Nodimandry i Gershom Ndhlovu, Zambiana Mpanao Gazety sady Mpandray Anjara ato amin'ny Global Voices

Gershom Ndhlovu speaking at Global Voices Citizen Media Summit 2015 in Cebu, Phillipines. Photo shared on his Facebook page.

Gershom Ndhlovu nandray anjara fitenenana nandritra ny zaikaben'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra Global Voices 2015 tao Cebu, Philippines. Saripikan'i Jeremy Clarke. Nampiasaina noho ny Lisansa Creative Commons

Amin'alahelo sy hirifiry lehibe no anambaranay ny fahafatesan'ny iray amin'ny mpikambana mavitrika ato aminay, Gershom Ndhlovu, izay nandao ny tany tao Basingtoke ao amin'ny Fitondram-Panjaka Mitambatra tamin'ny alahady 22 Novambra 2015. Nandao ny tany tamin'ny faha-51 taonany izy.

Ndhlovu dia niditra tato amin'ny Global Voices tamin'ny 9 Jolay 2010. Tsy sasatra ny nandray anjara izy tao anatin'izay dimy taona mahery tato amin'ny fikambanana GV izay, eny fa na dia nisy otoana tsy salamalama aza izy, amin'ireo tsanganana mahasahana ny toekarena sy ny hetsika sosio-politika mitranga ao an-tanindrazany ao Zambia. 136 ny isan'ny tsanganana [lahatsoratra] vitany.

Ny lahatsoratra voalohany navoakany, Zambia: Meet Zambian Citizen Broadcasters, [Zambia: Fantaro ireo olom-pirenena Zambiana mpampiely feo/sary] dia nivoaka tamin'ny 20 jolay 2010. Ny lahatsoratra farany, Zambia’s Master Class in Mishandling ICT Exams, [Kilasin'ankizy lehibe ao Zambia tsy mahay mikirakira fanadinana TIC] dia nivoaka tamin'ny 7 Novambra 2015.

Toy izao no anoritsoritany ny tenany ao amin'ny horirany Global Voices:

I am a Zambian journalist and blogger with a passion for all things Zambian. In the process of commenting on the political, social and economic issues of my country of birth, some people obviously get hurt which is not my intention. My mission is to present facts as they are. Whatever the case, the idea is to leave a better Zambia for our children and their children.

Zambiana mpanao gazety sady bilaogera manana fankamamiana ny zavatra Zambiana rehetra aho. Amin'ny fanehoako hevitra amin'ny resaka politika, fiarahamonina ary toekarenan'ny firenena nahaterahako, dia misy ny olona sasantsasany tohina tokoa nefa tsy izay no nokasaiko. Ny iraka ataoko dia ny hampiseho ny marina araka ny hita. Na inona na inona raharaha, ny hevitra dia ny handaozana Zambia tsaratsara kokoa ho an'ny zanatsika sy ny zanany.

Gershom dia niasa nandritra ny 12 taona tao amin'ny gazetin'ny governemantan'i Zambia Daily Mail ao Zambia amin'ny mahalefitry ny toniam-baovao azy sy amin'ny mahalefitry ny tonian'ny Sunday Mail azy taty aoriana. Nianatra haka ny bachelor fampitam-baovao amin'ny daholobe avy ao amin'ny Oniversiten'i Zambia izy ary nahazo ny diplaoman'ny master avy amin'ny Oniversiten'i Winchester tao UK izay nifindrany noho ny antony ara-politika izy tamin'ny 2008. Teo ampanohizana ny fianarana taorian'ny nahazoana diplaoma tao amin'io oniversite io ihany izy.

Gershom no mpanorina ny tranonkalam-baovao Zambia News Features ary mpiara-mampiatrano ny fandraisam-peo basivava ara-politika Zambiana malaza ao amin'ny CrossFire Blogtalk Radio. Efa nisy ihany koa fotoana efa nanaovany bilaogy tao amin'ny Issues Over Matters.

Tamin'ny 2013 izy namoaka ny boky mitondra ny lohateny hoe “The Declaration of Zambia as a Christian Nation: Blessing or Curse” [Ny Fanambarana an'i Zambia ho Firenena Kristiana: Fitahiana sa Ozona] .

Gershom Ndhlovu in Cebu, Philippines during Global Voices Citizen Media Summit.

Gershom Ndhlovu tao Cebu, Philippines, nandritra ny zaikaben'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra Global Voices. Sary tao amin'ny Facebook

Mpiara-miasa taminy iray taloha no nanoratra:

Uncle Gershom Ndhlovu a colleague, former workmate and friend. i cant believe you are gone. i remember last year July 17th, you left your busy schedule in Basingstoke suspended all your programs and travelled to London to come and see me, accompanied me to my Graduation Ceremony at the University of Greenwich. you took me for Lunch in the company of my mum Maria Kapambwe Kasolo and my friends, you spoiled me Uncle Gersh with all i needed that special day. As if it was not enough, you took me out for a post celebration at the O2 with my friends Mutulu Shalyako Chilenga. you really coloured my day, made me feel special and loved. you treated me like a Son/brother together with my man Champo Nkonjela. Uncle Gersh, as long as that day will remain memorable to me i shall always live to remember you. you left me with a selfie as you use to love selfies. your also promised to come a do a project in Zambia with me, why do you have to go….!. May your Soul Rest in eternal Peace. you will be greatly Missed.

