Yemen: Olona miisa 16 maty tamin'ny fanafihana ny Masoivoho Amerikana

(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008)

Olona miisa 16 no maty rehefa nisy nanafika tamin'ny fiara voasesika baomba sy balafomanga ny masoivoho Amerikana tany Sana'a, Yemen. Tsy lavitra ny fipoahana ny bilaogera iray.

Nanoratra i Carpetblogger, Amerikana monina any Torkia saingy mandeha tany Yemen, hoe:

Sitting in the lobby of the Burj al Salam hotel about an hour ago,we heard two explosions, but thought little about them. They were close enough to shake the windows a little. About 30 minutes later, reports started coming in that the US Embassy was under attack. Current reports on Yemeni TV say that there was an intial car bomb followed by some shooting. Injuries are reported. Right now, reports attribute the attacks to Al Qaeda, which has been increasingly active in the country. The US Embassy is located near the Sheraton hotel. Reports confirm that it was the Embassy and not the compound.

Nipetraka tao amin'ny efitrano malalaky ny hotely Burj al Salam izahay ora iray izay, no naheno fipoahana roa, saingy tsy taitra firy izahay. Tena akaiky izany satria nihozongozona kely ny varavarankely. Tokony ho 30 minitra taty aoriana dia nanomboka nisy ny tatitra fa notafihana ny masoivohon'i Etazonia. Nilaza ny tatitra tamin'ny fahitalavitra Yemenita fa nisy ny fiara voasesika baomba narahina fitifirana. Voalaza fa nisy ny naratra. Nilaza ny tatitra fa ny Al Qaeda no nanao ny fanafihana, izay nanjary navitrika hatrany tao amin'ny firenena. Eo akaikin'ny hotely Sheraton no misy ny masoivoho Amerikana. Nanamarina ny tatitra fa ny Masoivoho io fa tsy ny faritra manodidina azy.

Hoy ny tatitra manaraka nataony :

Local news is reporting that the embassy is being evacuated by helicopter. I just watched a helicopter head out there. Have photos, no time to load.

Nitatitra ny vaovao any an-toerana fa notaterina tamin'ny angidimby ny olona tao amin'ny masoivoho. Vao nahita angidimby nandeha nankany aho. Manana sary fa tsy manam-potoana handefasana azy.

Amerikana iray avy any Arabia Saodita, Stilettos in the Sand nanaisotra an'i Yemen tao anaty lisitry ny ‘toerana fialantsasatra tsara handehanana’ taorian'ny fanafihana. Nanoratra izy:

Not that we were considering heading to Yemen in the near future, but… This means that for SURE we won't be considering Yemen as a vacation destination. Ever. It is not the first time this year that the Westerners have been targeted. And, after reading this article in Gulfnews, I just think it would be best for us to consider other more inviting countries to head to for short vacations.

Tsy hoe mieritreritra ny handeha any Yemen akory izahay atsy ho atsy, fa … midika izao fa AZO ANTOKA ny tsy iheverantsika an'i Yemen ho toy ny toerana hanaovana fialan-tsasatra.  Tsy vao sambany tamin'ity taona ity no lasibatra ny Tandrefana. Ary, taorian'ny namakiako ity lahatsoratra ity tao amin'ny Gulfnews, mieritreritra aho fa tsara kokoa ho antsika ny mijery firenena hafa hanaovana fialan-tsasatra fohy.

Manan-kolazaina momba ny fanafihana bebe kokoa eto i Jane Novak, mpanoratra ao amin'ny Armies of Liberation. Nanampy izy hoe:

Notably, Yemen is the ancestral home of Osama bin Laden and the U.S. Embassy has previously been targeted for attacks […]

The last time we heard from Yemeni Islamic Jihad was last month when they claimed credit for a suicide car bombing in Hadramout, and threatened a future attack in the capital.

Marihina fa i Yemen no tanindrazan'i Osama bin Laden ary lasibatra tamin'ny fanafihana ny Masoivoho Amerikana taloha  […]

Tamin'ny volana lasa teo ny fotoana farany nandrenesanay momba ny Jihad Islamika Yemenita rehefa nilaza izy ireo fa nanatanteraka ny fanaovana vy very ny aina tamin'ny fanapoahana ny fiara voasesika baomba tao Hadramout, ary nandrahona ny hanafika ao an-drenivohitra amin'ny manaraka.

Nitanisa ireo fanaovana vy very ny aina tamin'ny fanapoahana fiara voasesika baomba nitranga teo aloha tao amin'ny firenena ihany koa i Novak, izay mitantara momba an'i Yemen ao amin'ny bilaoginy:

September 2006 synchronized attacks on oil facilities in Marib and Hadramout

July 2007 car bombing at tourist facility in Marib killed eight Spanish tourists

July 2008 car bombing a police station in Sayoun Hadrmaout, one killed and 18 wounded

Early in 2008, mortar attacks were launched in Sana’a against western targets including the US embassy, Italian embassy and a western housing complex. After the July 2008 suicide bombing killed one policeman and injured 18 in Sayoun in the southeastern province of Hadramout, authorities rounded up over fifty suspected militants including AAIA leader Khalid Abdul Nabi and Saudi Muhammad bin Nayif al-Qahtani. After the arrests, Yemen announced that it had thwarted an attack in Saudi Arabia targeting oil industries. For history and analysis of al-Qaeda in Yemen, check my al-Qaeda category.

Volana Septambra 2006, andiam-panafihana tamin'ny toerana fitehirizana solika ao Marib sy Hadramout

Volana Jolay 2007, fiara voasesika baomba tao amin'ny toeram-pizahantany tany Marib nahafatesana mpizahatany Espaniola miisa valo

Volana Jolay 2008, fiara voasesika baomba tao amin'ny tobin'ny polisy tany Sayoun Hadrmaout, iray maty ary 18 naratra

Tany am-piandohan'ny taona 2008 dia nisy ny fanafihana tamin'ny bala-tafondro tao Sana'a namelezana ireo tandrefana, ao anatin'izany ny masoivoho Amerikana, ny masoivoho Italiana ary ny trano fonenana natokana ho an'ny tandrefana. Taorian'ny fanaovana vy very ny aina tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny volana Jolay 2008, maty ny polisy iray ary miisa 18 ny olona naratra tany Sayoun tany amin'ny faritany atsimo atsinanan'i Hadramout. Miisa dimampolo ireo milisy noahiahiana ka nosamborin'ny manampahefana, ao anatin'izany ny mpitarika ny AAIA Khalid Abdul Nabi sy ny Saodiana Muhammad bin Nayif al-Qahtani. Taorian'ny fisamborana dia nanambara i Yemen fa nanakana ny fanafihana tany Arabia Saodita nikendry ny indostrian'ny solika izy ireo. Raha mila tantara sy fandalinana momba ny al-Qaeda any Yemen dia zahao ny sokajim-bilaogy al-Qaeda.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.