Ahoana ny setriny ataon'ny Taiwaney amin'ny fandrahonana ara-miaramila ataon'i Shina taorian'ny fitsidihan'ny filohan'ny antenimieran'i Etazonia?

Fiara mifono vy miaramila ao Xiamen, tanàna amoron-dranomasina ao amin'ny faritanin'i  Fujian. Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny mpisera Twitter Bang Xiao

Nigadona tao Taipei ny talata 2 aogositra 2022 lasa teo Rtoa Nancy Pelosi, filohan'ny Antenimieran'i Etazonia, hanamafy indray ny fahavononan'i Washington hiaro ny sata tsy miova (status quo) an'i Taiwan. Nampikorontana ny faritra ny fitsidihana satria efa nampanantena i Shina fa hisy hetsika ara-miaramila ho valin'ny fitsidihana.

Manomana fanazaran-tena ara-tafika tsy mbola nisy toy izany i Shina hihodidina ny nosy lehibe ao Taiwan amin'ny 4-7 aogositra, fotoana fohy aorian'ny fandaozan'i Pelosi.

Na dia nitsinjo ny valibontan'i Beijing aza ny ankamaroan'ny olom-pirenena Taiwaney, manohy ny asany andavanandro toy ny mahazatra ny ankamaroan'izy ireo na dia mihahenjana aza ny tady.

Ireo krizy efa nisy teo aloha

Raha nanantitrantitra ny fitsidihan'i Nancy Pelosi ho “tsy ofisialy” sy “manokana” ny fampahalalam-baovao Shinoa, dia hitan'i Pelosi ho fomba iray hanohanana ny fiarahamiasa amin'i Etazonia amin'i Taiwan ny diany:

Manamafy indray ny fitsidihanay fa mijoro miaraka amin'i Taiwan i Amerika; demaokrasia matanjaka sy mavitrika ary mpiara-miombon'antoka lehibe aminay any Indo-Pasifika (i Taiwan).

Tamin'ny fanambaran'ny  Delegasionany amin'ny Kongresy, miresaka ny maha-zava-dehibe ny fitsidihana amin'ny fiarovana ny satan'i Taiwan i Pelosi:

Our discussions with Taiwan leadership will focus on reaffirming our support for our partner and on promoting our shared interests, including advancing a free and open Indo-Pacific region. America’s solidarity with the 23 million people of Taiwan is more important today than ever, as the world faces a choice between autocracy and democracy.

Our visit is one of several Congressional delegations to Taiwan – and it in no way contradicts longstanding United States policy, guided by the Taiwan Relations Act of 1979, U.S.-China Joint Communiques and the Six Assurances. The United States continues to oppose unilateral efforts to change the status quo.

Ny fifanakalozan-kevitray amin'ny mpitarika ao Taiwan dia hifantoka amin'ny fanamafisana indray ny fanohananay ny mpiara-miombon'antoka aminay sy amin'ny fampiroboroboana ny tombontsoanay iombonana, anisan'izany ny fampandrosoana ny faritra Indo-Pasifika ho malalaka sy misokatra. Manan-danja kokoa noho ny hatramin'izay ny firaisankinan'i Amerika amin'ny mponina 23 tapitrisa ao Taiwan, satria miatrika safidy eo amin'ny didy jadona sy ny demaokrasia izao tontolo izao.

Iray amin'ireo fitsidihan'ny delegasionan'ny Kongresy maromaro ny any Taiwan – ary tsy mifanohitra velively amin'ny politikan'i Etazonia hatry ny ela, tarihin'ny Lalànan'ny Fifandraisana ao Taiwan tamin'ny taona 1979, ny Fanambarana Fiombonan'ny Etazonia-Shina ary ny Fiantohana Enina. Manohy manohitra ireo ezaka mandeha ila hanovana ny toe-draharaha i Etazonia.

Tamin'ny volana Aprily 1997, nitsidika an'i Taiwan i Newt Gingrich, mpitondratenin'ny Antenimieram-pirenena Amerikana tamin'izany fotoana izany, taorian'ny Krizy Cross-Strait Fahatelo (1995-1996) sy talohan'ny fanolorana an'i Hong Kong ho an'i Shina tamin'ny 1 Jolay 1997.

Nandritra ny krizy tamin'ny tapaky ny taona 1990, nanao andiana fanazaran-tena miaramila tao Fujian i Beijing taorian'ny namoahan'ny governemanta Amerikana visa ho an'ny filoha Taiwaney Lee Teng-hui, tamin'izany fotoana izany mba hanao lahateny momba ny “Traikefa Ara-demaokrasia an'i Taiwan” tao amin'ny alma mater-any, Cornell University. Hitan'i Beijing ho fanitsakitsahana ny politikan'i Shina tokana ny zava-bitan'i Lee.

