Fantaro ny Biraon'ny teny Jèrriais: F&V iarahana amin'ny ekipa mampiroborobo ny teny Jèrriais

Sary nomen'ny L'Office du Jèrriais ary nahazoana alalana.

Mihahita taratra hatrany ao amin'ny sehatra anjotra ny fahasamihafan'ny fiteny ao Eoropa, izay itrandrahan'ireo vitsy an'isa ara-piteny sy isam-paritra, ireo fitaovana nomerika sy ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo mba hitahiry, hampiroborobo ary hamelona indray ny lovan'ny fitenin'izy ireo. Ao anatin'izany toe-tsaina izany, mandrindra ny fifandimbiasana amin'ny kaonty X (Twitter taloha) ny fanentanana an-tserasera @EuroDigitalLang an'ny Rising Voices. Eto no itantaran'ny mpikatroka sy mpandala ny teny ny tantarany manokana amin'ny teniny manokana, mifandray mivantana amin'ny mpihaino azy ary mizara ireo fanamby mbola misy sy ny  fahombiazana ihany koa. Tamin'ity tafatafa tamin'ny mailaka ity, niresaka tamin'i Geraint Jennings, vahiny manaraka avy ao amin'ny L’Office du Jèrriais, sampan-draharaham-panjakana mampiroborobo sy mampianatra ny Jèrriais —  tenin-drazana any Jersey ny Rising Voices. Misy fampahalalana bebe kokoa azo jerena ao amin'ny kaontiny X: @le_jerriais. Gerraint sy ny ekipany no hitantana ny kaonty amin'ny herinandron'ny 22–28 Aprily 2024. Novàna mba hazava sy hafohezina ny tafatafa.

Rising Voices (RV): Mba lazao anay ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny.

L'Office du Jèrriais (LDJ): Ny L'Office du Jèrriais dia ahitana ekipa roa: ny Sampan-draharahan'ny Fampianarana Jèrriais ahitana mpampianatra enina (mifototra amin'ny departemantan'ny fanabeazana ao amin'ny Governemantan'i  Jersey) ary ny Ekipa Mpampiroborobo ny Jèrriais ahitana mpiasa telo (ao amin'ny Lova Jersey, sampan-draharaha tompon'andraikitry ny tranombakoka, toerana manan-tantara ary lova ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana ao Jersey).

Hatramin'ny nanombohan'ny fandaharam-pampianarana Jèrriais tany an-tsekoly tamin'ny taona 1999, dia namolavola fitaovana fampianarana sy fianarana, rakibolana, boky, fitaovana anjotra izahay ary nanolotra torohevitra momba ny fiteny ho an'ny fikambanana, orinasa ary olon-tsotra, anisan'izany ny fandikan-teny.

Amin'izao fotoana izao dia mpandika teny ofisialy ho an'ny Governemantan'i Jersey izahay amin'ny famantarana sy fampiasan'ny besinimaro ny teny Jèrriais, ary manome fanohanana ho an'ny hetsika rehetra mifandraika amin'ny teny Jèrriais.

RV: Manao ahoana ny toetry ny fiteninareo amin'izao fotoana izao na an-tserasera na ivelan'ny aterineto?

LDJ: Teny tandindomin-doza tokoa ny Jèrriais. Niainga tamin'ny maha-teny maro an'isa azy tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20, vitsy ihany sisa no mahay azy ankehitriny (na dia hatramin'ny ampahefatry ny mponina aza no mahazo ny Jèrriais sasany, dia mbola mampiasa teny nindramina tamin'ny teny Anglisy Jersey.)

Nividy ny hametraka ny Jèrriais ho fiteny ofisialy ny Fanjakan'i  Jersey tamin'ny taona 2019 (saingy tsy midika izany fa tsy maintsy atao ny fampiasana ny Jèrriais, tsy voatery).  Noho ny fanohanan'ny ministera avy amin'ny Governemantan'i Jersey, nisy ny fandrosoana mankany amin'ny fankatoavana ny Sata Eoropeana ho an'ny Fiteny isam-paritra sy zandriolona.

Nitombo fahalianana amin'ny fiteny sy ny fahafantarana izany amin'ny haino aman-jery ivelan'ny aterineto ny satan'ny Jèrriais. Hita votoaty ny famoahana ny boky “Le Petit Prince” ((Ilay Printsy Kely) tamin'ny faran'ny taona 2023, Eisteddfod (Fetiben'ny Kolontsaina) ahitana hira sy tononkalo natao tamin'ny teny Jèrriais, tononkalo iray amin'ny teny Jèrriais nandresy tamin'ny fifaninanana tononkalo nandritra ny Fetiben'ny Literatiora Jersey, fiarahamiasa amin'ny ArtHouse Jersey sy ireo mpiangaly mozika mamokatra hira amin'ilay fiteny.

