Barbadiana sa Jamaikana i Rihanna? Milaza ireo mpisera Twitter Jamaikana fa Jamaikana izy

Rihanna tao amin'ny Mozea Madame Tussauds Wax, Londra, Angletera. Sary avy amin'i Daniel Ramirez, CC BY 2.0.
Eny, avy ao amin'ny nosy Karaiba, Barbades ilay mpihira superstar, Rihanna, saingy nisy fotoana nanontany tena ireo mpisera media sosialy raha tena avy ao Jamaika tokoa izy.
Na dia eo aza ny resaka momba ny firaisam-paritra, tena misy kosa ny fifandrafiana eo ain'ireo mponin'ny nosy Karaiba. Tao amin'ny media sosialy, dia tahaka ny vazivazy tsotra izany, indrindra tao amin'ny Twitter. Saingy raha nivazivazy momba ny taham-pifanakalozana dolara Jamaikana ireo mpisera Barbadiana, nanao zavatra tsara manaraka ihany koa ny Jamaikana — nilaza izy ireo fa azy ireo manokana i Rihanna:
#RihannaisJamaican https://t.co/APtqAuqsl7
— ???????? (@shaquangordonn) October 9, 2019
Jamaicans, you know, if we pretend like Rihanna is Jamaican, the world will believe us, and there is nothing Bajans [Barbadians] can do about it.
Let's kidnap Rihanna's nationality, y'all.
— rihanna is jamaican (@DavidEatsViagra) October 9, 2019
Jamaikana, fantatrao, raha milaza izahay fa Jamaikana i Rihanna, dia hino anao izay tontolo izao, ary tsy misy azon'ny Bajans [Barbadiana] atao momba izany.
Andeha haka an-keriny ny zom-pirenen'i Rihanna.
Niarina tamim-pifaliana ireo mpisera Jamaikana mahatsiaro somary torovana taorian'ny tantara ratsy vaovao momba ny kolikoly -
Te-hanala azy, nanomboka nanoratra indray ny tantaran'i Rihanna izy ireo, miaraka amin'ny fanampiana betsaka avy amin'ny Photoshop, izay nahafahan'i Rihanna voalaza fa “nahazo volamena” ho an'i Jamaika tao amin'ny Olaimpika, nandresy an'ilay sangany mpilalao Shelly-Ann Fraser-Pryce (izay tena Jamaikana!):
Rihanna Fenty ?? wins GOLD and Shelly-Ann Fraser-Pryce ?? BRONZE in Women's 100M Final at the 2016 Olympic Games in Rio de Janeiro, Brazil. #RihannaIsJamaican #RihannaIsJamaican #RihannaIsAJamaican #JamaicanTwitter pic.twitter.com/erY7U3j7s1
— Ajay Edwards (@edwards_ajay) October 12, 2019
Nahazo VOLAMENA i Rihanna Fenty ?? ary HALIMO i Shelly-Ann Fraser-Pryce ?? tamin'ny lalao Famaranana 100M sokajy vehivavy tamin'ny Lalao Olaimpika 2016 tao Rio de Janeiro, Brezila. #RihannaIsJamaican #RihannaIsJamaican #RihannaIsAJamaican
Hita tamin'ny KFC ihany koa izy:
Saw Rihanna in KFC today#RihannaIsJamaican pic.twitter.com/dsWZ66txcb
— Chris dBoss (@ChrisDboss4401) October 12, 2019
Nahita an'i Rihanna tamin'ny KFC androany #RihannaIsJamaican
Nampiditra ny praiminisitra Jamaikana mihitsy aza ny mpisera Instagram iray malaza
A MESSAGE FROM OUR PRIME MINISTER @AndrewHolnessJM #RihannaIsJamaican #RihannaIsAJamaican pic.twitter.com/LWGzJFQ75r
— IG:itz_datjay (@jaychekkazz) October 12, 2019
HAFATRA AVY AMIN'NY PRAIMINISITRA @AndrewHolnessJM #RihannaIsJamaican
Nanjary goavambe ny zava-drehetra raha nanomboka nilalao tamin'ny tombontsoa antserasera izay arovany ny fikambanana- ny ambasady Amerikana any Jamaika ohatra nanararaotra ny hirika mba hampahafantara ny foaran'ny kolejiny.
