Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Novambra, 2015
Tongasoa Eto Amin'ny Hetsika #StandwithRussia (Mijoro miaraka amin'i Rosia)
Momba ny fampitàna amin'i Tiorkia ny fahatsapan'izy ireo ny fanafihana natao an'ilay Su-24 tany ampiandohan'ity herinandro ity, nampiseho fahaizana mamorona ireo Rosiana mpampiasa aterineto.
Polisy vaovao Okrainiana voarara amin'ny fampiasana tambajotra sosialy rosiana
Fihoaram-pefy amin'ny polisy Okrainiana ankehitriny ny miserasera VKontakte sy Odnoklassniki, sehatra rosiana roa malaza indrindra ao Okraina.
Molenbeek, Zavamisy Mifaningotsingotra Ao Amin'ny Fiarahamonina Vasohan'ny Media
Ao afovoan'ny renivohitra Belza no misy an'i Molenbeek-Saint-Jean, fiarahamonina manana fidiram-bola ambany fandalovan'ireo voarohirohy ho nanatanteraka ny fanafihana tao Parisy sy ireo hetsika feno herisetra hafa.
Aza Ny Gazety Anglisy “The Sun” No Anontaniana Raha Te-hahalala Izay Sainin'ny #Miozolmana1amin5 (#1in5Muslims)
Nitondra ho amin'ny tenifototra mahatsikaiky ny gazety britanika The Sun taorian'ny nanodinkodinany ny vokatry ny fitsapàna hevitra natao tamin'ny antso an-telefaona ho lasa lohateny vaventy makahàla Silamo, manao hoe "1 amin'ny Britanika Miozolmana 5 no Miombom-po amin'ireo jihadis"
Voaràra Manerana An'i Rosia Izao Ny Bitsika ‘Charlie Hebdo’
Noraràn'ny fitsaràna monisipaly iray ao Chechnya ny kaonty Twitter an'ilay gazetiboky frantsay Charlie Hebdo. Tamin'ny 23 Novambra 2015 ilay didim-pitsaràna. Mifanaraka amin'ny lalàna federaly Rosiana, manankery manerana an'i Rosia ilay fandraràna
Tanzaniana Efatra Voampanga Noho Ireo Vaovao Politika Nalefany Tamin'ny WhatsApp
Tanzaniana efatra no nosamborina sy voaheloka noho ireo tsikera politika nalefany tamin'ny fampiasàna fandefasan-kafatra WhatsApp.
Resy Tamin'ny Fifidianana Anatiny Nataony Ny Antoko Mpanohitra ao Gresy
Mamazivazy ny antoko mpanohitra, Demaokrasia Vaovao ny mpiserasera Grika noho ny tsy fahombiazany nanatontosa fifidianana anatin'ny antoko.
Nodimandry i Gershom Ndhlovu, Zambiana Mpanao Gazety sady Mpandray Anjara ato amin'ny Global Voices
Nandao ny tany tamin'ny faran'ny herinandro teo ilay mpanao gazety hajaina, Gershom Ndhlovu, izay niasa "handao an'i Zambia tsaratsara kokoa ho an'ny zanatsika sy ny zanany"
Maherin'ny 100 Ireo Gadra Fahiny Noho Ny Politika No Nahazo Toerana Ao Amin'ny Parlemanta Tamin'ilay Fifidianana Manan-tantara Tao Myanmar
Gadra fahiny noho ny resaka politika ary efa nandia fotoana maro tany am-ponja ny 10 isanjato eo ho eo amin'ireo nandresy tamin'ny fifidianana tao Myanmar.
Aiza Ny Hatezerana Noho ilay Fanolanana Faobe Tao Sodàna Atsimo Rotiky Ny Ady?
Tsy anavakavahana ireo fanafihana ara-nofo feno herisetra. Lasa ampiasaina ho fitaovam-piadiana amin'ny ady ny fanolanana any amin'ny ady an-trano amin'ilay firenena.