Manantitrantitra i Shina fa firenena iray i Taiwan sy i Shina Tanibe ary ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina (PRC) no hany solontena ara-dalàna an'i Shina na dia efa fanjakana nizaka tena aza i Taiwan nanomboka ny taona 1949 taorian'ny nandosiran'ny antokon'ny Repoblikan'i Shina (ROC) tany Taiwan tamin'ny fahareseny tamin'ny Ady An-trano Shinoa (1927–1949).

Taorian'ny fitsidihany naharitra adiny telo tany Taiwan, nanantitrantitra i Newt Gingrich fa handray ny fepetra rehetra ilaina i Etazonia mba hanakanana an'i Beijing tsy hanambatra azy an-keriny amin'i Taiwan. Nanao hetsi-panoherana mafy ny fitsidihana avo lenta i Beijing, saingy nalamina tamin'ny fomba diplaomatika ny krizy.

Mety ho manan-danja kokoa ny fitsidihan'i Pelosi. Ho fanampin'ny fihaonana tamin'ny filoha Taiwaney Tsai Ing-Wen, nihaona tamin'ireo mpikatroka mpomba ny demaokrasia avy any amin'i Shina tanibe, Hong Kong, ary Taiwan ihany koa izy, araka ny nasongadin'i Brian Hioe, bilaogera ao amin'ny Gazetiboky News Bloom:

Hihaona amin'i Wuerkaixi, mpitarika ny mpianatra teo aloha tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen sy amin'i Lan Wing-kee ilay mpivarotra boky nisy an-keriny taloha ao amin'ny Hong Kong Causeway Bay, ary Lee Ming-che ilay mpiasan'ny ONG Taiwaney nisy an-keriny taloha ao amin'ny Jingmei Human Rights Park i Pelosi

Hetsika miaramilan'i Beijing

Na dia tsy i Nancy Pelosi aza no mpitondrateny voalohany tao amin'ny Atenimieram-pirenena Amerikana tonga tany Taiwan, dia mbola tsy nisy toy izany ny valintenin'i Beijing. Talohan'ny fitsidihana, nandrahona an'i Etazonia tamin'ny “fepetra an-keriny” miaraka amin'ny “voka-dratsy lehibe” ireo manampahefana Shinoa, ka nitabataba ny hanaovana hetsika miaramila ho setrin'izany ireo mpitarikevitry ny fanjakana toa an'i Hu Xijin, tonian-dahatsoratra teo aloha an'ny gazety tantanan'ny fanjakana Global Times.

Na dia nampitandrina an'i Beijing aza ny Trano Fotsy manoloana ny famadihana ny fitsidihana ho krizy, nangotraka tao amin'ny media sosialy Shinoa ny fihetseham-po nasionalista, ary nitaky hetsika ara-miaramila goavana ireo tia tanindrazana anjotra.

Fotoana fohy taorian'ny nanamafisana ny dian'i Pelosi tany Taiwan, nirohotra nankany amin'ny faritra morontsirak'i Fujian ny vahoaka mba hijery ireo fiaran'ny miaramila mivezivezy ao Xiamen, tanàna amorontsiraka ao Fujian manerana ny Andilan-dranomasin'i Taiwan:

Mampiseho fiara mifono vy mandehandeha ao amin'ny tanànan'i Xiamen any atsimon'i Shina ny sary farany nivezivezy tao amin'ny media sosialy Shinoa WeChat, satria voalaza fa nitodi-doha nankany Taipei ny mpitondratenin'i Etazonia, Pelosi.

Nanelatrelatra ny lanitr'i Xiamen tamin'ny alina nandritra ny fanazaran-tena nataon'ny miaramila amin'ny tifitra bala tena izy sy baomba tselatra alatsak'ireo fiaramanidina mpiady, ka niteraka tahotra sao ho tonga tsy ho ela ao amin'ny morontsirak'i Taiwan ny ady :

Miasa ny namako any Xiamen amin'izao fotoana izao ary vao avy nandefa an'ity ho ahy. Hoy izy hoe “這裡大家覺得會打仗 (Mahatsapa ny olona rehetra eto fa hisy ny ady).

