Iza No Te Ho Merkel? Tsindrio Ary Mitsikia Amin'ity Lalao Fepetram-pifehezankibo ity

Screenshot from

Pikantsary avy amin'ny lalao Kisendrasendra fepetram-pitsitsiana. Ny politikam-pitsitsiana ho anao dia… Tokony hanao kapa misy ban-kiraro daholo ny Grika rehetra dia hihevitra izany ho mahafinaritra, hoy ny dikan'ny soratra.

Fanafody tsara indrindra amin'ny fanaintainana ny hehy ary ity lalao vaovao amin'ny aterineto izay nivoaka andro vitsivitsy lasa izay ity dia maka tahaka maneso ny fepetram-pitsitsiana izay manjaka amin'ny resa-politika ao Atena sy manerana an'i Eoropa nandritra ny herinandro.

Nahazo tiako maherin'ny 2200 tao anatin'ny andro voalohany nanangana azy tamin'ny 15 Jolay ny pejy Facebook ofisialin'ny lalao Fepetram-pitsitsiana ary mbola mitombo hatrany. Nisafidy tsy nitonona anarana ireo mpamorona ny lalao, saingy namela izao hafatra izao hoan'ny mpamaky:

… made for fun. Help Greek people overcome the crisis by enjoying a nice coffee on the Greek islands!

natao hialana voly. Ampio ny Grika handresy ny krizy amin'ny alalan'ny fankafizana kafe matsiro ao amin'ny nosy Grika!

Angatahana ireo mpandray anjara mba hitendry sy hijery izay fihetsika hafa tokony ataon'ny minisitry ny Vola teo aloha ao Atena, Varoufakis, tao ambany fitarihan'ny Praiminisitra Grika, Tsipras ary na dia i Italia sy Portiogaly bokan'ny trosa koa aza mba nandray anjara mba hampifaliana ny Chancelier Alemàna Merkel sy ny Minisitry ny Vola Alemana, Schaeuble, mpanohana fatratra ny politikam-pitsitsiana mahabe be resaka ao amin'ny Vondrona Eoropeana.

Raha vao milalao dia afa-manao hoe “mihaino Justin Bieber mandritra ny 69 ora ao anaty rongony mavesatra i Tsipras”, na ny “manomeza iPhones 11 hoan'ny 4% amin'ny zanany raha mamela ny hafa manana finday taloha be mba hiteraka fialonana sy fitsiriritana” i Italy, raha toa ka tsy maintsy “manery ny praiminisitrany hitsangana amin'ny tongotra iray mandritra ny 42 ora”i Espaina. Safidy iray hafa  tsy maintsy atao koa ny an'i “Varoufakis mandihy sy mihira ny “My Anaconda’ in-14 eo anoloan'i Merkel.”

Nanandrana ny lalao ireo mpanoratra ato amin'ny Global Voices – mba hikarokaroka mazava ho azy – ary tonga tamin'izao vokatra mahatsikaiky izao:

Ny lalao fepetram-pitsitsiana nataoko. Inona ny anao? [tsy tokony hampiasa elo intsony ny vahoaka grika] http://t.co/g9yOdfiLFW #ThisIsACoup pic.twitter.com/84VeigoG8l

tena ratsy tanteraka! [Mila mandefa ao anatin'ny efa-bolana tsy mitsahatra amin'ny alalan'ny fahitalavitra, aterineto ary radio ny Game of Thrones ny Grika] ²

null

Pikantsary tamin'ny lalao Kisendrasendra Fepetram-pitsitsiana. Valinteny mety amin'ny Grika: “Tahaka ny manala fromazy amin'ny pizza izany!!”

Tsy ny valiny ihany no hita ho mampihomehy amin'ny lalao. Mampisongadina fanehoan-kevitra manesoeso mikasika ny zava-nitranga vao haingana ihany koa ny fafana fitrohana votoaty [telechargement] izay ahitana ny fepetra noraisin'ny Eurozone sy ny mpitarika Vondrona Eoropeana raha mbola eo amin'ny mizanam-pandanjana amin'ny ho anjara vintany rahampitso i Gresy. Hita ao amin'izany ny “hitondra ny demokrasia”, “manakatona banky sasantsasany”, “manapa-kevitra ho anareo”, “mitondra fanonganam-panjakana sasantsasany”, “miresaka zavatra”, “toa matotra sy mikarakara”, “mandrotsaka vatom-pifidianana zavatra” ary ny zavatra ankamamian'ny mpanoratra :

Pikantsary avy amin'ny lalaon'ny Fepetram-Pifehezankibo.

Manome fotoana fanararaotra ihomehezana ao anatin'ny fotoana manjombon'ny fifanarahana amin'ny mpampanjana-bola sy ny fampindramam-bola ‘Grexit’ ary fifehezan-kibo ilay lalao. Ataovy topimaso hoe dia andao hofantarintsika hoe inona ny hafatra azonao!

²Naotin'ny mpandika teny ho amin'ny teny malagasy: Ny Game of Thrones na raha adika amin'ny teny malagasy mantamanta dia hoe lalaon'ny satroboninahitra dia andian-tsarimihetsika iray mampifaninana ireo tanora mifaninana ho iray sisa miangana ao anatin'ny lalao. Mandeha daholo noho izany ny fitapitaka sy ny fifamonoana eo amin'ireo mpandray anjara ao anatin'ny fotoana voafetra ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.