Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Desambra, 2014
Hetra Vaovao ao Makedonia Manery ny Mpiasatena sy ny Asa Ampaha-Potoana Hidina An-dalambe
Ao amin'ny firenena izay manatomotra ny 29 isanjato ny tahan'ny tsy fananan'asa, dia ny asa-tena sy ny asa ora tsy feno ihany no mba azon'ny olona maro idirana.
Sary Mampihomehy an'Aterineto Manohitra ny Famonoana Tantsaha Iray Manohitra ny Fitrandrahana Varahina any Myanmar
Nampiasa ny kisarisary mahatsikaiky malaza amin'ny aterineto ireo tezitra tamin'ny fitifirana nahafaty ilay vehivavy iray nanohitra ny tetikasam-pitrandrahana mba hanondroana ny fahaketrenan'ny raharaha.
#IAm26 : Taratasy Misokatra Manome Aingam-Panahy Ny Malayziana Hanohitra Ny Tsy Fahazakana Ara-Pivavahana
Mpiasam-panjakana ambony efa retirety dimy amby roapolo, izay lasa fantatra ho"olona ambony 25", nandrisika ny governemanta Malayziana hijery indray ny momba ny lalàna islamika ao anaty taratasy iray nahazo fanohanan'olona betsaka
Tetikady Hampahombiazana Ny Any An-tanàna Ny An'ireo Shinoa Avy Amin'ny Tanibe “Ratsy Fitondran-tena” Any Ivelany
Taorian'ilay sakoroka nitranga vao haingana tao anaty sidina iray avy ao Shina ho any Hong Kong, nanamafy ny tranonkalam-baovao iray ao Singapore fa ilaina ny toetra 'mitratrevatreva' raha te-hotafita amin'ny fiainna ao amin'ny tanibe.
Tamin'ny Fampisehoana Voalohany Ilay Sarimihetsika Tany Lôndôna, Milaza Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Fa any Thailandy No Tena Misy Ny “Lalaon'ny Hanohanana”
Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny fampisehoana voalohany an'ilay sarimihetsika malaza "Hunger Games" ireo Thai mpianatra any Lôndôna, hisarihana ny saina amin'ireo rahona mianjady amin'ny demôkrasia amin'ny fiainana tena izy any amin'ny tanindrazan'izy ireo.
Tsy Mbola Mahafantatra Kiobà Tsy Natao Fahirano Aho
Fijerin'olona iray manokana momba ny fifanatonan'i Etazonia sy ny tanindrazany nosoratan'ilay Kiobàna mpanao gazety sady mpikatroka Sandra Alvarez.
Lazain'ilay Mpikatroka Manohitra Fanonganam-Panjakana Fa Mandrahona Hanolana Azy Ireo Thai Manampahefana
Voatàna tany aminà hetsika iray fankalazàna ny Andro Erantany Ho an'ny Zon'Olombelona izy, tao Bangkok, taoran'ny nanaovany ny fiarahabàna rantsana teo an'ny "Hunger Games" niaraka taminà olona iray hafa, fihetsika izay voaràra ao Thailand.
‘Tsy Hanakana’ Navalny ao Rosia ny Facebook sy Twitter, Raha Manao izay Hanakanana Ny Fanononana ny Hetsi-panoherana i Kremlin
Nitatitra ny Tv Rain fa nanapa-kevitra ny tsy hanakana izay pejim-pihetsiketsehana Navalny intsony ny Facebook sy ny Twitter, ary mahafantatra ireo fa mety hampisy ny fanakanana ny tranonkala iray manontolo izany.
Mampahafantatra Ireo Zava-Mahagaga Momba An'i Afrika, Tetikasa ‘Africa Facts Zone’
Mampiasa Twitter sy Facebook i Isima Odeh, mpianatra Nizeriana 17 taona mba hanome ireo zavamisy manala hetaheta momba an'i Afrika sy ny Afrikanina.
Tilikambo Manerinerina Manimba ny Sarin'ny Maherifon'ny Firenena ao Filipina
Trano manana rihana 49 an'ny "Torre de Manila" [tilikambon'i Manila] izay nahazo anaram-bositra "Terror de Manila" [horohoron'i Manila] avy amin'ny mpanakiana noho ny fandravàny ny fijerena ny tsangambaton'i Rizal ao amin'ny Luneta Park.