Looks like Rihanna. Could it have been Rihanna at last year’s College Fair? Come on out to EdUSA’s College Fair! Kingston, Jamaica. You never know who may show up! pic.twitter.com/uoVqG4E1st
— US Embassy Jamaica (@USEmbassyJA) October 11, 2019
Toa i Rihanna. Tsy i Rihanna ve no tao amin'ny foaran'ny kolejy tamin'ny herintaona? Tongava ao amin'ny Foaran'ny Kolejy karakarain'ny EdUSA! Kingston, Jamaika. Tsy ho fantatrao velively izay hiseho! pic.twitter.com/uoVqG4E1st
Nijapy tao anaty fiaran-dalamby am-pandehanana ihany koa ny orinasa madinika:
I’m here @ Rhianna’s Boutique in Portmore #Rhiannaisjamaican pic.twitter.com/Po2696Amfp
— IG:theambitionboss (@TheAmbitionBoss) October 12, 2019
Eto amin'ny fivarotan'i Rhianna eto Portmore aho
Tsy maintsy misisika ho azy ny antoko politika ao Jamaika, nandrisika mpisera Twitter iray hizara ny sarin'i Rihanna niaraka tamin'ny lokon'ny antoko (samy nilaza ireo antoko politika ao amin'ny firenena fa azy ireo i Rihanna):
Yes I was so proud when she addressed the conference #RihannaIsJamaican pic.twitter.com/4nxQ7uvu0p
— Dr Khia Josina Duncan (@KhiaJosina) October 11, 2019
Eny.! Tena mirehareha aho rehefa mandray fitenenana amin'ny valan-dresaka izy
Iray amin'ireo sary malaza indrindra natao photoshop ny sarin'i Rihanna ao amin'ny vola 500 dolara Jamaikana, misolo an'i Nanny, mahery fon'ny firenena, mamaly ny tsikera tany am-boalohany nataon'ny Barbadiana momba ny faharefon'ny dolara Jamaikana.
Indisputable proof! #RihannaIsJamaican pic.twitter.com/2JJjIzFrDc
— K (@FALCONINTHASKY) October 10, 2019
Porofo tsy iadian-kevitra!
Nizara resadresaka sary an-tsaina miaraka amin'i Rihanna ilay vehivavy mpandraharaha Barbadiana iray monina ao Jamaika, A. Cecile Watson.
Many have been calling on Rihanna to speak up to defend herself against the claim that she is Jamaican. Bajans are disappointed because she hasn’t spoken up and Jamaicans are tickled pink by her silence. And I wondered which side of the argument RiRi was likely to fall.
So I decided to ask her! And did she ever sing! […]Me: So Riri what have you been up to whilst #RihannaIsJamaican was exploding all over Twitter.
RiRi: Werk, Werk, Werk, Werk
Me: So how did you hear about it?
RiRi: Pon de Replay
Me: What do you have to say to the Jamaicans?
RiRi: Love The Way You Lie
Maro ireo nangataka an'i Rihanna mba haneho hevitra hiaro azy manoloana ny filazana fa Jamaikana izy. Diso fanantenana ny Bajana satria tsy niteny izy ary tsy nahateny ny Jamaikana noho ny fahanginany. Ary manontany tena aho hoe iza amin'ireo tohan-kevitra RiRi no hianjera.
Ka tapa-kevitra hanontany azy aho! Ary nihira izy! […]Izaho: Riri, inona no nataonao raha nipoaka tao amin'ny Twitter ny #RihannaIsJamaican?
RiRi: Werk, Werk, Werk, Werk
Izaho: Koa ahoana no nandrenesanao momba izany?
RiRi: Pon de Replay
Izaho: Inona no tsy maintsy lazainao amin'ny Jamaikana?
RiRi: Tiako ny fomba fandainganao
Tsy ireo ihany no fifandraisana ara-mozika natao:
Yes sir that is @rihanna playing the music of her fellow country man @konshens at her book launch #RihannaisJamaican https://t.co/xEiwrIiVEF
— Sound Chat Radio (@IrishandChin) October 12, 2019
Eny ramose, @rihanna milalao ny mozikan'ny namana mpiray tanindrazana aminy @konshens tamin'ny fampahafantarana ny bokiny izany
Voalaza fa nandresy tamin'ny fifaninana malaza dancehall Jamaikana ity superstar ity:
Never forget when Rihanna won Magnum King and Queens of dancehall couple years back and release the song Tun Up with Baby Cham #RihannaIsJamaican pic.twitter.com/tp6tCUyiDW
— Canz?? ? (@Iam_canz) October 12, 2019
Aza adinoina mihitsy raha nandresy tamin'ny Magnum King sy Queens of dancehall roa taona lasa i Rihanna ary namoaka ny hira Tun Up with Baby Cham
Andeha ekena, hoy ny Jamaikana fa mankafy mozika Jamaikana i Rihanna:
Plus Rihanna's new album is supposedly heavily reggae influenced and includes many Jamaican features and artistes with writing credits. #RihannaIsJamaican pic.twitter.com/YMxs03JMDZ
— ERIMA (@AzulaNeededHelp) October 11, 2019
Satria koa ny raki-kira vaovaon'i Rihanna voalaza fa reggae tanteraka ary ahitana endrika Jamaikana marobe sy mpanakanto mpanoratra malaza
Na izany aza, nilaza ny mpihira Jamaikana iray fa tsy faly ny Barbadiana:
I guess I am naive. I really thought that #RihannaIsJamaican would be considered a brilliant joke by all. Not so! Some Bajans a bringle bad!