Mitombo ny fisiana antserasera ahitana ireo fitaovan'ny fiteny Jèrriais:

Mianara! – Ato ianao dia hahita loharano noforonina sy ampiasain'ny Jèrriais Teaching Service hanohanana ny mpianatra amin'ny sokajin-taona rehetra
Mihainoa! – Kaontin'ny Biraon'ny Jèrriais Soundcloud. Ato ianao dia afaka mihaino ireo rakitra am-peo amin'ny teny Jèrriais mihoatra ny 48.000 – anisan'izany ny rakitra fanononana avy amin'ny rakibolana, fehezanteny, lahatsoratra, resaka, fampianarana, tononkalo, hira.
Jereo! – Ny fantsona YouTube-n'ny Biraon'ny Jèrriais raha hijery sy hihaino horonan-tsary mihoatra ny arivo amin'ny teny sy momba ny Jèrriais
Taratasy! – La Lettre Jèrriaise. Podcast isan-kerinandro amin'ny teny Jèrriais, alefa isaky ny Sabotsy maraina ao amin'ny BBC Radio Jersey
Iaino izany! – Ireo pejin'ny Jèrriaises. Pejy an'arivony ahitana lahatsoratra, tononkalo, hira, voambolana, fitsipi-pitenenana, lohahevitra, trivia, ankamantatra sy maro hafa amin'ny teny Jèrriais.

RV: Inona no antony manosika anao hahita ny fiteninao amin'ny sehatra nomerika?

LDJ: Mpanao dia lavitra malaza ny Crapauds (olona avy any Jersey) ary indraindray misafidy ny hipetraka any ampitan-dranomasina. Manampy azy ireo ny fisian'ny fitenin'izy ireo amin'ny aterineto, ary hiorina mafy amin'ny lovany ireo taranaka ho avy.

Zava-dehibe ny fifandraisana amin'ny am-pielezana. Ahafahan'ny olona tsy afaka, na angamba tsy mahavita manatrika ny fampianarana ny fiteny izany, mba hampihatra ny fiteny amin'ny alalan'ny fitaovana hita maso sy am-peo. Misy ihany koa ny tombontsoa ara-toekarena amin'ny fananganana ny mombamomba an'i Jersey ho firenena hafa manao raharaham-barotra, hotsidihana, hampiasana vola, misaraka amin'ny UK, ary ny maha-izy azy [mari-panondroana] an'i Jersey ho firenena nosy kely manana ny kolontsainy manokana, rehefa mifandray.

RV: Farito ny sasany amin'ireo fanamby manakana ny fiteninao tsy  ampiasaina feno anjotra.

LDJ: Mety ho sarotra ny fampiroboroboana ny fisian'ny fiteny ao amin'ny sehatra anjotra feno hipoka. Ny fampidirana ny teny Jèrriais sasany dia tokony ho lasa ‘fenitra’ avy amin'ny fantsona ofisialy. Te hahita votoaty anjotra bebe kokoa amin'ny sehatra betsaka kokoa ny olona, saingy sarotra ny manome fahafaham-po ny fangatahana noho ny hakelezan'ny ekipa. Tsara kokoa raha misy  fiarahamonina betsaka olona kokoa mandray anjara amin'ny votoaty anjotra – fampitana bebe kokoa, fanehoan-kevitra bebe kokoa – saingy raha heverin'ny mpanaraka fa efa ampy sy mety ny votoaty vokatra ary manantena fa hitohy ny famokarana, dia sarotra ny mandrafitra fototra an-tserasera.

RV: Inona no dingana mivaingana araka ny hevitrao azo atao hanentanana ny tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hampiasa ny fiteniny hatrany?

LDJ: Manolotra fampianarana fiteny ho an'ny tanora ny mpampianatra Jèrriais ary hita amin'ny Lovan'i Jersey ny fiteny any amin'ireo katroka ho an'ny tanora, mandrisika azy ireo ‘hitsapa’. Manampy amin'ny fampisondrotana ny satan'ny teny Jèrriais ny fametrahana famantarana  amin'ny fiteny roa hita maso, ary manampy amin'ny fanomezana alalana ny olona hampiasa ny teny Jèrriais ity tontolon'ny fiteny an-dalampiovàna ity.

Fanamby iray ny mandresy olan'ny famoaham-boky aman-gazety mijoro sy manangana tantara ho an'ny tanora ho takatra kokoa na amin'ny endrika printy na endrika media. Tianay ny hanana fitaovana bebe kokoa toy ny tantara an-tsary/tantara an-tsoratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.