Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Jolay, 2015
Olan'i Gresy Manosika Ireo Foko Grika Sasantsasany Hiverina Amin'ilay Nosy Tiorka Niaviany
Ifampizaràn'ny Grika sy Tiorka ny fitiavana sy ny rehareha noho ilay nosy mahafinaritra antsoina hoe Gökçeada ho an'ny taloha ary Imbros ho an'ny taty aoriana.
Mirarak'ompana Ny Teorian'ny Firaisana Tsikombakomba Taorian'ilay Vaky Fonja Tao Trinidad
Rehefa tsy misy ny filazàna ofisialy ataon'ny sampandraharaha natao hiaro eo amin'ny fireneny, dia ireo mpisera ety anaty aterineto no mizara ny teoria avy amin'izy ireo mikasika ny vaky fonja tamin'ny 24 Jolay tao amin'ny renivohitr'i Trinidad.
Maninona ireo Zokiolona Ao Singapore No Mbola Manangona Baoritra Ihany?
Tao anatin'ny tapa-bolana, lasa lohahevitra malaza be Tao Singapore ny momba ireo zokiolona mpanangona baoritra, taorian'ny hadisoana nataon'ny minisitry ny fitondràna
Mandrahona Hanakatona Ny Youtube Ny Mpanao Sivana Aterineto Ao Rosia
Nilaza ny Roscomnadzor fa mety hahatonga ny Youtube manontolo tsy ho hitan'ny mpiserasera RuNet intsony ny fanakanana farany noho ny fanaovana dika ireo fandaharana roa amin'ny fahitalavitra Rosiana navoaka tsy ara-dalàna tao amin'ny Youtube.
Olomalazan'ny Rock Aostraliana Jimmy Barnes Mitaky ny Hirany Alain'ny Mpankahala Islamo
Te hilaza fotsiny aho fa i Aostralia misy ahy sy tiako dia Aostralia mahalefitra. Ilay toerana misokatra sy malala-tanana. Hoy ilay mpiangaly rock Jimmy Barnes
Iza No Te Ho Merkel? Tsindrio Ary Mitsikia Amin'ity Lalao Fepetram-pifehezankibo ity
Ny tsy maintsy handihizana sy hihirana ny 'My Anaconda' in-14 miverina eo anoloan'ny Chancelier Alemana Angela Merkel ve no nahatonga ny minisitry ny vola teo aloha hiala?
Ny Fomba Anovàn'ny Boko Haram Ny Politika Iraisampirenena Ao Afrika Andrefana sy Afovoany
Namerina indray ny fanafihany firenena Afrikana maro ny Boko Haram tato anatin'ny herindrano maro lasa. Ireto ny famintinana ireo fifandonana nisy tamin'ity taona ity tany amin'ny faritra hatramin'ny anio.
Tsy Voatery Hanaraka Ny Lalàna Momba Ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ny Twitter Hoy i Rosia
Nambaran'ireo manampahefana fa afaka tsy miraharaha ilay lalàna vaovao manomboka hanan-kery amin'ny 1 Septambra izao ny Twitter, lalàna izay mitaky ny mpanome tolotra ety anaty aterineto hanangona ny angon-drakitra rehetra momba ireo Rosiana mpampiasa azy ho ao anaty lohamilina any Rosia
Nanasonia Ny “Zo Hohadinoina” Ho Lalàna ny Filoha Rosiana Putin
Nanasonia ny lalànan'ny "zo hohadinoina" i Vladimir Putin, raha toa ka naneho am-pahibemaso ny fanohanany ny "famerana bitika dia bitika" ny aterineto Rosiana izy tamin'ny andro nanaovany izany.
Nogadraina tao Emira Arabo Mitambatra Ilay Mpanakanto Aostraliana Noho Ny “Teny Ratsy” Navoakany Tao Amin'ny Facebook
Niafara tany am-ponjan'ny Emirà Arabo Mitambatra sy tamin'ny fandroahana ilay mpanakanto Aostraliana Jodi Magy ny fandefasany sary tao amin'ny Facebook.