Nanomboka ny Global Voices amin'ny teny Persiana

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
globalfa.png

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ihany ny Global Voices amin'ny teny Persiana. Tamin'ny volana Jona 2007 no nanombohany ny fandikanteny voalohany ary efa nanomboka nivoaka tao amin'ny tranonkala vitsivitsy ireo fandikan-teny sasany, anisan'izany ilay iray malaza, Gooya.com ary Digg,Balatarin Iraniana .

Amin'ny andro tsara dia mahazo kitika 350 sy mpitsidika 250 izahay ary nandefa mailaka mampahery ny mpamaham-bolongana sasany. Ny mpihaino anay dia Iraniana sy Afghana.

Namoaka lahatsoratra momba anay ny vohikala vaovao iray tao Iran, Fararu, nilaza hoe: “Ny Global Voices, izay heverina ho fitaovana goavana ho an'ny bilaogy dia nanomboka ny fandikan-teny vao haingana amin'ny fiteny Persiana.”

Rehefa nandre aho fa misy amin'ny teny Shinoa ny GV dia nihevitra aho fa vaovao lehibe izany saingy tsy nino aho hoe mety ve izany ho an'ny Iraniana . Soa ihany fa toa diso hevitra aho.

Misaotra an'i Alice Backer , mpitarika ny ekipa GV Lingua aho, noho ny fikarakarany sy ny fisahiranany sy i David Sasaki, talen'ny Fanentanana, izay nandrisika ahy hanomboka ny Global Voices amin'ny teny Persiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.