hazo Noely adala ao Vladivostok
Tsy afaka mihitsy amin'ny vazivaziny izay manakana azy ireo amin'ny fahaketrahana maharitra ireo mponin'i Vladivostok, tanàna seranan-tsambo Rosiana lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Mihomehy amin'ny zava-drehetra izy ireo, na izany fitohanana mahatsiravina, na filatsahan'ny ranomandry manaitra, ny ravaky ny hazo noely na hetra vaovao amin'ireo fiara Japoney nafarana.
Nanala ny ampahany tamin'ny fanapahana ny fifandraisana ao Kashmir i India, mbola tapaka kosa ny aterineto
Araka ny tatitra vao haingana, manohitra ny famoretana sy ny fanakatonana ny fifandraisana napetraky ny governemanta Foibe Indiana ny Kashmirita "amin'ny alalan'ny satyagraha na tsy fankatoavana sivily tsy misy herisetra".
Tezitra amin'ny tsy nahatafidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny Albaney; ‘mbola mamiratra’ ny masoandro, hoy kosa ny PM
"Ity no fahadisoana goavana indrindra nataon'ny EU tamin'ity taona ity, firenena eo ampanavaozana izay tena nila ity fanapahan-kevitra ity i Albania"
Nosafidian'ny BBC ho iray amin'ireo vehivavy 100 nanana herim-panintonana indrindra ilay vehivavy Thailandey moanina Theravada
Nifanehitra tamin'ny fanoherana avy amin'ny laika sy ny moanina izay manohitra ny fanokanana ny vehivavy ny ezaka nataon'i Dhammananda hanangana indray ny fitohizan-taranaka Theravada bhikkhuni (monasiteran'ny vehivavy) any Thailandy.
Barbadiana sa Jamaikana i Rihanna? Milaza ireo mpisera Twitter Jamaikana fa Jamaikana izy
Eny, avy ao amin'ny nosy Karaiba, Barbados ilay mpihira superstar, Rihanna, saingy nisy fotoana nanontany tena ireo mpisera media sosialy raha tena avy ao Jamaika tokoa izy.
Mikasa ny hanakatona ny ONG mpiaro ny zon'olombelona ela niainana indrindra ao amin'ny firenena ny farany havanana ao Bolgaria
Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana nanomboka tamin'ny taona 2007, nivadika ho farany havanana i Bolgaria tamin'ny taona 2017 raha niara-dia niaraka tamin'ny fiaraha-mitantan'ny antoko nasionalista madinika ny antoko afovoany-havanana GERB an'ny Praiminisitra Borisov.
Namoaka rakibolana antserasera amin'ny fiteny indizeny 21 ny fanjakana indiana ao Odisha
Ahitana fiteny mihoatra ny 780 eto India ary manakaiky ny 220-250 eo ny fiteny maty tao anatin'ny 50 taona farany.
Na dia teo aza ny ‘solon'ny loka’ tamin'ny herintaona dia tsy nomena an'i Maryse Condé avy ao Guadeloupe ny Loka Nobel Literatiora taona 2019
Saika nitsiky tany amin'i Maryse Condé ny herijika saingy ilay mpanoratra Aotrishana Peter Handke no notoloran'ny Akademian'i Soeda ny loka Nobel ho an'ny Literatiora taona 2019.
Thailandey mpisera Twitter miatrika fandrahonana noho ny fanehoankevitra momba ireo fiara mpanotrona ny mpanjaka
Nalaza tao Thailandy ny farangonteny #royalmotorcade rehefa nitatitra olana nateraky ny trended in Thailand after netizens reported traffic problems caused by a royal motorcade.