Tantara mikasika ny Green Voices
Takian'ireo feo ao Pasifika ny hihetsehana maika momba ny toetrandro maneran-tany
Hetsika maromaro manasongadina tantara, fitantarana, ary fampisehoana zavakanto izay manambara ny antson'ireo firenena nosy Pasifika amin'ny hetsika eran-tany mivaingana kokoa hampihenana ny famoahana etona mangeja hafanana
Aostralia: Fihetsehampo mifangaro manoloana ny fitomboan'ny famatsiambola omena ny Haran-dranomasina Lehibe (GBR), mialoha ny fifidianana
"Tsara ny mahita fa misy ireo ezaka miavosa natokana ho amin'ny fitantanana ny haran-dranomasina, saingy ny fiovan'ny toetrandro no mbola loza goavana mitatao ho an'ny Haran-dranomasina Lehibe".
Fanapoizinana sy fandroahana ao Paragoay ataon'ny indostrian'ny hena ao Eoropa
Mivarotra hena vokarina tamin'ny saozaha voarohirohy tamin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Paragoay ny McDonald's, KFC, sy ny Carrefour.
Hong Kong: any Metropolisy Avaratra, mbola tsy azo antoka ny fiarovana ny tany mando
Mandrakotra tany mirefy 30 000 hektara manaraka ny renirano Shenzhen sy Deep Bay ilay tetikasa Metropolisy Avaratra, izay ahitana ny tena faritra mando lehibe ao an-tanàna.
Manàla valo taona amin'ny fahelàna velona ao Bangladesh ny fahalotoana mampididoza eny amin'ny rivotra
Volana nahatsiravina ho an'ireo mponina ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh, iny Janoary iny, satria tena nampidi-doza ny kalitaon'ny rivotra, nandritra ny sivy andro.
Nahatonga olona an'arivony maro tao amin'ny tanàna indiàna iray ambony havoana ho lasa tsy manan-kialofana ny “filentehan'i Joshimath”
People face displacement in Joshimath, a Himalayan town in India due to added burden of anthropogenic activity in an earthquake prone zone.
Ahariharin'ity lalao an-tambajotra ity ny loza ateraky ny fitrandrahana an-dranomasina lalina.
"Ampio ireo mponina any amin'ny faran'ny lalina indrindra mba hiaro ny toeram-ponenan-dry zareo. Lalaovy ny TAPITRA NY LALAO ary fantaro ireo ambana goavana mifandray amin'ny fitrandrahana harena anaty ranomasina lalina."
Ny krizin'ny toetrandro dia krizin'ny rano ao Himalayas
Manafana an'i Himalaya haingana kokoa ny fiovan'ny toetrandro miohatra amin'ny antonony manerantany, manakorontana ny tsingerin'ny rano. Manjary tsy ara-dalana intsony ny orana, mihena ny rano ao anaty tany ary mitsiaka ireo vongan-dranomandry.
Moa ve mahasakana ny tondra-drano any Bangladesh ny ‘Milin-dranon'i Bengal'?
Nampiseho ny fanadihadiana vao haingana fa afaka hitahirizana ny ranon’orana tafahoatra amin’ny vanim-potoanan'ny orana manaraka ny fitarihana rano ambanin'ny tany hanondrahana ny tany fambolena ao Bangladesh.
‘Tsy haintany fa fandrobàna,’ hoy ireo mpikatroka lazaina ho jiolahy amin'ny lalàna vaovao ao Querétaro, Meksika
Namela dia tamin'ny tantaran'ity fanjakana meksikana iray ity vao haingana ny fifandirana hahazoana rano. Nampiheverina ho heloka bevava ireo fanoherana ny itrandrahan'ny mpandraharaha tsy miankina manokana ny fitantanan-drano.