Nanainga ny fiaramanidina mpiadin'ny Tafi-Bahoakam-Panafahana, ka niditra tao amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Faritra Famantaram-Piarovana an'habakabaka an'i Taiwan ny maro tamin'izy ireo tamin'ny 2 Aogositra. Nisy ireo fanazaran-tena ara-miaramila mampahatezitra kokoa nokasaina hatao ny 4–7 aogositra aorian'ny fialàn'i Pelosi an'i Taiwan, anisan'izany ny “tifitra mivantana an-davitra ao amin'ny Andilan'i Taiwan.”

Duan Dang, ilay bilaogera ao ambadiky ny South China Sea Brief nampitaha tamin'ny sarintany ny fanazaran-tena nataon'ny tafika an-habakabaka teo anelanelan'ny Third Strait Crisis (Jolay 1995 ka hatramin'ny Marsa 1996) sy ny krizy ankehitriny:

Ny fanazaran-tenan'i Shina ara-tafika manodidina an'i Taiwan tamin'ny volana Aogositra 2022 sy Marsa 1996 (krizy fahatelon'ny andilan-dranomasin'i Taiwan). Tamin'ity indray mitoraka ity, manitsaka ny fari-dranomasin'i Taiwan ny faritra nanaovana fanazaran-tena sasany, mampiharihary fihenjanana kokoa.

Hitan'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena ao Taiwan fa mivaona amin'ny foto-kevitry ny famahana am-pilaminana ny fifandraisana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany ny fanazaran-tena:

Miharihary fa mitady vahaolan'i Taiwan sy Shina) amin-kery fa tsy amin'ny fomba milamina ny PRC manambara fanazaran-tena amin'ny tifitra an'habakabaka sy an-tsambo mivantana manodidina an'i Taiwan. Arahin'ny #ROCMND maso akaiky ireo hetsika manodidina ny faritanintsika ary hamaly araka ny tokony ho izy rehefa ilaina izany .

Ankoatra ny fandrahonana ara-miaramila, nampiato ny fanafarana entana maherin'ny 100 avy any Taiwan i Shina.

Taiwaney: ny fiainana mandeha, ny krizy mandeha

Na dia mitombo aza ny fihenjanana, tsy mikoropaka ny ankamaroan'ny Taiwaney. Lin Ching-Yi, mpanao lalàna ao Taiwan namoaka sary misy hafatra fiarahabana naseho tao amin'ny tranobe Taipei 101:

Mikorapaka ny Taiwaney? Tsia, mientanentana aoka izany izahay! Miarahaba antsika namana rehetra mitovy sata! Tongasoa ny mpitondrateny Pelosi.

Ho an'ny Taiwaney tsotra, raha manahy momba ny valifaty ataon'i Beijing izy ireo, dia maro no nanohana ny fitsidihana satria nanamafy ny fanoloran-tenan'i Washington hiaro an'i Taipei izany, izay hanampy an'i Taiwan hitana ny sata misy azy ho fiarahamonina malalaka sy demaokratika, araka ny nasongadin'ireo Taiwaney mpisera Twitter @christinelu sy @formosanafro :

Tsy misy “fanontaniana Taiwan” afa-tsy ny manontany raha te-hijanona ho demaokrasia ny vahoaka Taiwaney 24tapitrisa ary rehefa mifidy ENY ny ankamaroan'izy ireo, dia zava-dehibe kokoa ny feon'izy ireo manoloana ny propagandin'ny governemanta tsy milamin-tsaina mahatsapa ho voatohintohin'ny vahoaka milamina miaina anaty fiarahamonina malalaka.

Ho an'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina, tsy maninona na manao fanazaran-tena ara-miaramila manodidina an'i Taiwan impiry aza, na mamafa ny feon'ny Taiwaney ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena aza ary hamerimberina propagandtsy miova momba an'i Taiwan aza, tsy nihontsona mihitsy ny Taiwaney.

Satria am-polony taona maro no nitohy ny fandrahonann'i Shina ara-miaramila, nahatsangana paikady hitazomana ny fiainana mahazatra andavanandro manoloana ny krizy ny ankamaroan'ny vahoaka Taiwaney, araka ny soso-kevitry ny meme (S3=sary-sy-soratra) malaza nivezivezy tao amin'ny media sosialy:

Sary malaza tao amin'ny media sosialy

Ireo mpitsikera sahisahy kokoa toa an'i @Lelechen945, dia naneso mihitsy ny fandrahonan'i Shina ho “balafomangavava ”:

Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Shina

Ny valinteny fahadimy tamin'ny fitsidihan'i Pelosi!

Zhao Lijian: Afaka manao izay lazainy ny vahoaka Sinoa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.