Vondrona ao Pasifika mankalaza ny herinandron'ny ranomasina amin'ny fanoherana ny fitrandrahana any an-dranomasina lalina any

‘Rarao ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina”. Saripika avy ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Oxfam ao Pasifika. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Vondrona isankarazany ao Pasifika no nankalaza ny Herinandron'ny ranomasina sy Andron'ny Ranomasina tamin'ny 8 Jona, tamin'ny fanaovana antso handavana ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina (DSM) ao amin'ny faritra.

Ny DSM dia fomba fanao hikaohana ny fanambanin'ny ranomasina, izay loza mitatao ho an'ny fiainana anaty ranomasina sy ny rafi-piainana. Noho ny mety ho fiantraikany be, namolavola fitsipika hifehy ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fanambanin'ny Ranomasina, izay mety hiditra hanan-kery amin'ny Jolay 2023. Hatreto, ireo firenena nosy ao Nauru sy Tonga dia samy naneho fahalianana amin'ny fikatsahana fepetra handraràna na hamerana ny DSM.

Ny tambajotram-paritra Pacific Blue Line dia mavitrika amin'ny fanoherana ny DSM ary mampitandrina ny amin'ny fomba vao mainka hihamafisan'ny fiantraikan'ny fiovaovàn'ny toetrandro izay efa mandravarava sahady ireo vondrompiarahamonina tanosy ao amin'ny faritra Oseania.

Ireo governemanta ao Pasifika maniry ny hanohy ny DSM dia mila manontany tena hoe hatraiza ny fahavononan-dry zareo hanimba ny rafitra miantoka ny fahaveloman'ny fiainana anaty ranomasina mandritra ny fotoana iray maha-hamehana ny resaka toetrandro, ary ny hamehana eto ambonin'ny tany sy ao anatin'ilay antsoin'ny rehetra hoe vanimpotoanan'ny fahalaniana tamingana. Tsy maintsy manontany ny tenany ireo governemantantsika hoe iza no tena mahazo tombony avy amin'ny fanimbàna ny ranomasintsika.

Mihoatra lavitra noho ny resaka mampihomehy raha ireo mpitarika any amin'ireo firenena Nosy ao Pasifika, izay efa ery amin'ny lohalaharana sahady amin'ny fianjadian'ny fiovaovàn'ny toetrandro sy miatrika ireo hambana mety hivakisan'ny faritany, no mamela ny tenany ho resy lahatra hitrandraka ny fanambanin'ny ranomasina, araka izany dia manosika ny tany manontolo hiditra amin'ny kisarisarin'ny fara-andro.

Natomboka ny fanangonantsonia iray hanetsehana ny olona hanohitra ny DSM. Ny Vovonan'ireo parlemantera ao Pasifika momba ny Fitrandrahana anaty Ranomasina Lalina no manohana ity hetsika ity, izay namoaka fanambaràna iray manasongadina ny lovam-panjanahantany mandravarava ao Pasifika sy ny fomba vao mainka entin'ny DSM manaratsy ny fitrandrahana ao amin'ny faritra, amin'ny anaran'ny fampandrosoana.

Ny tantaran'i Pasifika tato ho ato dia niainana zavatra maro tamin'ny fitrandrahana sarontsaronana amin'ny hoe làlana mankany amin'ny fampandrosoana sôsialy sy toekarena izay, raha ny marina, nisy nidiran'ireo orinasa mpisava làlana natao ho fanandràmana. Ireo taompolo maro nisian'ny andrana nokleary natao tety ambony sy tany ambanin'ny tany na ambany ranomasina, ny fitrandrahana tety an-tanety sy ireo indostria hafa mpitrandraka an-tanety no ohatra tena mivaingana amin'izany. Ny fitrandrahana manan-tantara tahaka izany no tomponandraikitra betsaka amin'ny zavamisy marobe iainan'ireo vondrompiarahamonina marobe miaina amina nosy ao Pasifika amin'izao fotoana izao; ny zavamisy izay mampihena ny safidy azo raisina sy mandrisika ireo firenentsika hamerina ireo kisarisarim-pampandrosoana ara-toekarena tsy maharitra.

Nandritra ny Herinandron'ny Ranomasina natao tany am-piandohan'ny Jona, nikarakara vela-dresaka sy webinars ny Pacific Blue mba hanazavàna ny fomba mety hanimbàn'ny DSM , tsy ny tontolo iainana fotsiny, fa hatramin'ny fomba fiainan'ireo vondrompiarahamonina tanosy.

Mpiady mahatalanjona ho an'ny #ranomasina, mizara ny fijeriny momba ny toetoetry ny ranomasina sy ny antony maha-zavadehibe ny famelomana indray & fiarovana azy ireny amin'ny alàlan'ny hetsika iraisana ataon'ny fikambanana @pacblueline , manoloana ny fiharatsian a tsy mitsahatry ny ranomasina #bantoprotect #deepseaminders #worldoceansday2022 pic.twitter.com/Tdr3otosUt

Ho solon'ny DSM, navoitran'ireo vondrona ao Pasifika ny fandaharanasa safidy iray hampiroboroboana ny “toekarena manga” izay mifantoka amin'ny fiarovana ny ranomasina sy ny fampandrosoana ifotony.

Fotoam-panokafana ny herinandro iray fankalazana ny ranomasintsika. Androany ireo mpiara-miombona antoka & #PRNGO+, @UtoNiYaloTrust, @lotupasifika, @Pacific_2030 dia nikarakara fiombonam-bavaka iray ho fandefasana ny tatitry ny fikambanana momba ny #ToekarenaManga. Asehon'io tatitra io ny zava-manahiran-tsaina ireo Fikambanana Sivily ao Pasifika momba ny olan'ny Toekarena Manga.  pic.twitter.com/yabZAXM0cY

Anatin'ny fankalazana ny Andron'ny Ranomasina, ireo fikambanana eny ifotony manerana an'i Pasifika dia nikarakara fanoherana sy hetsika ho entina mampiseho ny fandavana tsy mitsaha-mitombo ny DSM. Any Papoazia Andrefana, Indonezia, nikarakara fanadiovana morontsiraka ireo tanora mpiasa an-tsitrapo, no sady nampahafantatra ny fisian'ny fanangonantsonia iray hanoherana ny DSM.

Tanora Papoa mijoro manohitra ny fitrandrahana any anaty ranomasina lalina. Saripika avy ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Youngsolwara

Any Fiji, tafiditra tamin'ilay fanentanana hanoherana ny DSM dia namory olona sy vondrona maro ny Kaonferansan'ireo Fiangonana ao Pasifika:

Hetsika nataom-bondrona ho fankalazana ny Herinandron'ny Ranomasina. Saripika avy amin'ny pejy  Facebook-n'ny Kaonferansan'ireo Fiangonana ao Pasifika.

“Atsaharo ny Heloka Bevava Atao Amin'ny Ranomasina”. Saripika avy amin'ny pejy Facebook-‘ny Kaonferansan'ireo Fiangonana ao Pasifika.

Fanadiovana morontsiraka teo akaikin'ny Anjerimanontolon'i Pasifika Atsimo. Saripîka avy amin'ny pejy Facebook-‘ny Kaonferansan'ireo Fiangonana ao Pasifika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.