Dadatoa Gershom Ndhlovu ilay mitovy asa, mpiara-miasa taloha sady namana. Tsy mety mino aho hoe lasa ianao. Tsaroako ny tamin'ny herintaona tamin'ny 17 jolay, nilaozanao ny fotoananao feno tao Basingstoke, naatonao avokoa ny programanao rehetra fa nandaha tany London ianao hihaona amiko, niaraka tamiko tao amin'ny Lanonam-panolorana Diplaoma tao amin'ny Oniversiten'i Greenwich. Nalainao hisakafo niaraka tamin'ny reniko Maria Kapambwe Kasolo sy ny namako aho. Nampiahantainao tamin'izay rehetra nilaiko tamin'io andro manokana io aho ry Dadatoa Gersh. Ary mbola tsy ampy ihany izany, fa nentinao  tao amin'ny O2 hifetifety aorian'ny lanonana niaraka tamin'ny namako Mutulu Shalyako Chilenga aho. Nataonao marevaka tokoa ny androko, nataonao nahatsapa ho miavaka manokana sy tiana aho. Nokarakarainao ho toy ny zanakalahy/rahalahy aho niaraka tamin'i Champo Nkonjela. Dadatoa Gersh ô, raha mbola misy sisany ao amiko io andro fahatsiarovana ho ahy io dia hiaina ampahatsiarovana anao hatrany aho. Namela selfie iray niaraka tamiko ianao satria tianao ny manao selfies [manana ny sary toy izany miaraka aminy ihany koa ny mpandika ny lahatsoratra ho amin'ny teny malagasy]. Nampanantena ihany koa ianao fa hoavy hanatontosa tetikasa iray miaraka amiko ao Zambia, nahoana ianao no tsy maintsy nandeha…! Handry am-piadanana mandrakizay anie ny fanahinao. Hisy tokoa ny fahabangana nilaozanao.

Ny namany, Benjamin Esau-Mkono mahatsiahy ny fotoana voalohany nihaonany tamin'i Gershom taorian'ny naha-mpinamana azy ireo tao amin'ny Facebook:

In November 2010, one Facebook friend, Gershom Ndhlovu, came to life. When I informed him I was in the Queen's land; he insisted we must meet. He invited me to his Basingstoke base. I had planned for a day's visit but he insisted, I spend a night there, in his house; he arranged everything.

After a few drinks, nshima and all, our discussions moved to the nearby Lloyd's Pub. The stories were endless, from how he got into the politicians’ hot soup in Zambia, how he ended up in the UK to the way social media is shaping up governance (access to information) in Africa and beyond […]

Fast forward to November 22, 2015; this blogger, journalist, father, uncle is no more. Life is but a candle in the wind! Shush!

Hamba Kahle! Rest well, ba Gersh!

Tamin'ny novambra 2010, niditra tao amin'ny fiainana ny namana iray tao amin'ny Facebook, dia i Gershom Ndhlovu. Rehefa nilaza taminy aho fa aty amin'ny tanin'ny Mpanjakavavy, dia nikiry izy nilaza fa tsy maintsy mihaona izahay. Nanasa aho ho ao amin'ny tobiny ao Basingstoke izy. Efa naminavina ny hitsidika indray andro aho fa nikiry izy, nandany ny alina iray tany aho, tao an-tranony, efa nalaminy avokoa ny zava-drehetra.

Rehefa niara-nisotro teo, nifanatsafa, dia nifindra tao amin'ny Lloyd's Pub teo akaiky teo ny resadresaka. Tsy nety tapitra ny tantara, hatramin'ny nahatafiditra azy tao amin'ny lasopy mafanan'ny politisiana, ny nahatonga azy hitody ao UK tamin'ny lalana namboarin'ny media sosialy nandranitra ny fitantanana (fahazoam-baovao) tao Afrika sy ny mihoatra izany […]

NIhazakazaka hatraty amin'ny 22 novambra 2015, dia tsy eo intsony ilay blaogera, mpanao gazety, ray, dadatoa. Ny fiainana manko dia toy ny labozia talaky rivotra! fio!

Hamba Kahle! Mandria tsara, ba Gersh!

Ho banga lalina dia lalina ato amin'ny fikambanana Global Voices i Gershom Ndhlovu. Miara-ory amin'ny fianakaviany, ny namany ary amin'ireo mpirahalahy aminy ao amin'ny fampitam-baovaon'i Zambia. Handry am-piadanana anie ny fanahiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.