Tamin'ny Fampisehoana Voalohany Ilay Sarimihetsika Tany Lôndôna, Milaza Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Fa any Thailandy No Tena Misy Ny “Lalaon'ny Hanohanana”

The #DistrictThai demonstration in London, via the District Thai Facebook page

Fihetsiketsehan'ny #DistrictThai tany Lôndôna, ao amin'ny pejy Facebook-n'ny “District Thai”.

Nisy vondron'olom-pirenena Thai niangona teo ivelan'ny Trano Fijerena Sarimihetsika, Odeon, tany amin'ny Kianja Leicester, Lôndôna, ny Alatsinainy 10 Novambra, raha nampiantrano ny fampisehoana voalohany iraisam-pirenena ny “Hunger Games: Mockingjay Fizarana 1,” hisarihana ny saina amin'ireo rahona mianjady amin'ny demôkrasia, ny fahalalahana miteny, sy ny fampanjakana ny lalàna amin'ny fiainana tena izy ao Thailandy. 

Manan-danja be io sarimihetsika  io ho an'ireo Thai maro. Eny tokoa, nindrana mihitsy ny fomba malaza fiarahabana anatin'io sarimihetsika io, izay mampiasa rantsana telo, ireo mpanohitra ny fanonganam-panjakana farany nisy tao Thailandy, ka nanaisotra ny governemanta voafidim-bahoaka noentin'i Yingluck Shinawatra. Nihanalaza loatra io fihetsika io hany ka noraràn'ny miaramila mpanongam-panjakana tao amin'ny firenena, miaraka amin'ireo endrika fanoherana ara-pôlitika maro hafa. An-jatony ireo Thai no nampiasa ilay fomba fiarahabana vao haingana izay tany amin'ny lanonana fandoroana ny vata-mangatsiakan'ny Filoha Lefitry ny Antenimiera taloha, Apiwan Wiriyachai, raha niarahaba an'i Yingluck Shinawatra miaraka amin'ireo rantsana telo, rehefa tonga naneho ny fanajany izy.

Maro tamin'ireo mpikatroka mafana fo tao Lôndôna tamin'ity herinandro ity no nanao sarontava, noho ny tahotra ny valifaty hatao amin'ireo namana sy fianakaviany mbola any Thailandy.

Nanokatra pejy Facebook sy kaonty Twitter ireo mpikatroka mafana fo mba handrindràna ny ezak'izy ireo, amin'ny alalan'ny tenifototra #DistrictThai. Ny “Distrika” dia nalaina avy ao amin'ny tantaran'ny “Hunger Games”, izay itondranà fanjakana foibe iray mpanao didy jadona ireo faritra (“distrika”) samy hafa ao amin'ny tany. Mahantra ny ankamaroan'ireo distrika ary andevozina any amin'ny “Renivohitra”.

Nohazonina amin'ny teny Thai sy Anglisy ireo kaontin'ireo mpikatroka mafana fo ao amin'ny media sosialy, ka miasa ho an'ireo mpamaky any an-tanindrazana [Thailandy] sy erak'izao tontolo izao. Nalaza ny pejy Facebook-n'ilay vondrona, izay nahasarika “mpitia” maherin'ny 1.000 tanatinà faran'ny herinandro iray monja. Tamin'ny Zoma 7 Novambra no nipotran'ny hafatra voalohany:

districtthai messageNahatsikaritra io fihetsiketsehan'ny #DistrictThai io avy hatrany ireo mpiasan'ny Trano Fijerena Sarimihetsika, Odeon, ao Lôndôna, ary nitoraka bitsika:

Aty amin'ny tanàna ny #DistrictThai ary milay ry zareo. Mahazo ny isa ambony indrindra amin'ny ezaka!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.