Lawd! Some tek it deep sah.— NadineSutherland (@Nadinesutherlan) October 11, 2019
Heveriko fa tsotra loatra aho. Tena nihevitra aho fa noraisin'ny rehetra toy ny vazivazy tanteraka ny #RihannaIsJamaican. Nefa tsy izany! Tezitra ny Bajana sasany!
Nanaporofo ny zavatra tian'ny maro hampanjakaina ny zava-misy fa hita tao amin'ny fantsona fahitalavitra Kanadiana ny tenirohy (ary sahiran-tsaina tanteraka ihany koa ireo mpanampy virtoaly tahaka ny Siri ) – aza misangisangy amin'ny Twitter Jamaikana:
#JamaicanTwitter look what y’all did we done made it on Canadian news ?????? this jus show how powerful Jamaican twitter is #RihannaIsJamaican pic.twitter.com/3PF7BRrWF9
— TroPicAl DëprêSsIõN???♀?? (@Iqqzfrfr) October 11, 2019
#JamaicanTwitter, jereo ny zavatra nataonareo fa nivoaka tamin'ny vaovao Kanadiana ?????? mampiseho fotsiny izany fa matanjaka ny twitter Jamaikana
Even Siri knows now. #RihannaIsJamaican #RihannaIsAJamaican #Rihanna pic.twitter.com/37e4vZufiW
— King Leo (@The_Lil_Bro) October 12, 2019
Na dia i Siri koa aza mahafantara ankehitriny.
Tsy i Siri ihany no nilaza fa mizaka zom-pirenena roa i Rihanna, fa namoaka ny “zava-misy” ihany koa ny mpanampy virtoalin'ny Google fa teraka tao Kingston, Jamaika i Rihanna:
#RihannaIsJamaican can't argue with facts. ??♂ https://t.co/eiswb4rOl0
— Wellington6ix? (@omarilisab) October 12, 2019
Tsy afaka miadihevitra amin'ny zava-misy ny #RihannaIsJamaican.
Nohavaozina vao haingana ihany koa ny pejy Wikipedia Rihanna mba hanehoana ny toerana nahaterahany.
Na dia niteraka adihevitra momba ny toerana angalan'ny mpanampy virtoaly ny loharanom-baovaony aza izany – sy izy toa voalaza fa manaparitaka “vaovao faikany” amin'ny alalan'ny media sosialy amin'ny fanovana ny zava-misy, dia tsy niala ireo mpisera Twitter Jamaikana. Fa kosa, nanamarika tamim-pahasiahana hoe:
The saddest thing for Bajans out of all this #RihannaIsJamaican saga is that it’s been going on for several days now and not once has Rihanna come out to deny any of the Jamaican allegations. ????
— Kemoy Lindsay (@KemziLinzi) October 11, 2019
Ny zavatra tena mampalahelo ho an'ny Bajana amin'izany #RihannaIsJamaican izany dia efa andro maro izay no nivezivezen'izany ary mbola tsy nolavin'i Rihanna ny filazan'ny Jamaikana.
Jamaikana iray hafa, na izany aza, nilaza ny anjara asan'ny vazivazin'ny Jamaikana ho mandresy ny fahasarotana
The now epic #RihannaIsJamaican heist is a great example that the Jamaican sense of humour, like our creativity, runs very deep (the penchant for humour also shines in the dynamics of our native language). It has been a valuable asset that has helped us survive many hard times.
— Tony Morrison?? (@TonycusGannicus) October 12, 2019
Ny zava-dehibe ankehitriny dia ohatra tsara ny #RihannaIsJamaican satria lalina tanteraka ny fitiavana vazivazy eo amin'ny Jamaikana, tahaka ny famoronantsika (misongadina amin'ny tenin-drazantsika ihany koa ny fironana amin'ny vazivazy). Tombontsoa sarobidy izany izay nanampy antsika ho tafavoaka amin'ny fotoan-tsarotra
Mandritra izany, vao avy namoaka boky i Rihanna ary hanomboka ny raki-kirany vaovao tsy ho ela. Nifantoka tamin'ny lamaodiny sy ny fanentanana naharitra amam-bolana momba ny homamiadan'ny nono tamin'ny alalan'ny fikambanany mpanao asa soa izy. Sahirana loatra ny Barbadiana hamaly — saingy mihomehy angamba izy.