12 Desambra 2018

Tantara tamin'ny 12 Desambra 2018

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

MENA: Tsy Hijab izany!

Amin'ity Ramadan ity, dia natomboka ny fanentanana marobe mandrisika ny vehivavy hitafy, na hanitsy ny fomba fitafitian'izy ireo hijab. Niteraka resadresaka teo amin'ny bilaogera ny fanentanana roa tahaka izany tao Iran sy Palestina.

Arabia Saodita: Avy indray ny orana ao Jeddah

 Niharan'ny orambe indray ny tanàna seranan-tsambo Ranomasina Mena ao Jeddah, Arabia Saodita, mamerina indray ny tenifototra #Jeddahrain malaza ao amin'ny Twitter. Ireto manaraka ireto ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto, izay naneho ny fahatezerany tamin'ny kolikoly sy ny fahasimban'ny fotodrafitrasan'i Jeddah.

Arabisc: Vaovao momba ireo bilaogera Egyptiana nosamborina

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Famintinana fohifohy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Egyptiana sasantsasany amin'ny teny Arabo ity lahatsoratra manaraka ity . Efa roa herinandro mahery no nisamborana an'i Alaa niaraka tamin'ireo bilaogera sy mpikatroka maro hafa. Androany dia hampahafantatra momba ny vaovao tsara nifandraika...

Nanomboka ny Global Voices amin'ny teny Persiana

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ihany ny Global Voices amin'ny teny Persiana. Tamin'ny volana Jona 2007 no nanombohany ny fandikanteny voalohany ary efa nanomboka nivoaka tao amin'ny tranonkala vitsivitsy ireo fandikan-teny sasany, anisan'izany ilay iray malaza, Gooya.com ary Digg,Balatarin Iraniana ....

Ny taombaovao Shinoa

  12 Desambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny alin'ny taom-baovao Shinoa (28 Janoary 2006) dia heverina ho fetibe manan-danja indrindra ao Shina ary manamarika ny fiandohan'ny herintaona miaraka amin'ny fiavian'ny lohataona mafana izay antsoina ihany koa hoe Fetiben'ny Lohataona noho izany. Mibilaogy izahay ary miaraka mankalaza ny...

Palestina: Ny manjò ireo vehivavy

Na dia resaka politika tahaka ny mahazatra aza adihevitra maro ao amin'ny tontolon'ny blaogy Palestiniana, nanapa-kevitra ny hiova hevitra aho amin'ity herinandro ity. Raha tokony ho governemanta sy Gaza ary ny patriarika, ny fiodinana amin'ity herinandro ity dia hijery ny ny lohahevitra isan-karazany - lohahevitra momba ny vehivavy aho.